Tantara tamin'ny 30 Novambra 2014
Adinoy Ny Rano Mangitsy, Ny Fanambin'ny Teny Indizena Atao Solony
Tsy mba ny nandraraka rano mangitsy teny an-tampon-dohany, fa ny fanamby amin'ny hampiasàna ny teny indizena tao anaty lahatsary kosa no neken'ireto mpiaro mavitrika ireto hatao
Selfies, ‘Fihaonana Sandwich’ ary ‘The Hunger Games': Ahoana Ny Ihaikan'ny Mpikatroka Ny Lalàna Miaramila ao Thailandy
Lasa izay ny enimbolana nandrombahan'ny tafika ny fahefana sy nametrahana ny lalàna amin'ny tany miady [miaramila] ao Thailandy. Mandritra izany fotoana izany, mampiasa karazam-pihetsi-panoherana ny jadona miaramila ny olom-pirenena Thailandey.
Herin'ny Masoandro Isan-Tokantrano Mamarana ny ‘Fanavakavahana Ara-Kerinaratra’ ao Bangladesh
Tsy mba manana herinjiro ny 45%-n'ny ao Bangladesh—izay monina any ambanivohitra ny ankamaroany. Nampiova izany fitongilanan'ny mizana izany ny Tetikasa Masoandro Isam-Baravarana.
Fihovitra Maherin'ny Tany Tao Nagano, Japana Nandratra Olona Am-polony sy Nandrava Fonenana
Efapolo iraika amby ny olona naratra nandritra ny fihovitry ny tany mirefy 6,8, fa tsy nisy ny olona maty. Namoaka ny sarin'ny fitateram-bahoaka tratry ny aizina sy ireo tranombarotra lehibe voakorontany ny mpisera Twitter.
Fifarimbonana Antserasera Amin'ny Teny Maya Tz'utujil Jerena Amin'ny Antontanisa
Manome antontanisa mahaliana mikasika ny fandraisana anjara ao amin'ny pejy Facebook sy Vondrona mampiroborobo ny teny Mayana ao Goatemala ny tetikasa Tz'utujil Tziij Pa Nimk'atz nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices.
Manohana Ny Fanovana Ny Politika Amerikana Momba An'i Kiobà Ny New York Times
Niantso ny filoha Obama ny gazety New York Times mba hanova ny politika ivelan'ny firenena mikasika ny mpifanolo-bodirindrina aminy ao Karaiba, anisan'izany ny fanafoanana ny fahirano sy ny famerenana indray ny fifandraisana ara-diplaomatika.
Renim-pianakaviana Voalaza Fa Namono Miaramila Talibana10 Nanjary Mahery Fon'ny Firenena
Nitifitra ireo miaramila Talibana ho valifaty tamin'ny nahafatesan'ny zanany lahy ny vehivavy iray ao amin'ny faritr'i Farah, ao Afganistana.