- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bahrain: Minisitry Ny Fitsaràna Niady Tamin'ny Tonian'ny Famoahana Gazety An-tsoratra Tao Amin'ny Twitter

Sokajy: Bahrain, Fifidianana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

Many voting stations in the opposition areas have been mostly empty as they are boycotting the elections of Bahrain 2014. Photo by Majed Tareef. Copyright Demotix. [1]

Nifidy voalohany ireo Bahrainis hatramin'ny 2011 nanombohan'ilay tolom-bahoaka nalaza tao amin'ilay nosy kely [2] izay nofoanan'ireo manampahefana tamin-kerisetra taty aoriana. Miankina amin'izay anontanianao ny tahan'ny fandraisana anjara– ny governemanta milaza fa 51,9 isan-jaton'ireo mpifidy no nandeha tany amin'ireo fandatsaham-bato, raha milaza kosa ny mpanohitra (izay nanao ankivy ny  fifidianana) fa teo amin'ny 30 isan-jato teo ihany ny tarehimarika.

Nomarihan'i Mansoor Al-Jamri, tonian'ny famoahana ny Al-Wasta, gazety an-tsoratra mpivoaka isan'andro, ilay elanelana teo amin'ny taham-pahavitrihana, izay nampahatsiahivany ho an'ireo mpamaky fa mihoatra lavitra noho ny fahazoana isa fotsiny ny atao amin'ny fifidianana. Fa nahatonga ady amin'ny teny tao amin'ny Twitter niarahana tamin'ny Minisitry ny Fitsaràna Bahrain, Khalid bin Ali-Khalifa, anisan'ny fianakavian'ny mpanjaka Al-Khalifa eo amin'ny fitondràna ao Bahrain ankehitriny, ireo fanamarihany momba ny fahalalahana.

Nanoratra izao i Al-Jamri tao amin'ny tsanganana natao ho an'ny matoan-dahatsoratra ny 24 Novambra, nitondra ny lohateny hoe “Mihoatra noho ny adinà isa [3]“:

بغض النظر عن الأرقام، فإن العملية السياسية الناجحة تقاس بمؤشرات أساسية لا يمكن إغفالها، ومنها فيما إذا كانت السجون مليئة أم فارغة من معتقلين لأسباب سياسية، وفيما إذا كان المختلفون في الرأي يمارسون حياتهم بصورة عادية ولا يوجد خطر على حياتهم، وفيما إذا كان بالإمكان أن يمارس الجميع دوراً ما من دون أن يتعرض لتمييز أو مضايقة بسبب انتماءاته أو أفكاره… في ذلك الحين، فإن الأرقام تصبح مادة للتحاور بدلاً من تحولها إلى مادة للتندر أو الاحتراب.

Mihoatra noho ireo isa, misy fomba fandrefesana azy izay tsy azo atao tsinontsinona ny dingana politika iray. Tafiditra ny hoe feno olona nogadraina noho ny antony ara-politika na babangoana ireo fonja. Ny hoe miaina tsara tsy matahotra ny ainy sa tsia ireo olona manana hevitra hafa. Ny hoe afaka manatanteraka malalaka ireo andraikiny sa tsia ny olona, ary tsy ho voahilikilika ny amin'izany na tratran'ny fahirano noho ireo heviny na ny vondrona misy azy. Aorian'izay, zavatra tokony hiadian-kevitra ireo isa fa tsy natao ho fihomehezana na zavatra hampitomboana korontana.

Toa hita ho tezitra tamin'ilay lahatsoratra ny minisitra — [4] na izay tiany hambara amin'izany. Nandefa bitsika toy izao izy ho valiny:

Toa adalàna ny hoe misy olona misisika fa misy adi-nà isa eo!! Manodidina antsika ny ady, ary ny faniavan'ny vahoaka no nanakana an'io tsy ho eo amintsika. Mijanòna any amin'ny ady ao an-tsainao ao ary aza ampidirina amin'izany adalàna izany ny olona.

Namaly ny minisitra i Al-Jamri:

Mitonia aloha ianao, ry olona hajaina, manome toerana bebe kokoa ho an'ny rariny ny fisainana malalaka

Nahazo ny Lokan'ny CPJ Iraisam-pirenena momba ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety ny taona 2011 [8] moa i Al-Jamri no sady anisan'ny mpiara-nanorina ilay gazety. Nampijaliana ka niafara tamin'ny fahafatesana mihitsy ny taona 2011 ny iray tamin'ireo nanangana io, i Kareem Fakhrawi.

Namaly ny minisitra, nanambara fa “miezinezina” ny fandresena na dia teo aza ny antson'ireo mpanohitra ny tsy hanatrehana io:

Andrana mampalahelo ny fiahiahiana ilay fandresena miezinezina ny 22 Novambra, ary ny fanaovana io ho adinà isa. Tsy raharahanà fihetseham-po ny rariny, fa hafatra avy any an-danitra, ary ampy izay

Mpifaninana miisa enina amin'ireo 40 ihany no tafita tamin'ny fihodinana voalohany tamin'ireo fifidianana, izay nomarihan'ireo tatitra nilaza fa nanolotra fanomezana hiantsoana ny olona ny governemanta, tafiditra ao anatin'izany ny fahazoana anjara toerana voalohany amin'ny fahazoana asa ary ireo tolotry ny fanjakàna [11], ho an'ireo izay nandeha nifidy ary finday iPhone ho an'ireo mpianatra nifidy. Hatreto dia nahazo isa 4.197 ny mpandresy tamin'ny ankamaroan'ireo vato-pifidianana, mitovitovy amin'ny isan'ireo gadra politika vinavinain'ireo mpanohitra.

Nanoratra izao i Al-Jamri:

Ry olona hajaina, tsy ahy io fiteny hoe “adinà isa” io, tao amin'ny vaovao tselatra omaly io… Mety hoe sahirana loatra angamba ianao ny hamerina hijery io. Misaotra.

Ilay vaovaon'ny masoivohon'ny Agence France-Press [13] (AFP) no tiany nolazaina, izay iray amin'ireo mpanao gazety nandrakotra io resaka fifidianana io. Manana tantaranà [14] tsy fanomezana taratasy manome alalana ireo mpanao gazety avy any ivelany na ny fidirany amin'ny faritry ny firenena moa ny governemanta ao Bahrain.

Namaly ny minisitra:

Ampahan'ny asako ny mamaky ny zavatra nivoaka… raha nisy fomba fiteny tsy mety nampiasaina tany ivelan'ny firenena, rariny tsotra izao raha tsy mamela ny hitaran'io ato anatin'ny firenena isika

Henjehan'i Bahrain ihany koa ireo mpanao gazety teratany (niofana sy nampitombo fahalalàna tao an-toerana) [16] izay nandrakotra ilay fitroarana.

Nanipika ny resaka fahalalahana maneho hevitra i Al-Jamri tamin'ny fandefasany bitsika valiny:

Eny, manana ny hevitrao ianao, izay hajaiko, ary manana ny heviny ihany koa ireo hafa, izay hajaiko ihany koa, zavatra tokony ho azo amin'ny fahamendrehana ny fifanajan'ny andaniny roa

Tsy miray hevitra amin'izany ny minisitra:

Rehefa manana andraikitra hamoaka isa ireo mpitsara, tsy resaka hevitra izany. Zavatra tsy azo iadian-kevitra izany.

Nahazo tsikera maro tamin'ireo vondrona iraisam-pirenena mpiaro ny zo moa ny rafitry ny fitsaràna ao Bahrain, indrindra taorian'ny fitsirhana haingana ireo olona an-jatony nandalo fitsarana tsy ara-drariny [19] ny taona 2011. Nilaza [4]izao i Joe Stork, tale lefitry ny Human Rights Watch any Afovoany Atsinanana : “tsy ny tsy fandehanan'ny rafitry ny fitsaràna araka ny tokonyu ho izy no olan'i Bahrain, fa kosa ny fisian'ny rafitra avo lenta amin'ny fitsaràna tsy ara-drariny.”

Namaly ny minisitra i Al-Jamri:

Tsy mamono ny zo hanana fihevitra hafa izany, na dia Andriamanitra aza niresaka tamin'i satana

Nandefa bitsika farany mikasika ilay resaka ny minisitra:

Tsy niady hevitra tamin'i satana Andriamanitra!!! Ary tsy izany ny lohahevitsika!! Ary tsy azo ekena izany sarinteny izany… ary hiato amin'ito aho

Tao anatin'ny tahotra no nizotra ireo fifidianana tao Bahrain, izay heloka ny fisitahana ara-politika, mahantra ny fahalalahana maneho hevitra, ary manohana ara-bola ny politikan'ny fisamantsamahana tsy an-kiteniteny [22] ny fanjakàna. Izao ny fanontaniana, inona no lanja ananan'ny fifidianana raha manana ireo zavatra rehetra ireo izy?