
Ho tonga ny ririnina any Gaza, olona 100.000 no tsy manan-kialofana. Ambaran'i @NourAlghussein ao amin'ny Twitter fa : ” efa eo am-baravarana ny ririnina aty, ary mbola miaina fahirano hatrany i Gaza > tsy misy fitaovana hanamboarana ireo trano ireo #BreakGazaSiege”
Taorian'ny faharavana lehibe naterak'iny ady tamin'ity lohataona ity, dia Gazaiana an'arivony no tsy ampy fitaovana hiatrehana ny hatsiakan'ny ririnina ho avy.
Notaterin'ny Biraon'ny Firenena Mikambana misahana ny Fandrindrana ny Fanampiana Olona (OCHA) tamin'ny Oktobra 2014 fa trano 20.000 no voavinavina fa rava, olona 100.000 no nifindra toerana. Miara-mipetraka aminà fianakaviana mpandray vahiny na any amin'ny toerana iraisana, toy ny sekoly, ireo moialokaloka.
Ny voalohan'oram-pararano no nanaitra ny ahiahy ny amin'ny ho avin'ireo mpialokaloka ireo, tao amin'ny Twitter.
If You Want To See How People In #Gaza Spend The Winter This Year Here Is A Sample For You Sir/Madam …#Gaza #Winter pic.twitter.com/DFvnoXGcc0
— Salah AlQady (@salah_alqady) October 19, 2014
Raha Tianareo ho Hita Ny Fandanian'ny Vahoaka Any #Gaza Ny Ririnina Amin'ity Taona Ity, Ito Misy Ohatra Ho Anao Andriamatoa/Ramatoa…
Heavy rains in #Gaza. First winter storm to hit since the end of war, with thousands of families displaced or living in damaged homes
— Fares Akram (@faresakram) October 19, 2014
Orambe any #Gaza. Voalohan'ny tafiotran-dririnina hatramin'ny nifaranan'ny ady, miaraka amin'ireo fianakaviana an'arivony nafindra toerana na mipetraka amin'ny trano rava
Nanoratra ny mpitoraka Bilaogy Omar Ghraieb, izay mipetraka any Gaza :
It hasnt stopped raining since the morning & I havent stopped praying & thinking about displaced & homeless people here & everywhere. #Gaza
— Omar Ghraieb (@Omar_Gaza) October 19, 2014
Tsy mbola mitsahatra ny orana hatramin'ny maraina& Tsy mitsahatra mivavaka & mieritreritra ireo nafindra toerana & ireo tsy manan-kialofana & any rehetra any aho. #Gaza
Tato aoriana kely ny androtr'io ihany dia nampiany :
#Photo: Displaced Palestinians in #KhanYounis trying to stop rain floods 4m washing away their tentscaravans! #Gaza pic.twitter.com/et1I5oWAby
— Omar Ghraieb (@Omar_Gaza) October 19, 2014
#Photo: Manandrana manakana ny riaka 4m ateraky ny orana tsy handrava ny trano lay fialofany ireo Palestiniana nafindra toerana any #KhanYounis.
Izao no bitsika nataony, nandefa ity sary ity rehefa nitsahatra ny orana :
#Photo: Despite destruction, a rainbow bows over #Gaza shyly after a day of heavy rain washing pain & souls. pic.twitter.com/0dvEX3vKAs
— Omar Ghraieb (@Omar_Gaza) October 19, 2014
#Photo: Na dia eo aza ny faharavana, miraika eo ambonin'i #Gaza menamenatra ny avana taorian'ny andro iray nisian'ny orambe nanadio ny hirifiry & ny fanahy.
Taterin'ny bilaogy iombonana Electronic Intifada an'i Rami Almeghari ao amin'ny lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe : “No Shelter from Winter Rain for Thousands in Gaza,” ( Tsy misy fialofana amin'ny oram-panala ireo an'arivony any Gaza)
[…] Fianakaviana an-jatony izay nozeran'i Israely baomba ny tranony no tsy manana fotodrafitrasa fototra, indrindra ny jiro ny fahazoana rano, ary mialoka anaty filalofana vy na any amin'ny sekoly tantanan'ny Firenena Mikambana. Vao haingana no nisy oram-batravatra nanjo an'i Gaza, ary nandrava ny tambajotran'ny herinaratra, ny rano ary ny fanariana rano maloto.
“Tsy nanam-bintana ny ho voaaro ireny olona ireny nandritra ny orana… mampanahy ho an'ireo mponin'ny tandavan-tanin'i Gaza izany, indrindra ireo nafindra toerana. Ho fotoan-tsarotra ho an'ireny olona ireny ny ririnina” hoy ny fanazavan'ny [ Elektronc Intifada an'i Rami] Almeghari
“Na dia nampanantena fanampiana amin'ny asa fanarenana aza ireo malala-tànana iraisam-pirenena, dia tsy mbola nanomboka ny asa mivaingana. Efa niandry ny hisian'ny asa fanarenana indray ireo vahoaka ireo hatramin'ny nifaranan'ny ady tamin'ny Aogositra ” hoy i Almeghari
Marobe ny fanentanana ho fangatahana fanomezana no najoro. Ireto manaraka ireto ny santionany amin'izany :
Ny fanentanana Indiegogo nataon'ny Orinasa Al-Rahma hanolotra fitafiana amin'ny andro ririnina ho an'ireo ankizympialokaloka. Amin'izao fotoana anoratana izao dia maherin'ny 3.300 dolara Amerikana amin'ireo 5.000 dolara tadiavina no efa voaangona :
Hanao izay hampahafàna ny ririnin'ireo ankizy any Gaza no anaran'ny hetsika fanentanana ataonay ary ao anatin'izany no andefasanay ny hafatra ho an'izao tontolo izao mba hanolotra fanomezana ho an'ny fanentanana ataonay, miezaka izahay ny hanangom-bola hividianana akanjo ho an'ireo ankizy ireo. Rehafa azonay ny vola dia hanomboka hanao fifanarahana amin'ny toeram-pivarotana fitafiana sy hanomana karatra ho an'ny ankizy ho tonga sy hifidy izay ilainy izahay. Eritreretinay ho 50 dolara tsirairay isaky ny ankizy no atolotra.
Ao amin'ny “Go Get Funding”, mpisera iray ihany fantatra amin'ny hoe Abu Yazan no nanao fanentanana antsoina hoe Help Gaza This Winter, ( Ampio Gaza amin'ity ririnina ity), 1.871 dolara no voaangona hatramin'izao. Izao no soratan'ilay tompon-kevitra :
Ho avy ny ririnina any Gaza amin'ity taona ary tsy hitovy tamin'ireo taona maro tany aloha. Ho mafy ny ririnina amin'ity taona ity satria trano an'arivony no rava tanteraka na amin'ny ampahany any Gaza ary Palestiniana 100.000 no tsy manan-kialofana… Hetsika hanampiana ireo olona ireo mandritra ny ririnina ity hetsika ity, mba hanafàna azy ireo, hiarovana azy ireo amin'ny orana & sy ny tondradrano efa andrasana ary hanamafisana ny fahavononany hiatrika amin'ireo fotoan-tsarotra ireo.
Toa mifandray amin'ny Gaza Youth Breaks Out, vondronà tanora Palestiniana tsy mitonona anarana izay manora-tena ho “antoko politika” ao amin'ny Facebook, ilay hetsika fanentanana, satria mitondra mankany amin-dry zareo ao amin'ny pejin'ilay hetsika fanentanana, sady mampiroborobo io tetikasa io ao amin'ity bitsika ity ry zareo :
Winter in #Gaza will be hard and your help is needed.. Please retweet. http://t.co/LHzlQYqOec
— Gaza Youth Break Out (@GazaYBO) October 20, 2014
Ho mafy ny ririnina any #Gaza ary ilaina ny fanampianao. Mba avereno bitsihana indray azafady.
Fanentanana roa mifanindran-dàlana, Go Fund Me sy ny Indiegogo no tantanàn'ny Save Gaza Priject (Tetikasa Vonjeo i Gaza). Ao amin'ny Indiegogo, ny fanentanana ho fanomezana kitapo babena sy fitaovam-pianarana ho an'ny ankizy dia nahazoana ny 9.800 British pounds ( eo ho eo amin'ny 14.800 dolara Amerikana) amin'ny 15.000 pounds tadiavina, ary 5.200 pounds, mihoatra 200 pounds amin'ny vola natao hotratrarina no voaangona ao amin'ny Go Fund Me. Miara-miasa amin'ny Orinasa Al-Tawheed any Gaza ilay fikambanana amin'ny fitsinjaràna ny vola.
Ao amin'ny Facebook, amporisihan'ny Palestine Loves Israel ny fanomezana ho an'i Gaza amin'ny alàlan'ny Caritas, fikambanana iraisam-pirenena manana tsara ny hajany, tain'ny nanoratany hoe :
Efa antomotra ny ririnina any Afovoany Atsinanana, Gazaniana maro no mbola tsy manana fialofana sahaza sy mbola tsy ampy akanjo mafana, lamba firakotra ary fananana hafa. Niantso ny Caritas Israel indray aho mba hahitana raha mbola mandefa entana ho aty Gaza ihany ry zareo. Mandefa izy… Ny Caritas no nantsoinay satria izy ireo no mahatoky sy azo antoka kokoa miohatra amin'ny maro hafa izay efa nohadihadianay hatramin'izao, ary miaraka miasa amin'ny mpitondra ny vokovoko mena sy ny tsinambolana mena (croissant rouge) ao an-toerana ry zareo. http://www.caritas-germany.org/internationalaid/donations
Nandritra ny fanafihan'i Israely an'i Gaza, 40 isanjaton'ny faritra an-drenivohitr'i Gaza no lasa korotam-bato, araka ny vinavina sasany. Notafihan'i Israely ny hany toby famokarana herinaratra tany Gaza ny 28 Jolay ka nahatonga ilay tandavan-tany be mponina 1,8 tapitrisa ho tao anatin'ny haizina, ary nahatonga ireo fotodrafitrasany efa voafetra momba ny rano sy ny fitaovam-pidiovana ho tsy afaka miasa.
Ny 26 Aogositra 2014 ,nifanaiky ny hampitsahatra ny ady mandritry ny fotoana tsy voafetra i Israely sy ireo vondrona Palestiniana, namarana ireo fito herinandrom-paharavana sy fahafatesana tsy roa aman-tany. Fara-fahakeliny, Palestiniana 2.100 no maty, maherin'ny 10.500 no naratra, ary 520.000 no nafindra monina nandritra ny nanaovan'i Israely ilay fahafihana mahery vaika antsoina hoe “Protective Edge” ( fiarovana ny sisintany) tamin'ny tandavana moron-dranomasina 40 kilometatra.
Araho ny fanadihadiana lalina ataonay : fampitsaharana tanateraka ny ady mandrava#Gaza