- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fifidianana Mialoha ny Fotoana ao Japana Manakona ny Toekarena Mitontongana

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika
JAPAN ELECTION

Mpanao fampielezan-kevi-pifidianana ao Japana (Kanako Otsuji sy fiara manao fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana Mpanolo-tsaina, 2007) Sary tao amin'ny mpisera Flickr, m-louis CC BY-SA 2.0

Nofoanan'ny Praiminisitra Shinzo Abe ny Antenimiera-pirenen'i Japana ary niantso ho amin'ny fifidianana mialoha [1] ny fotoana amin'ny tapaky ny volana Desambra izy.

Tonga izao fifidianana mialoha ny fotoana izao rehefa nambara tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny alatsinainy 17 Novambra [2] fa nihemotra ny toekaren'i Japana.

Izao angamba no fotoana farany hanavotana an'i Japana amin'ny fijotsoan'ny firenena, hoy i  Michael Auslin [6] [Fanehoan-kevitra, lahatsoratra amin'ny teny Anglisy ato [7]] Raha resy amin'ny fifidianana solombavambahoaka hoavy i Abe, dia very avokoa ny fanantenana rehetra hisian'ny fanitsiana.” (Wall Street Journal).

Roa taona izay no napetraky ny fifidianana Japoney farany teo amin'ny fitondrana i Abe sy ny antoko Demaokraty Liberaly. Amin'ny izao fe-potoana fiasany ankehitriny izao, mbola manana mihoatra ny roa taona hafa i Abe, mandrapahatongan'ny taona 2017, mba hiantsoana fifidianana manaraka.

Nilaza i Abe fa ny anton'ny fanapaha-keviny hanatontosa fifidianana mialoha dia ny hitadiavany fahazoandalana [8] hanemorana ny fiakaran'ny hetra efa napetraka, izay mety hampandeha mora kokoa ny toekarena.

Efa nosokajiana ho tompon'antoka voalohany mampivonkona ny toekarena amin'izao fotoana ao Japàna ny fampakarana tamin'ny voalohany ny hetram-barotra tamin'ny lohataona farany teo.

Anisan'ny mety ho antony nandrisika amin'ny fanatontosana ny fifidianana mialoha ny fotoana ny fahadisoam-panantenana [9] amin'reo antoko mpanohitra ao Japana, mahatonga azy ireo ho mpanohitra marefo manoloana ny hoavy akaiky indrindra.

Raha miantso ny fihetsik’ Abe ho “tia-tena [10]” ny mpaneho hevitra sasany, mihevitra kosa ny sasany fa miatrika fankahalana politika i Abe [10]ary ny fanatontosana fifidianana mialoha ny fotoana dia mety ho pitik'afo hampirehitra ny mpanohitra tsy mba mihetsika ao Japana [11].

Ao Japana, misy ireo fitarainana sasany izay tsy mba hita ao amin'ny sary lehiben'ny fitantarana fifidianana:

Ahoana? Nahoana no tsy misy filazana momba ny fihemoran'i Japana ao amin'ny fampahalalam-baovao?

Manontany ireo mpaneho hevitra Twitter malaza marobe raha adino ao anatin'ny fitantarana lehibe ny fifidianana ny fivasohan'ny toekarena ao Japana :

Ao amin'ny fampahalalam-baovao Japoney dia “tratran'ny fahatarana maharitra fotsiny” ny toekarena, saingy any ivelany ny tantara henony dia “mihemotra ankehitriny ny toekarena Japoney.” mandripaka ny olon-tsotra mpampiasa vola izany elanelam-pomba fijery izany. #fx #nhk #nisa #nikkei #nhk #stocks

Vao maika zendana aho fa na ny fampahalalam-baovao koa aza toa gaga fa nipongatra ity fihemorana ity.

Fika fotsiny izany hoe mitady fe-potoam-piasana hanemorana ny fiakaran'ny fandoavan-ketra izany. Satria mbola ambony ny fankatoavana ny kabinetra (minisitera), ary mbola ao anatin'ny fikorontanan-tsaina ireo antoko mpanohitra, hanatontosa fifidianana i Abe, matoky izy fa handresy. Hampiasa ny fahazoan-dalan'ny vahoaka indray izy hilazana fa ny vahoaka no tsy mila fiakaran-ketra, fa tsy hiaiky fa tsy nahomby ny “lalànan'i Abe”.

Mankatò izay lazaina fa fahaizan'i Abe miasa kosa ireo feo sasany:

Amin'ny roa taona sisa amin'ny fe-potoam-piasany ankehitriny, mety ho fantatr'i Abe fa tsy manana fotoana ampy hanaovana ireo zavatra tiany atao izy. Izany no nanafoanany ny Diet [Antenimiera] ka manalava ny fiainan'ny governemantany.

Eny, mazava amiko! Toa handresy amin'ny fifidianana hoavy i Abe, izay hanome fahatomombanana ara-politika efa-taona hafa indray hoan'ny governemantany.

Mifaninana amin'ny vaovao lehibe hafa:(tsy misy dibera [24].ao Japàna) ny vaovaon'ny fihemoran'ny toekarena sy ny fifidianana mialoha hotontosaina ao Japana.