- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Inona no Tokony Horesahan'ny Mpitondran'Izao Tontolo Izao Mandritra ny Zaikaben'ny G20 ao Brisbane

Sokajy: Oseania, Aostralia, Etazonia, Okraina, Rosia, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna, Tontolo_iainana
G20 Summit in Brisbane Australia. Flickr photo from GovernmentZA (CC License) [1]

Zaikaben'ny G20 tao Brisbane Australia. saripika Flickr avy amin'ny GovernmentZA (CC License)

Vitan'ny Zaikaben'ny G20 [2] tamin'ny 15-16 Novambra 2014 ny zavatra tsy vitan'ny fampihorohoroana hatramin'izay – manakatona ny afovoan'ny tanàna aostraliana iray antsoina hoe Brisbane. Tranga hitamaso iray amin'izany ny fahatongavan'i [3]Barack Obama.

Nanondro izany ny mpisera Facebook iray antsoina hoe Peter Black [4] tamin'ny zoma:

South Bank Brisbane for G20

South Bank Brisbane G20 – Nindramina tao amin'ny Facebook Peter Black

On my walk home from South Bank this afternoon, I got stopped by a police officer by the name of Chenin Newson on the river walk in front of the Stamford Plaza. He wanted to know why I had taken this photo of the Stamford Plaza a few minutes earlier. He also wanted to know what I was doing in the area. I explained that I lived in New Farm and had been walking around all afternoon observing the G20. He asked for my name and identification, both of which I happily provided. He took down my name, license number, address and phone number. He explained that under the G20 (Safety and Security) Act the police were required to be extra vigilant around restricted areas. I said I understood but that there was also nothing in the Act that made it an offence for me to take photos. He agreed. He then asked me what I did. I said I was lecturer in law at QUT. He thanked me for my time and understanding, and wished me a good afternoon.

Tamin'ny fodiako avy ao amin'ny South Bank tamin'ity tolakandro ity, dia nosakanan'ny polisy iray manana anarana antsoina hoe Chenin Newson aho nandritra ny fandehanako an-tongotra nanamorona ny renirano manoloana ny Stamford Plaza. Nitady ny antony nanapihako ny sarin'ny Stamford Plaza vao minitra vitsivitsy lasa izay izy. Nanontany ny antony handehanako ao amin'io faritra io ihany koa izy. Nohazavaiko taminy fa monina ao New Farm aho ary nandehandeha nandritra ny tontolo takariva mijery ny G20. Nitaky ny anarao sy ny mari-panondroana ahy izy, izay samy nomeko azy amin-kafaliana. Noraisiny naoty ny anarako, ny laharan'ny lisansa, ny adiresiko ary ny laharan'ny telefoniko. Nohazavainy fa noho ny lalànan'ny (Fiarovana sy Filaminana) G20 dia takiana amin'ny polisy ny ho mailo dia mailo indrindra amin'ny manodidina ny faritra tsy azo aleha. Nolazaiko taminy fa azoko tsara izany saingy tsy misy zavatra ao amin'ny Lalàna mampanao ny fanapihana sary ho fanosihosena. Nanaiky izy. Dia nanontaniany aho avy eo ny nataoko. Nolazaiko azy fa nampianatra lalàna tao amin'ny QUT aho. Nisaotra ahy noho ny fotoako lany sy ny fahatakaran-draharaha izy ary nirary tontolo folakandro mahafinaritra ho ahy.

Miompana bebe kokoa momba ny zavatra mety tsy resahina fa tsy izay tena ao anaty fandaharana ny adihevitra momba ny fivorian'ny mpitondran'izao tontolo izao. Voalohany aloha dia fihaonana ara-toekarena ny G20. Niady mafy ny tsy hiresahana ny fikorontanan'ny toetr'andro ny Praiminisitra aostraliana Tony Abbott manao tsinontsinona ny fikorontanan'ny toetr'andro.

Hitan'ny Macrobusiness [5] ny lafiny taratry ny mazava kokoa tamin'ny fanasongadinana ny elefanta eo ivelan'ny efitra:

More on the ironic G20 weather forecast. If it reaches the forecast 39C it will break the November record by more than 4 degrees

Zavatra bebe kokoa momba ny fanombanana mialoha ilay mampihomehin'ny G20. Raha mahatratra 39C ny fanombanana mialoha dia hanamontsara ny zavabita tsara indrindran'ny Novambra ho mihoatra ny 4 degre izany.

Tsy hiezaka ny handratsana ny tsy fifankahazoan-kevitra misy eo aminy ny filoha Rosiana Vladimir Putin sy ireo hafa tafiditra ao amin'ny krizin'i Okraina. Vao maika nampisy fisavoritahana bebe kokoa amin'ny fifandraisana efa henjana eo aminy sy i Tony Abbott ny fisian'ny sambo rosiana mpiady ao atsimon'i Pasifika :

Ao anatin'ny raondraona amin'ny anjara toeran'i Rosia amin'ny ady ao Okraina dia andefasan'i Moskoa sambo mpiady ny manamorona ny sisin-dranomasin'i Aostralia mandritra ny fitsidihan'i Putin ao an-toerana

Ho an'izay manam-potoana, ny fitsidihana ny diezy Twitter #shirtfront [8] no ahitany zavatra bebe kokoa amin'ity fifanandrinana mampitsangam-bolo ity.

Azonao atao ny misafidy diezy malaza ao amin'ny Twitter. Miara-manandra-peo kokoa ireo efa antitra saingy mahafinaritra kokoa toy ny #Brissie [9] sy izay malaza #Brisvegas [10]. Fa malaza ihany koa ny #G20Brisbane [11] saingy mahazo fenahoan-kevitra manerantany kokoa tahaka ny #G20 [12].

Tian'ny maro iadian-kevitra ihany koa ny krizin'ny Ebola. Namelatra izany bebe kokoa ny mpanampy mpitsabo mba hahatafiditra ny famatsiana ny fahasalamana amin'ny ankapobeny :

Mety amin'ny mpanampy mpitsabo indrindra ny raharaha Ebola hitabatabana itakiana ny famatsiana ara-bola ny fahasalamam-bahoaka.

Fahita ireo lafiny lanonana mahazavatra sy ny diabem-pihetsiketseham-panoherana mahazatra. Teboka iray mampiady hevitra ny maha-ara-dalàna ny fanaovana ny sarontava manana endrika “Anonymous” amin'ny lalàna manokan'ny G20:

Afa-mitafy Burqas [voaly mandrakotra manontolo ilay vehivavy] ireo Anonymous hialana amin'ny fandraràna fasista ataon'ny G20 ao Brisbane mandrara ny sarontava

Araho ity sehatra ity raha te-hanaraka bebe kokoa momba ny fandehan-draharaha rehefa manomboka ihany ny fombafomba ofisialy.