Ao An-tanindrazana Sy Manerantany, Mitaky Ny Rariny Hoan'ilay Bilaogera Vietnamiana Dang Xuan Dieu Ireo Mpanohana Azy

“Free prisoner of conscience Dang Xuan Dieu” (Thanh Hoa prison camp). Photo from Facebook support page.

“Avotsory ilay gadra noho ny fanehoan-kevitra, Dang Xuan Dieu” ao amin'ny (fonjan'i Thanh Hoa ). Sary tao amin'ny pejy Facebook manohana azy.

Mandeha amin'izao fotoana izao ny fanentanana ifotony ho fanohanana an'i Dang Xuan Dieu, bilaogera sady mpandrindra fiarahamonina izay niasa an-kiafina antserasera hatramin'ny taona 2011. Tsy dia fantatra firy ny zava-manjò an'i Dieu raha tsy nivoaka ny fonja tamin'ny voalohandohan'ny volana Oktobra ny namana gadra iray, Truong Minh Tam. Niresaka tamin'ny Radio Free Asia, nitantara ny zava-iainan'i Dieu any amin'ny efitry ny fonja mitoka-monina izay iaretany daroka sy hanoanana ary tsy fanomezana ireo zony hafa i Truong Minh Tam.

Fotoana fohy taorian'ny fijoroana vavolombelona nataon'i Tam, nikarakara fitsidihana tao amin'ny faritra Thanh Hoa, misy ny fonjan'i Dieu ireo mpanohana azy, 170 km miala ao Hanoi. Na dia teo aza ireo sakana maro napetraky ny manampahefana teny an-dalana, kalesim-piarandalamby marobe an'ireo mpanohana no tonga tany am-ponja ary nikarakara fiaretan-tory milamina mitaky ny famotsorana azy. Nolavin'ireo manampahefan'ny fonja ny fitsidihan'ny vondrona an'i Dieu saingy nitabataba hamela kosa ireo fianakaviany hijery ity bilaogera gadra ity hatreny amin'ny folo miala aminy.

On the ground in Vietnam

Amin'ny tany ao Vietnam. Sary tao amin'ny pejy Facebook manohana an'i Dieu.

Nanatontosa hetsika karatra paositra (carte postale) ho fanentanana ihany koa ireo namany. Nalefa hoan'i Dieu, ahitana hafatra fanohanana manokana sy mampilaza ireo gadra ao amin'ny fonjan'i Thanh Hoa ilay karatra fa manaraka ny raharaha izao tontolo izao. Natonta ao ambadiky ny karatra tsirairay ny fanapaha-kevitry ny Vondron'Asan'ny Firenena Mikambana misahana ny Fanagadrana Tsy Amin'ny Antony izay milaza fa fanitsakitsahana ny zo maha-olombelona azy ireo sy ny lalàna iraisam-pirenena ny fanagadran'ny governemanta Vietnamiana an'i Dang Xuan Dieu sy ireo mpikatroka 16 hafa.

Nandritra ny herinandro maromaro, nikarakara fihaonana ampahibemaso tao Vietnam ireo mpanohana azy mba hanangonana sonia hanaovana ireo karatry ny paositra (carte postale). Nanatontosa vavaka fiaretan-tory hoan'i Dieu ihany koa ny sasany tamin'ireo fikambanana katolika. Talohan'ny fisamborana azy, mpikambana tao amin'ny Vietnam Redemptorists News (Vaovaon-dRelijiozy Vietnam) izay fantatra amin'ny fiarovany ny ankizy miaina anaty fahantrana sy ny olona manana fahasembanana i Dieu.

Ao Vietnam, raisina ho toy ny karazana tsy fankatoavana sivily ny hetsika tahaka izany. Mihabetsaka mpanaraka ny fanentanana ho an'i Dang Xuan Dieu toy ny fivorian'ireo mpikatroka eo an-tokotanin'ny fitsarana mandritra ny fotoam-pitsarana ara-politika , ny fitsidihana ireo fonjabe, sy fanohanana ny fianakavian'ireo gadra politika na dia eo aza ny fanorisorenana ataon'ny manampahefana.

Catholic diocese of Vinh (Vietnam).

Diosezy katolika ao Vinh (Vietnam). Sary tao amin'ny pejy Facebook manohana an'i Dieu.

Nanatevin-daharana ny hetsika “carte postale” koa ireo fikambanana Vietnamiana manerantany. Maro tamin'ireo sary no nalefa indray tany amin'ireo pejy Facebook-n'ny “Naman'i Dang Xuan Dieu”.

Don Le, filohan'ny Fikambanana Federalin'ny Mpianatra Vietnamiana ao Aostralia, nanoratra tao amin'ny pejy Facebook:

Sending postcards may be a simple task but they are one of many creative acts by Vietnamese youth around the world to show global support, remind jailers of the constant attention on Dieu's case and the determination to press for his release.

Andraikitra tsotra ny fandefasana “carte postale”, saingy misy ny iray amin'ireo hetsika vaovao maro ataon'ny tanora Vietnamiana manerantany mba hanehoana ny fanohanana faobe, mampahatsiahy ireo gadra mikasika ny fanarahana akaiky ny raharahan'i Dieu sy ny fikirizana ho amin'ny famotsorana azy.

Swiss elected officials at the Vietnamese embassy (Geneva)

Manampahefa Soisa teo ivelan'ny masoivoho Vietnamiana ao Geneve. Sary avy amin'i Viet Tan, nahazoan-dalana.

Ao Geneve, nitondra ny fanohanany sy nitangorona teo ivelan'ny iraka diplaomatika Vietnamiana ireo mpanao politika malaza ao Soisa.

In Geneva, Swiss political figures lent their support and gathered outside the Vietnamese diplomatic mission.

Ao amin'ny Parlemanta Aostraliana, nanamarika ny solombavambahoaka Luke Simpkins:

Dieu was arrested as part of a larger crackdown on human rights fighters, and is serving one of the longest sentences of any political prisoner in Vietnam.

Nosamborina nandritra ny fanenjehana goavana ireo mpitolon'ny zon'olombelona i Dieu, ary nahazo sazy an-tranomaizina lava indrindra toy ny gadra politika rehetra ao Vietnam

Nahatonga ny mpisolovavany, Allen Weiner avy ao amin'ny Sekolin'ny lalàna ao Stanford hiantso ny Vondron'Asan'ny Firenena Mikambana misahana ny Fanagadrana Tsy amin'ny Antony mba handray fepetra vonjimaika mikasika ny raharaha ny tatitra momba ny fampijaliana henjana an'i Dieu, anisan'izany ny fitsidihana ny fonja misy an'i Dieu. Araka ny filazan'i Weiner:

The mistreatment of Dieu is a clear violation of Article 19(1) of the International Covenant on Civil and Political Rights [and] flatly inconsistent with the representations made by the Vietnamese government upon its signing on November 7, 2013, of the United Nations Convention against Torture and Other Cruel, Inhuman or Degrading Treatment or Punishment.

Fanitsakitsahana mibaribary ny Andinin-dalàna 19 (1) mikasika ny Fifanekena Iraisam-pirenena momba ny Zo Sivily sy Politika ny fampijaliana an'i Dieu [ary] tsy mifanaraka tsotra izao amin'ny fanambarana nataon'ny governemanta Vietnamiana tamin'ny sonia nataony tamin'ny 7 Novambra 2013 mikasika ny Fifaneken'ny Firenena Mikambana Hanohitra ny Fampijaliana sy izay Fihetsika feno Habibiana, Tsy manaja ny maha-olona ary Manosihosy hafa.

Tamina taratasy iombonana navoaka tamin'ny 28 Oktobra, vondrona fito mpiaro ny zo – ACAT France, Access, Electronic Frontier Foundation (Fikambanan'Asasoa Sisintany Elektronika), English PEN, Media Legal Defence Initiative (Fisantaran'andraikitra Fiarovana Ara-pitsarana Ny Fampahalalam-baovao), PEN International (PEN Iraisampirenena), ary ny Viet Tan – no nandrisika ireo masoivoho vahiny ao Hanoi mba hitsidika an'i Dang Xuan Dieu any am-ponja sy hanara-maso ny fahasalamany.

Tamin'ireo ezaka fiarovana an'i Dieu tao anatiny sy ivelan”i Vietnam, nivoaka tsimoramora tao am-ponja ny naoty nosoratan'i Dieu manokana. Nanazava tamin'ny fehezanteny telo fohy mikasika ny antony hizakany mafy ny idealiny i Dieu:

I long to live in a society of FREEDOM and TRUTH. One in which no class divisions exist and people live with LOVE and RESPONSIBILITY to one another. But it is because of this that I have been persecuted, and for this I am willing and ready to die!

Te hiaina anaty fiarahamonina anjakan'ny FAHALALAHANA sy ny FAHAMARINANA aho. Izay tsy misy fisarasarahana saranga ary miaina anaty FITIAVANA sy FIFANDRAISANA ANDRAIKITRA. Saingy noho izany indrindra no antony nanenjehana ahy, ary noho izany ihany koa no mahatonga ahy vonona ho faty!

Dang Xuan Dieu

Dang Xuan Dieu (ankavanana) sy ireo mpikatroka namany talohan'ny fisamborana tamin'ny taona 2011. Sary tao amin'ny pejy manohana azy ao amin'ny Facebook.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.