Ampiomanana ny Fetibe Ara-kolontsaina Chariboan Joi Ao Amin'ny Fiarahamonina Shipibo
Vaovao momba ny tetikasa nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices.

Tanora Shipibo ao amin'ny fiarahamonina. Sary avy amin'ny tetikasa.
Nonra mato jatibi saludanai, midika hoe «miarahaba anareo rehetra” amin'ny teny Shipibo. Te-hizara fandrosoana, traikefa, sy lesona azo nandritra ny volana faharoan'ny tetikasa izahay. Ny fikarakarana ny fandaharana rehetra amin'ny fetiben'ny kolontsaina amin'ny fomba ahafahan'ny rehetra mandray anjara no andraikitra voalohany sahanin'ny ekipa Chariboan Joi. Niarahanay tamin'ireo solontena avy amin'ireo fiarahamonina efatra voakasika, Betania, Palestina, Béthel, ary Alva Castro izany. Amin'izany, mahita sy tompon'ity hetsika ity ireo fiarahamonina mba ahatsapan'izy ireo fa fetiben'izy ireo izany.
Mba hanatanterahana izany, nanatontosa fitsidihana fandrindrana, notarihan'i Douglas Tangoa avy ao amin'ny fiarahamonina Betania izay rohy fototra eo amin'ireo fiarahamonina ny ekipan'ny Fikambanana Tanora Indizeny avy ao amin'ny faritra Ucayali (OJIRU amin'ny fanafohezana amin'ny teny Espaniola). Nihaona tamin'ny lehiben'ny avy ao Betania sy ireo manampahefana misahana ny fampianarana avy amin'ireo fiarahamonina izahay. Nisy ny fientanam-po betsaka tamin'ny tolo-kevitra, ary nanolo-kevitra izy ireo fa tokony ahitana hira, dihy sy tantara an-tsangana nentim-paharazana Shipibo ny fetibe. Hisy ihany koa ny fifaninanana fanatanjahan-tena fohy.
Maro ireo singa nilaina handrindrana ny fetibe, tahaka ny fitaterana, zavamaneno, sy mpamelona herinaratra. Mikasika ny sakafo kosa, niombon-kevitra tamin'ny nahandron'ny fiarahamonina izahay. Ho takalon'ny raharaha ataon'izy ireo, nanome ny fitaovana sasany ilain'izy ireo izahay. Nahafinaritra tokoa ny nihaona tamin'ireo zoky izay nizara ny tantaran'izy ireo; anisan'izany ny lehilahy iray mpitsabo nentim-paharazana izay nizara ny traikefany teo anoloan'ny fakantsary, ary havan'i Douglas.

Lakana nampiasaina hiampitàna ao amin'ireo fiarahamonina. Sarin'ny tetikasa.
Etsy andaniny, talanjona izahay satria na dia am-bava nentim-paharazana aza ny kolontsaina Shipibo, nangataka antonta-taratasy ofisialy taminay momba ny tetikasa sy taratasy fanasana ofisialy izy ireo. Hiravina tsy ho ela izany rehetra izany. Toa hita fa ireo andrim-panjakana natsangan'ny fanjakana, tahaka ny komitin'ny fokonolona, ny filoha, na ireo ivom-pampianarana sy ny mpitantana azy dia manaraka fepetra somary tandrefana kokoa.
Tamin'ny voalohany, tsy nisy ny endrika mibahana hoe filoha, fa fokom-pianakaviana miaraka amin'ny solontenan'izy ireo. Ankehitriny, ny filoha no tena misolo tena sy mitantana ary mifandray amin'ireo mpiasa ivelan'ny fiarahamonina, tahaka ireo mpandraharaha, ONG sy Fanjakana Peroviana. Amin'ny ankapobeny sy amin'ny fiainana andavanandro, fantatra mazava amin'ny dikan'ny voambolana ny fifehezan'ny lalàna ara-pomba sy ny tsy fisian'ny mpitondra manampahefana ao anaty filaminana, .
Nandritra izany, niandry ny fiverenan'ny ekipa tamin'ny Alatsinainy 3 Novambra tao an-tanàna izahay, saingy nanomboka mivatravatra ny orana mandritra ny ora maro isan'andro, ary noho ny antony ara-piarovana, tsy afaka nandeha ny sambo. Rehefa nihena ny orana, tsy dia nisy mpandeha sambo firy intsony. Ka voatery nijanona nandritra ny fotoana lava ny ekipa, tahaka ny voatery nanao fialan-tsasatra tsy fidiny. Tsy afa-nanatrika ny fampianarana sasany ireo tanoran'ny OJIRU, saingy nanararaotra ny fotoana izy ireo mba hahafantatra tsara kokoa ny fiarahamonina, sy ny fanampiana tamin'ny fanamboarana madinidinika ao an-tranon'ny fianakaviana Douglas.
Farany, niverina tamin'ny Alakamisy 5 Novambra izy ireo. Nivory izahay ny Asabotsy 8 Novambra mba hametrapetraka farany ny fandaharana amin'ny fetibe:
Toerana: Fiarahamonina Betania / Daty: 2 Desambra 2014
Atrikasam-pampitambaovao ataon'olon-tsotra (tanora 50)
- Sakafo maraina
- 08:30 maraina: Fiofanana momba ny fampitam-baovao ataon'olon-tsotra amin'ny alalan'ny fampiasana finday
- Fampiharana: Fitsangatsanganana manerana ny fiarahamonina amin'ny fanatontosana tatitra am-peo
- 11:30 maraina: Tombana momba ny tatitra sy tamberin'asa
- 01:00 atoandro Sakafo atoandro
- 02:00 hariva: Hetsika ara-panatanjahatena
Ny fandaharan'ny fetibe:
- 05:00 hariva: Fiarahabana sy fanokanana ny Fetibe (mpanatrika 300)
- 05:30 hariva: Hetsika ara-kolontsaina, hira, dihy sy tantara tsangana
- 06:15 hariva: Fandefasana tantara am-peo 3 avy amin'ny atrikasa maraina
- 06:30 pm Fitantarana ataon'ireo zokibe Shipibo momba ireo tantara 4 nentim-paharazany
- 07:30 hariva: Fanomezana loka hoan'ireo hetsika ara-kolontsaina
- 08:00 hariva Famaranana
- 08:15 hariva Sakafo hariva
Hahazo fiofanana fanamafisam-pahaizana amin'ny volana Janoary 2015 izay hotontosaina ao amin'ny biraon'ny Fikambanana Arkana ireo tanora izay nahavita tatitra am-peo 12 tsara indrindra. Harakitra mba hatonta sy hadika amin'ny teny Espaniola sy Anglisy ireo tantara ara-kolontsaina ireo.
Amin'ny toro-hevitry OJIRU, mpianatra telo avy amin'ny Oniversiten'ny Kolontsaina mifandray ao Amazonia Peroviana no hanatevin-daharana ny ekipa Chariboan ho fomba iray hanamafisana ny fanohanana. Fanampin'izany, hanome fanohanana ihany koa ny mpilatsaka an-tsitrapo Sydney Morical, Arkana Alliance, indrindra amin'ny fanaovana tatitra. Miandry fanamafisana hafa amin'ny fandraketana an-tsarimihetsika ny fetibe ihany koa izahay.

Masoandro mody ao Betania aorian'ny orana. Sarin'ny tetikasa.
Misaotra namaky ny lahatsoratra, ary miarahaba ny rehetra.
Lahatsoratra notsongain-ny Rising Voices, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices manampy amin-ny fanapariahana vaovaon-ny tsy mbola mahatakatra aterineto loatra ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny Rising Voices, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices manampy amin-ny fanapariahana vaovaon-ny tsy mbola mahatakatra aterineto loatra ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 7 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...