- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

GV Face: Mitady Ny Rariny Hoan'ireo Mpianatry #Ayotzinapa Nanjavona Tao Meksika

Sokajy: Meksika, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

Nitarika fihetsiketsehana manerana ny firenena sy adihevitra mafana mikasika ny lalàna sy ny filaminana ny fanjavonan'ireo mpianatra 43 tao Ayotzinapa, Meksika, sy ny fahitana ireo fasana tambabe maromaro tao amin'ny faritra.

Amin'ity lahatsary hangout ity, miresaka momba izany sy ny fizarazarana eo amin'ny tontolon'ny politika sy ny sosialy ao Meksika ny ekipan'ny Global Voices ao Meksika.