Hijras [2] teo amin'ny an'arivony teo no sambany nandray anjara tamin'ny “Hijra Pride” Bangladesh tao amin'ny renivohitra Dhaka tamin'ny herinandro lasa mba hankalaza ny tsingerintaona voalohan'ny fankatoavan'ny governemanta azy ireo ho olona manana taovam-pananahana manokana. Olona vehivavy izay lehilahy tamin'ny vao teraka na manana taovam-pananahana roa ny Hijra, matetika antsoin'ny Tandrefana hoe mpanova taovam-pananahana.
Hijras [3] teo amin'ny 10.000 teo no nijaly tamin'ny fanavakavahana nandritra ny fotoana ela. Tamin'ity diabem-pireharehana voalohany ity, nihira sy nandihy teny an-dalambe ireo mpandray anjara mitafy akanjo maroloko ary milanja [4]sainam-pirenena Bangladesh sy sora-baventy, toy ny hoe: «Tapitra ny andron'ny fitsarana an-tendrony, ny fanavakavahana ary ny tahotra.”
Topazo-maso ireto sombin-tsary nandritra ny hetsika ireto:
Nankalaza niaraka tamin'izy ireo ihany koa ny vahoaka ary nizara fanohanana tao amin'ny Twitter:
First ever transgender Pride march held in Dhaka being a Muslim majority country. http://t.co/RLms00Lmha [12] #thirdgender [13] #hijra [14] #Bangladesh [15]
— Lenin (@nine_L) November 11, 2014 [16]
Diabe voalohany notontosain'ireo mpanova taovam-pananahana tao Dhaka izay firenena maro an'isa ny Miozolomana.
Hena Festival is the part of Hijra Pride 2014 in Bangladesh. All designers come from Hijra Community. pic.twitter.com/K1LVdZnyoU [17]
— BSWS (@bandhubd) November 9, 2014 [18]
Fetiben'ny “Hena” anisan'ny Diabe Hijra 2014 ao Bangladesh. Avy amin'ny Fiarahamonina Hijra avokoa ny mpamorona haibika rehetra
Congratulations to the #Hijra [19] community in #Bangladesh [15]. Here's to moving forward! #solidarity [20] #hijrapride [21] pic.twitter.com/ttz1l2iVGN [22]
— Moncho (@projectmoncho) November 11, 2014 [23]
Miarahaba ny fiarahamonina Hijra ao Bangladesh. Tahaka izao raha handroso! Firaisankina Diabe hijra