
Nanomboka tao Bangladesh tamin'ny Alahady ny fetiben'ny Diabem-pireharehana Hijra 2014. Sary nalain'i Sahabgh Raju Circle tao Dhaka. Sary avy amin'i Anwar Hossain Joy. Zon'ny mpamorona Demotix (9/11/2014)
Hijras teo amin'ny an'arivony teo no sambany nandray anjara tamin'ny “Hijra Pride” Bangladesh tao amin'ny renivohitra Dhaka tamin'ny herinandro lasa mba hankalaza ny tsingerintaona voalohan'ny fankatoavan'ny governemanta azy ireo ho olona manana taovam-pananahana manokana. Olona vehivavy izay lehilahy tamin'ny vao teraka na manana taovam-pananahana roa ny Hijra, matetika antsoin'ny Tandrefana hoe mpanova taovam-pananahana.
Hijras teo amin'ny 10.000 teo no nijaly tamin'ny fanavakavahana nandritra ny fotoana ela. Tamin'ity diabem-pireharehana voalohany ity, nihira sy nandihy teny an-dalambe ireo mpandray anjara mitafy akanjo maroloko ary milanja sainam-pirenena Bangladesh sy sora-baventy, toy ny hoe: «Tapitra ny andron'ny fitsarana an-tendrony, ny fanavakavahana ary ny tahotra.”
Topazo-maso ireto sombin-tsary nandritra ny hetsika ireto:

Diabe miaraka amin'ny sainam-pirenena tao Dhaka ho fanamarihana ny ‘Diabem-pireharehana Hijra’. Sary avy amin'i Sony Ramany. Zon'ny mpamorona Demotix (10/11/2014)

Diabe maroloko nokarakarain'ny “Bandhu Social Welfare Society” notontosaina teo akaikin'ny klioban-gazety, Dhaka. Sary avy amin'i SK Hasan Ali. Zon'ny mpamorona Demotix (10/11/2014)

Mankalaza ny ‘ Diabem-pireharehana hoan'ny Mpanova Taovam-pananahana (Hijra) Pride 2014″ tao Bangladesh. Sary avy amin'i Sk. Hasan Ali. Zon'ny mpamorona Demotix (10/11/2014)

Hijras Bangladeshita mandihy eny amin'ny arabe nandritra ny diabem-pireharehana. Sary: Indrajit Ghosh. Zon'ny mpamorona Demotix (10/11/2014)

Hijra mankalaza miaraka amin'ny fifaninanana fahatsarana (manja) sy ny fahabikana nandritra ny hariva. Sary: Mohammad Asad. Zon'ny mpamorona Demotix (10/11/2014)

‘Diabe Hijra 2014’ nifarana tamin'ny fifanianana talenta. Sary: Mohammad Asad. Zon'ny mpamorona Demotix (10/11/2014)
Nankalaza niaraka tamin'izy ireo ihany koa ny vahoaka ary nizara fanohanana tao amin'ny Twitter:
First ever transgender Pride march held in Dhaka being a Muslim majority country. http://t.co/RLms00Lmha #thirdgender #hijra #Bangladesh
— Lenin (@nine_L) November 11, 2014
Diabe voalohany notontosain'ireo mpanova taovam-pananahana tao Dhaka izay firenena maro an'isa ny Miozolomana.
Hena Festival is the part of Hijra Pride 2014 in Bangladesh. All designers come from Hijra Community. pic.twitter.com/K1LVdZnyoU
— BSWS (@bandhubd) November 9, 2014
Fetiben'ny “Hena” anisan'ny Diabe Hijra 2014 ao Bangladesh. Avy amin'ny Fiarahamonina Hijra avokoa ny mpamorona haibika rehetra
Congratulations to the #Hijra community in #Bangladesh. Here's to moving forward! #solidarity #hijrapride pic.twitter.com/ttz1l2iVGN
— Moncho (@projectmoncho) November 11, 2014
Miarahaba ny fiarahamonina Hijra ao Bangladesh. Tahaka izao raha handroso! Firaisankina Diabe hijra