- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tara Loatra Ny “Fifonorohana sy Fifamelàna” Ho An'ny Governemanta Jamaikana Raha Tsikongonià No Resaka

Sokajy: Azia Atsinanana, Karaiba, Etazonia, Filipina, Jamaika, Fahasalamàna, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna, Tontolo_iainana, Vaovao Mafana, Vehivavy sy Miralenta, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT), Zon'olombelona

 

A man from the Dominican Republic bows his head as a child walks into a hospital for treatment. The disease has spread quickly Caribbean-wide. Photo courtesy the Pan American Health Organisation, used under a CC BY-ND 2.0 license. [1]

Lehilahy avy any amin'ny Repoblika Dôminikàna manondrika ny lohany raha zazakely iray kosa miditra ny  hopitaly iray mba hotsaboina.Niparitaka haingana be nanerana ny Karaiba ilay aretina. Sary nalaina tany amin'ny Pan American Health Organisation, nampiasàna ny lisansa CC BY-ND 2.0.

Satria manohy ny fandravàna [2] ny Karaiba [3] ny Tsikongonià, otrik'aretina teraka avy amin'ny moka  izay mahatonga fanaviana mahery vaika sy fanaintainan'ny vanin-taolana, nikaon-doha ireo governemantam-paritra nitady izay fomba hiadiana amin'ny firongatry ny aretina.

Any Jamaika, izay tsy mitsaha-mitombo ny isan'ny tranga Chik-V, nianjeran'ny rihitra noho ny famelàna ilay tranga tsy ho azo fehezina sy noho ny tsy fiomanana tamin'izay ho fiantraikany ny Antoko Politika Nasiônaly [4], izay eo ambanin'ny fitantanan'ny Praiministra Portia Simpson-Miller [5]. Tamin'ity herinandro ity, nanambara i Simpson-Miller fa eo afovoan'ny “vonjy taitra nasiônaly” [6] ny firenena noho ny firongatry ny Chik-V.

Tezitra [7] tamin'ny fomba fanao tsy nahomby nataon'ny governemanta Jamaikana handraisana an-tanàna ilay tranga i Carolyn Joy Cooper, izay mi-blaogy ao amin'ny “Jamaica Woman Tongue”. Tsy nanao firy [8] tamin'ny fanabeazana ny vahoaka momba ilay otrik'aretina sy ny fomba fiparitahany ny Ministeran'ny Fahasalamana; tsy ampy vokatra simikà [2] mba hisedràna ilay aretina ireo toerana voatokana amin'izany, ary toa tsy manana fahafahana hahazo ny fanafody ilaina  hanasitranana azy io ireo toeram-pitsaboana.

Nomarihan'i Cooper fa “taona iray teo ho eo izay, tamin'ny volana Desambra 2013, niteny ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Fahasalamana fa tao Karaiba ny Chik-V” ary nanontany hoe fa maninona ny Ministeran'ny Fahasalamana no niandry namaly fotsiny, raha nanana fahafahana ny hisoroka mialoha:

Talohan'izany aza, efa niara-namoaka antotan-taratasy tena ilaina ny Fikambanana momba ny Fahasalamana Amerikanina (PAHO) sy ny Ivon-toerana Ho Fanaraha-maso sy Fisorohana ny Aretina (CDC) tamin'ny 2011, Fiomanana sy Fihetsehana amin'ny Fidiran'ny Otrik'aretina Tsikongonià ao Amerika. Nampitandrina izy io fa ‘toa hampandoa vola be ny rafitra fikojakojana ny fahasalamana efa mipetraka sy ny fitodrafitrasa momba ny fahasalamam-bahoaka ny vokatry ny firongatra be loatra, ary mety hampiato tanteraka ny ampahany amin'ny fiasan'ny fiarahamonina’.

Teo ny governemanta Jamaikana no nahafantatra ka nanomboka fandaharanasam-panabeazana ny vahoaka momba ny loza entin'ilay otrik'aretina. Talohan'ny nahatongavany teto; fa tsy izao. Fa naninona àry  izany ny minisitry ny fahasalamantsika no tsy dia niraharaha?

[…]

Mieritreritra aho fa hilaza ny minisitry ny fahasalamana hoe tsy manana ny vola ampy mba hanombohana fanentanana iray lafo vidy alefa amin'ny media ny governemanta. Nanery anay hanena ny fandaniam-bolan'ny governemanta ny Tahirim-Bola Iraisam-pirenena (FMI). Kanefa tamin'ny 2011, rehefa navoakan'ny PAHO-CDC ireo fampitandremana momba ny fitantanana ny Chik-V ireo, tokony niteny ny FMI isika mba hanisy fanalefahna. Tsy hamokatra mihitsy ny herim-pamokarana mandringa (sembana).

Ara-toekarena, eo amin'ny toerana sarotra i Jamaika, amin'ny ampahany noho izy voafatotry ny Tahirim-Bola Iraisam-pirenena (FMI) [9], tamin'ny nanekeny findramam-bola 932 tapitrisa $ [10] tamin'ny 2013, miaraka amin'ny 68.8 tapitrisa $ izay ho avoaka tsy ho ela [11]. Raha ny hita, manohy ny fandaniam-bola toy ny tsy manana olana ireny ny governemanta. Tao amin'ny Twitter, nandatsa ny mpampiasa iray:

Faly ny rehetra rehefa mahazo J$2M ny solombavambahoaka tsirairay mba hiadiana amin'ny #Tsikongonià [12]. @PNPJamaikanina [13] @JLPJamaikanina [14] tena manantena marina isika fa hahazo ny sanda mifandanja amin'ilay vola i #Jamaika [15]

Nandritra izany fotoana izany, ho valinteny tamin'ilay fahafatesana voalohany naterak'ilay aretina tao amin'ny firenena, niteny ny minisitry ny fahasalamana fa te ho voa izy [17] mba hahatakarany ny zavatra iainan'ireo vahoaka.

Amin'ny lamaody mampiavaka ny Faritra Atsinanan'i Inda (Antilles), nanapa-kevitra ny hijery ny lafitsaran'ilay tranga ny sasany amin'ireo mpampiasa aterineto, nizara ny fahitàn'ilay mpanao sariitatra malaza, “Clovis”, ny valintenin'ny  governemanta tamin'ny firongatr'ilay otrik'aretina:

Fahasalamana Jamaikana: #Jamaika [15] sy ilay otrik'aretina #Tsikongonià [12] ao anatinà sariitatra ILAY NOSY @vaovaoTsikongonià [18] FAMPAHALALAM-BAOVAO http://t.co/BdSJFP6hZh [19]

Nanindry ihany koa ny sasany fa tsy maintsy miantsoroka ny andraikiny koa ny vahoaka tamin'ny namoronany tontolo iainana izay iroboroboan'ireo moka. Nisioka i Nicole West-Hayles hoe:

Tsy mety hitako ny antony maha-andraikitry ny Fanjakana ny fandiovana ny ambadikin'ny tranon'ireo olona tsy manan-kilema. #Thikongoniç [12] #Jamaika [15]

Niteny ilay antso [7]n'ny praiminisitr'i Jamaika ho an'ny Jamaikana mba “hanampy ny governemanta hiatrika ny krizy ara-pahasalamam-bahoaka” i Cooper:

Tokony tamin'ny telo taona lasa izy no nanao izao. Mamely antsika ny Chik-V amin'izao. Tara loatra raha izao no hifanoroka sy hifamela.