Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Baomba Iray Izay Nampihovitrovitra Ny Fiarandàlamby (Ambanin'ny Tany) Tao Santiago, Nandrehitra Ny Twitter Shiliana

Wave of bomb threats disrupt daily life in Chile -Santiago, 10 September 2014 by Ibar Silva, Demotix.

Manankorotana ny andavanandrom-piainana ao Santiago any Chili ny fandrahonana amin'ny baomba maro misesisesy, 10 Septambra 2014 avy amin'i Ibar Silva, Demotix.

Nihovitrovitra ny renivohitr’i Chili ny alatsinainy 8 septambra noho ny fipoahana iray izay nitarika fanehoan-kevitra tsy tambo ho isaina tao amin’ny Twitter. Toeram-pivarotana goavana iray, izay mifanila amin’ny  toeram-piantsonana be mpampiasa, Escuela Militar, ao Santiago, no lasibatry ny baomba.

Ny eritreritra nitsidika voalohany tao an-tsain’ny maro mpampiasa Twitter dia ny momba izay mety ho fiantraikan’iny fanafihana iny amin’ny fepetra ara-pilaminana ho raisina amin’ny ho avy: 

Tsy maintsy hisondrotra 50 dolara ankehitriny ny saran’ny fiarandalamby (ambanin’ny tany) mba handoavana ireo fepetra ara-pilaminana ho raisina noho iny fanapoahana baomba iny, ary dia hanefa izany am-pifaliana ny vahoaka

— Stalin (@Guille_XX) 9 Septambra, 2014

Ny sasany kosa nanakiana ny fomba nitateran’ny media mahazatra ny vaovao mikasika iny fanapoahana baomba iny:

Efa ampy ny tahotra sy ny rarin-tsaina ateraky ny media. Henjana ilay fanapoahana  baomba, saingy tsy dia mahatsiravina manao ahoana loatra ka hanaovana tabataba be toa izao, ary hamerimberenana  zavatra iray tsy ankijanona.

— Marco Torres Saldías (@mtorressaldias) 9 Septambra, 2014

Mamafaza fankahalana dia hijinja korontana goavana ianao…Manana andraikitra lehibe amin’ity fanapoahana baomba ity ireo Foibenà Fahitalavitra sy ny politikam-pitanteram-baovaon’izy ireo izay mampisara-bazana.

— Mr. Edu VIP (@EduContreras) 8 Septambra, 2014

Misy amin’ireo mpampiasa Twitter no mifampihantsy,  olona mahamenatra izay nampiasa iny trangan-javatra iny mba hanaovana vazivazy sy hanaparitahana “memes”:

Heveriko  fa adalàn’ny olona ny manao vazivazy mikasika ireo zava-nitranga ireo, indrindra moa fa nisy ny faharatràna. Mety hiharan’izao daholo na iza na iza.

— P. Alberti (@PCh2012) 8 Septambra, 2014

Maro ny mpampiasa aterineto no nanisy fifandraisana amin’ny tranganà herisetra hafa niseho tao Chili sy tamin’ny toeran-kafa eran’izao tontolo izao:

Mahatahotra ny fanapoahana baomba. Eritrereto izany ! Mahatsapa tahotra sahala amin’izany koa ny mponina ao Araucania ary dia mety tsy noraharahian’ny Governemanta izany.

— José Francisco Lagos (@Josefcolagos) September 8, 2014

Alaivo sary an-tsaina ange fa raha toa ka efa tena naha-lasa adala ny rehetra ity fanapoahana baomba ity, eritrereto hoe tokony hanao ahoana ny manjo ireo Palestiniana misedra daroka baomba andro aman’alina.

– Rodrigo Baratheon (@rodrimg) 8 Septambra, 2014

Ny fifandirana nisy teo amin’ireo antoko politika samihafa ao Chili angamba no tena adihevitra lehibe indrindra teo amin’ny resaka nifanaovana tamin’ny aterineto, izy ireo izay te-hanameloka sy hiala bala araka izay azo atao amin’ny fanomezan-tsiny:

Tsy fantatro na iza no tena mampihoron-koditra: ireo an-jorom-bala mpametraka baomba, sa ireo fasista mpanao ny jadona izay miezaka ny hahatakatra izany.

— Salem Saberhagen (@alfonsopatrick) 9 Septambra, 2014

Tsy misy mpandàla ny fanjakan’i baroa tena izy mety hanapoaka baomba hamely ny sokajin’ny mpikarama (mpitrongy vao homana).

— Hija del Jardinero (@elyglezm) 8 Septambra, 2014

Mahasosotra ahy izany ! Satria mitapi-maso ireo hery ankavia ary tsy mihaiky fa ratsy ny filohan’izy ireo? Manamarina izay tsy azo hamarinina ry zareo.

— Pili Varela (@PilarAnrrea) 9 Septambra, 2014

Manahy ny olona sasany, toa an’i Marcel Rios,fa hampihombo ny fisaraham-bazana izay efa nisy teo amin’ny fiarahamonina shiliana iny fanapoahana baomba iny:

Tena mampihoron-koditra ny famakiana ireo fanehoan-kevitra momba iny  fipoahana iny…rediredy sy hasiahana.

— Marcela Rios (@mriost) 8 Septambra, 2014

Nizara izao eritreritra izao tamin’ny Facebook i Jorge Baradit, mpanoratra :

No me importa quiénes pusieron la bomba en el metro Escuela Militar. Quienes hayan sido dejaron la agenda a favor de la derecha de este país.

Si fueron de extrema derecha, felicitaciones y no me extrañaría, tienen historia matando a su propio pueblo. Si fueron de extrema izquierda, me faltan palabras para decirles lo imbéciles que fueron. Manga de pelotudos, tratando de derribar el sistema destruyendo un puesto de completos.

Hay una trabajadora municipal, una señora, con sus dedos amputados. ¿Atacar a la clase obrera era el objetivo? Pregúntenle a cualquier trabajador de este país si en los ‘80 le tenían miedo al FPMR, si alguna vez pensaron que podrían atacar a los trabajadores, incluso a civiles cualquiera durante la dictadura.

Hay una diferencia entre luchadores sociales y putos terroristas que dañan a los trabajadores que dicen defender.

Tsy ahoako na iza na iza no nametraka ilay baomba tao anatin’ny toby fiantsonan'ny fiarandàlamby Escuela Militar. Olona izay nampirona ny mizana ho any amin’ny hery ankavanana eto amin’ity Firenena ity.

Raha toa ka avy amin’ny farany havanana izy ireo, dia arahabaina, ary tsy mahataitra ahy izany – manan-tantara amin’ny famonoana ny vahoakany ihany izy ireo. Raha toa kosa ka avy amin’ny farany havia, dia tsy ampy ny teny hilazàna ny tena maha-foka azy ireo. Andian'olona kaondrana, izay miezaka ny handrodana ny rafitra amin’ny alalàn’ny famotehana toeram-pivarotana “hot dog”.

Nisy mpiasa an-tanàn-dehibe iray, vehivavy, no voatery notapahana rantsan-tànana. Ny hamely ny sarangan’ny mpikarama ve no tanjona? Anontanio ireo mpikarama eto amin’ny Firenena raha toa ka natahotra ny FPMR izy ireo tamin’ny taona 80, raha toa ka nisy fotoana niheveran’izy ireo fa mety hamely ny mpikarama, na ny sivily ny FPMR, nandritra ny fitondrana jadona.

Misy fahasamihafana eo amin’ireo mpikatroka ara-piarahamonina sy ireo mpampihorohoro tsivalahara manao ratsy amin’ireo mpikarama nefa mihambo ho miaro azy ireo.

Nanoratra koa I Baradit tamin’nyTwitter hoe:

Azoko ny hatezeran’i Chili, izay efa tena mila ho voan’ny rarin-tsaina goavana, saingy inona moa no soa azo avy amin’ny fifampitifiran’ny rehetra.

— baradit (@baradit) 8 September, 2014

Tsy naharesy lahatra ny rehetra anefa ny voalazan’i Baradit. Diniho ireo hevitry ny olona toa ny an’i Emilio Burgos :

Raha manakiana ilay fanapoahana baomba amin'ny “sisiny” tsy ankasitrahanao ianao? Fifankahalana lalina no teraka sy mitombo eo amin’ireo izay tsy miraharaha akory ireo fironan-kevitrao.

— Emilio Araya Burgos (@emilioarayab) 8 September, 2014

Mba anarahana ilay resaka, manoro ny diezy #BOMBAZO sy #EscuelaMilitar ny Global Voices.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.