- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Gambia: Bilaogera Voasambotra, Avy Eo Navotsotra Noho Ny Fitomboan'ny Fahatezerana Tao Amin'ny Aterineto

Sokajy: Fahalalahàna miteny, Lalàna, Mediam-bahoaka, Sivana, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

Nitatitra ny fampahalalaham-baovao tsy miankina [1]tamin'ny 8 Novambra 2014 fa notànan'ny Sampam-pitsikilovana Nasionaly (NIA) i Sait Matty Jaw, bilaogera, mpikatroka sosialy [1], ary mpiaro ny zon'ny vehivavy sy ny tovovavy. Navotsotra tsy nisy fiampangana izy tamin'ny 12 Novambra 2014.

Voalaza fa nisy naka an-keriny tao amin'ny faritry ny Oniversiten'i Brikamailay mpampianatra tantara ao amin'ny Oniversiten'i Gambia tamin'ny 5 Novambra 2014. Malaza ratsy ho nampijaly sy nametraka ny fanagadrana nohalavaina tsy misy fitsarana ny NIA.

Sady tsy nanamafy no tsy nandà ny fisamborana an'i Jaw, izay niverina avy ao Baku, Azerbaijan vao haingana taorian'ny Forum Manerantany hoan'ny Tanora mikasika ny politikan'ny tanora manerantany ireo manampahefana Gambiana.

Gambia_MattyJaw

Sait Matty Jaw, sary tao amin'ny pejy Facebook manohana azy.

Araka ny lalàmpanorenan'ny Repoblikan'i Gambia, tsy azo tazonina mihoatra ny 72 ora ny olona iray raha mbola tsy nentina teo anatrehan'ny fitsarana. Mitaky ihany koa ny lalàna fa tokony ampahafantarina ao anatin'ny telo ora nisamborana azy ny anton'ny fisamborana olona iray. Nitranga nandritra ny fitsidihan'i [2] Christof Heyns, izay Mpampaka-teny Manokan'ny Firenena Mikambana momba ny famonoana ho faty ivelan'ny fitsarana, famonoana izay rehetra hita na izay olona kendrena manokana tsy amin'antony, sy i Juan Méndez, Heyns, izay Mpampaka-teny Manokana momba ny fampijaliana sy ny habibiana na ny tsy fanajana ny maha-olona sy ny fanasaziana hafa, noho ny fanasan'ny governemanta azy mirahalahy ireo, ny fisamborana an'i Jaw raha sambany nitsidika [2] ny firenena ry zareo ireo.

Nitsikera mafy ireo fikambanana misahana ny zon'Olombelona amin'ny faharatsian'ny fanajàna ny zon'olombelona ao amin'ny firenena navoakan'ny fanadihadiana manerantany mivoaka ara-potoana vao haingana ao Geneve, Soisa.

Nahazo “tiako” maherin'ny 250 tao anatin'ny roa ora nitsanganany ny pejy Facebook Avotsory i Sait Matty Jaw [3], natsangana tamin'ny 8 novambra. Nameno ny pejy tamin'ny fanehoan-kevi-pahatezerana mikasika ny fisamborana an'i Jaw ireo mpianatra, namana sy mpikatroka namana ao Gambia sy any ivelany. Isatou Jeng, mpikatroky ny zon'ny vehivavy sy ny tovovavy nilaza hoe:

I know how much he loves the Gambia and his passion to make the world a better place for all. #FreeSaitMattyJaw [4] The Gambia needs him!!

Fantatro ny haben'ny fitiavany an'i Gambia sy ny fitiavany hanao izao tontolo izao ho toerana tsara kokoa honenan'ny rehetra. #FreeSaitMattyJaw [4]. Mila azy i Gambia

Aisha Dabo [5], mpanao gazety mpitsoa-ponenana Gambiana izay nanangana ny pejy Free Sait Matty Jaw, [Avotsory i Sait Matty Jaw] [3]nanoratra hoe:

I call on Gambian authorities to free Sait Matty. I dont think there is any need to detain him if he is just helping NIA with their investigation #FreeSait [6] . it is unfortunate that this youth who is contributing a lot to the country's development is detained as UN special rapporteurs on torture and executions are visiting the country…..the message It's the State's obligation to make sure citizens rights are upheld #freeSait no matter the alleged crime they have committed.

Miantso ireo manampahefana Gambiana aho mba hamotsotra an'i Sait Matty. Tsy mino aho fa mbola ilaina ny fitànana azy raha nanamora ny asan'ny NIA tamin'ny fanadihadian'izy ireo izy #FreeSait [6]. Mampalahelo fa nogadraina ity tanora izay manampy betsaka amin'ny fampandrosoana ny firenena ity raha tonga nitsidika ny firenena ireo mpampaka-teny manokan'ny Firenena Mikambana misahana ny fampijaliana sy ny famonoana ho faty ….. hafatra : Adidin'ny Fanjakana ny miantoka ny fanajana ny zon'olombelona  #freeSait na inona na inona heloka voalaza fa vitan'izy ireo.

Ousman Darboe JC, mpisera Facebook Gambiana nangataka tamin'ireo mpitarika ny Vaomieran'ny Tanora sy ny vondrona tanora mpikatroka ao amin'ny firenena mba hitsangana manoloana ny fisamborana sy ny fanagadrana:

My fellow Gambian youths activists, the leadership of Gambia youth council. are we going to became more powerless that we cannot even talk about the arrest of our iconic, inspiring youth leader who serve almost every youth platform in Gambia. Are we going to allow the culture of silence to overcome us for not to talk about the injustice and unlawful detention of Sait Matty Jaw. My fellow youths, we all need to remember that the only way to fight powerless and culture of silence is to gain a greater consciousnesses. Am I going to ask about our consciousnesses? I urge the Gambia youth council and all the youth activist group to send a clear message to the authority responsible for his arrest and detention for immediate release. Free Sait Matty Jaw [7]

Ry namako tanora mpikatroka Gambiana, ny fintantanan'ny Vaomieran'ny Tanora ao Gambia. Mihamalemy ve isika ka tsy afaka na dia ny hiresaka momba ny fisamborana ny olo-malazantsika aza, mpitarika tanora mpanone aingam-panahy ireo sehatry ny tanora eto Gambia. Avelantsika handresy antsika ve ny kolontsain'ny fahanginana ka tsy hiresaka momba ny tsy rariny sy ny fanagadrana tsy ara-dalàna an'i Sait Matty Jaw isika. Ry tanora namako, mila mahatsiaro isika rehetra fa ny fomba tokana hiadiana amin'ny fahalemena sy ny kolontsain'ny fahanginana dia ny fananana fahatsapan-tena goavana. Andeha hanontany momba ny fahatsapan-tenantsika ve aho? Mandrisika ny vaomieran'ny tanora ao Gambia sy ny vondrona mpikatroka tanora aho mba handefa hafatra mazava hoan'ny manampahefana tompon'andraikitra mba hamoaka tsy misy hatak'andro an'i Sait Matty Jaw. . Free Sait Matty Jaw [7]

Nilaza ny loharanom-baovaon'ny fianakaviana fa navotsotra i Jaw herinandro taorian'ny fisamborana azy ary tsy nisy ny fiampangana azy. Ho setrin'izany, Omar Sambou, filohan'ny Oniversiten'ny Sendikan'ny Mpianatra ao Gambia nanoratra [8] tao amin'ny pejy Facebook-ny:

Alhamdulila, As said earlier, the Union and in constant consultation with the Administration and the Family of our beloved brother Sait Matty Jaw [9] has been on the dialog. Sait is back home. I humbly thank you all for your understanding and patience. For those that have been insulting me based on your feelings i still beg for your forgiveness and never mean to hurt anyone. Thanks for your concerns. Lets all remember that for the Gambia our homeland, we strive and work and pray that all may live in unity, freedom and peace each day.

Alhamdulila, araka ny voalaza eo aloha, teo am-piraharahana hatrany ny Sendika sy ny Fitondrana ary ny Fianakavian'ny rahalahy malalantsika Sait Matty Jaw [9]. Tafaverina any an-tokantranony i Sait. Misaotra am-panetre-tena anareo rehetra tamin'ny fahatsapahan-tena sy ny faharetana aho. Hoan'ireo izay manompa ahy noho ny fahatsapatenanareo, mbola mangataka ny famindramponareo aho ary tsy te-handràtra na iza na iza. Misaotra noho ny fiahiahinareo ny amiko. Aoka hahatsiaro ny rehetra fa hoan'i Gambia, tanindrazantsika, miezaka mafy sy miasa ary mivavaka isika mba hiaina ao anatin'ny firaisankina, fahalalahana sy ny filaminana isan'andro ny rehetra.

Nifaly [10] tamin'ny famotsorana an'i Jaw i Sam Phatey, Gambiana mpikatroka hoan'ny rariny ara-tsosialy, ary niantso ny hampitomboana ny ezaka mikasika ny fahalalahana hoan'ireo gadra politika sy ireo gadra hafa:

Confirmed! Sait Matty Jaw has been released now according to a close family source! FREE AT LAST! FREE AT LAST!! Sait Matty Jaw [9] is FREE AT LAST!!! #HopeIsYou [11] The fight continues – Free Momodou Sabally, Free Amadou Sanneh [12], Free Alhaji and Ebou, Free All Political Prisoners.

Voamarina! Navotsotra i Sait Matty Jaw androany araka ny loharanom-baovao avy amin'ny fianakaviana akaiky! NAVOTSOTRA IHANY! NAVOTSOTRA IHANY!! Navotsotra ihany i Sait Matty Jaw [9] !!! #HopeIsYou [11] (Manantena anao) mbola mitohy ny tolona – Avotsory i Momodou Sabally, Free Amadou Sanneh [12], Avotsory i Ebou, Avotsory Ny Gadra Politika Rehetra.

Nosamborina niaraka tamin'ireo roa hafa ((Ghaniana sy Nizeriana tsy fantatra anarana) i Sait Matty. Mbola tsy fantatra hoe rahoviana no avotsotra ireo roa hafa.