- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fihaonan'ny Global Voices (Meetup) Voalohany Ao Accra, Ghana

Sokajy: Afrika Mainty, Ghana, Mediam-bahoaka

Taorian'ireo andiana fihaonana nahitam-pahombiazana tao amin'ireo tanàna enina manerantany tamin'ny taona 2013 sy ireo fihaonana hafa tamin'ity taona 2014 ity [1], faly mampandre ireo mpikambana ato amin'ny Global Voices ao Ghana fa hotontosaina amin'ny Asabotsy 15 Novambra ao Accra ny Fihaonan'ny Global Voices voalohany ao Ghana .

Hokarakarain'ilay mpikambana ato amin'ny Global Voices, Kofi Yeboah (@Kofiemeritus [2]) sy tohanan'ireo mpikambana GV hafa roa: Mac-Jordan Degadjor (@MacJordan [3]) sy Linda Abena Annan (@MsAbenaAnnan [4]) ny fihaonana, ary miaraka amin'ny iSpace [5] ao Anumansa, Lokko, lalana, 146 East X'Borg Estates, OSU. Hanomboka amin'ny 5 maraina GMT ny hetsika. Ilaina ny misoratra anarana mialoha (jereo eto ambany raha mila vaovao fanampiny).

Fotoana iray hoan'ireo mpianatra, bilaogera sy mpisehatra eo amin'ny tontolon'ny fampitam-baovao an'olo-tsotra ity Fihaonana ity mba hizarana traikefa sy hianarana momba ny asan'ny tsirairay. Fanampin'izany, ireto avy no hifantohan'ny hetsika:

Raha liana te- handray anjara ianao, miangavy anao hameno ity taratasy fisoratana anarana [9] manaraka ity. Hahazo fanamafisana amin'ny mailaka mikasika ny fandraisanao anjara ianao. Misokatra ho an'ny rehetra ny hetsika, saingy voafetra ny toerana. Afaka mandefa mailaka any amin'ny rising [at] globalvoicesonline [dot] org ihany koa ianao raha mila fanazavana fanampiny.

Araho ny diezy Twitter #GVMeetup [10] mikasika ity sy ireo fihaonana hafa manerantany.