Tantara tamin'ny 12 Novambra 2014
Fiofanana Mibilaogy Hoan'ireo 35 Lasibatry ny Fanandevozana Tao Maoritania
Liana tanteraka tamin'ny fiofanana momba ny bilaogy voalohany notontosaina tao Maoritania ireo mpandray anjara. Mpandray anjara efapolo no naniry fatratra nianatra momba ny fomba fibilaogina momba ny olana ankehitriny mikasika ny fanandevozana ao amin'ny firenena.
Fihaonan'ny Global Voices (Meetup) Voalohany Ao Accra, Ghana
Hotontosaina amin'ny Asabotsy 15 Novambra ao Accra ny Fihaonan'ny Global Voices voalohany ao Ghana. Fotoana iray hoan'ireo miasa eo amin'ny sehatry ny fampitam-baovao an'olo-tsotra hizarana traikefa ity.
Ankizy Mpitsoa-ponenana Ao Myanmar, Mizara Ny Tantarany Amin'ny Taokanto Ho An'y Maso
Mifototra amin'ireo atrikasa niarahany tamin'ireo tanora mpitsoa-ponenana avy any Birmania, manomana famoahana boky iray hamondronany ireo taokanto nataon'ny ankizy nandritry ny seminera nataony ilay Amerikana mpanoratra, Erika Berg .
Lalao Video Malaza Ahitana Ankizy Japoney Mahita Matoatoa
Nanjary lasa andiana sarimiaina malaza ao Japàna ilay lalao ary toa natao ho lasa kolontsaina iombonana fanondrana avy ao amin'ny nosy-firenena. Lasa hita eny rehetra eny ireo endrik'olona malaza - amin'ny sary amboarina antserasera hampihomehy, amin'ny voatavon'ny Halloween sy amin'ny McDonald.
Feon'ny Fiarahamonina Achuar sy Shuar Alefa Mivantana Antserasera
Tafiditra ao anatin'ny tetikasa Rising Voices Amazonia, hametraka fisiana antserasera amin'ny tenin'izy ireo manokana ny Onjam-peo ao amin'ny fiarahamonina indizeny Achuar sy Shuar ao Amazonia Ekoateriana.
Milaza Ilay Thailandey Mpianatra Fa Mitsikilo Ny Ataony Ny Fitondrana Miaramila
Niresaka tamin'ny Globak Voices momba ny zava-iainany amin'ny fampiroboroboana ny fanovana eo amin'ny governemanta tantanin'ny miaramila ao Thailandy i Nattanan Warintarawet, izay mandala ny famoriam-bahoaka sy ny fahalalaham-pitenenana.
‘Manongana Androany, Voakipily Rahampiso’ Ary #OhabolanaSandokaArabo Mahatsikaiky Hafa #FakeArabProverbs
Miaraka amin'ny toe-draharaha "manahirana" misy ankehitriny ao Afovoany Atsinanana, natombok'ireo Arabo mpampiasa Twitter ny OhabolanaSandoka Arabo mahatsikaiky #FakeArabProverbs mba hitondra endrika miramirana miaraka aminà hanihany kely.