- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Myanmar : Toherin'ny Mpianatra Sy Ny Mpampianatra Ny Lalàna, Lazainy Fa Fanamafisana Ny Rafi-Pampianarana Tamin'ny Andron'ny Jadona Miaramila

Sokajy: Azia Atsinanana, Myanmar (Birmania), Fanabeazana, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona
Students Protesting Outside the Dagon University in Yangon. Photo from Facebook page of Confederation of University Student Unions. [1]

Ireo mpianatra manao hetsi-panoherana ivelan'ny Oniversiten'i Dagon any Yangon. Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'ny Fiombonamben'ny Fikambanan'ny Mpianatry ny Oniversite (Confederation of University Student Unions).

Noheverin'ireo mpianatra, mpampianatra ary ny fiarahamonim-pirenena [2]sasany ho fanitsakitsahana ny fenitry ny zon'olombelona ilay volavolan-dalàna vaovao momba ny fanabeazam-pirenena any Myanmar, vao nolaniana tamin'ny volana Jolay tamin'ity taona ity ary mbola miandry ny fankatoavan'ny filoha. 

Ireo singa ao anatin'ilay lalàna izay heverina fa naha-be adihevitra dia nahitàna ny fameperana ny famoronana fikambanan'ny mpianatra, ny fampivondronana ny rafi-panabeazana ary ny fanizingizinana ny fifehezan'ny fitondrana, ny fanaovana ankilabao ny fanabeazan'ireo foko hafa sy ny fiteniny ary ny tsy fisian'ny fangaraharana teo ami'ny fizotry ny fandaniana ilay lalàna.

Ny fiandohan'ny volana Septambra teo. nisy hetsi-panoherana sy fanehoan-kery nataon'ny mpianatra nanoloana ny Oniversiten'i Mandalay [3], Sagaing [4]ary Yangon, [5]sy ny hafa. Natevenin'ireo fiarahamonim-pirenena maro io hetsika io tato aoriana. I Aung Myo Min [2], talen'ny Fitovian'i Myanmar, dia mihevitra fa tsy mifanojo amin'ny fenitry ny zon'olombelona  io lalàna io ary tsy nahavita nampiditra ny hevitr'ireo vondrona ifotony. Izao no nolazainy :

Eo am-pandalinana ilay volavolan-dalàna, dia hitanay fa misy [politika] tsy mifanaraka amin'ny zavatra takian'ny vondrom-piarahamonina ifotony ilay volavolan-dalàna momba ny fanabeazam-pirenena. Amin'ny maha-mpikatroka mpiaro ny Zon'Olombelona ahy, dia hitako fa marefo ho an'ny fenitry ny zon'olombelona izany, noho izany dia nanapa-kevitra hijoro ho amin'ny fanovàna izahay.

Avy tamin'ny Federasion'ny Mpampianatra any Myanmar [5] ny fanohanana farany ny hetsika, mihevitra ny hanatevin-daharana ilay hetsi-panoherana izy ireo raha toa ka tsy averin'ny parlemanta dinihana io volavolan-dalàna io. Nanao fanambarana tao amin'ny pejy Facebook [6] ofisialiny ny Federasion'ny Mpampianatra any Myanmar  :

Fantatray fa feno fahavononana ny hanafaingana ny hetsi-panoherana am-pilaminana ireo fikambanan'ny mpianatra manerana ny firenena raha toa ka (hoteren'ny mpitondra holaniana) ilay volavolan-dalàna, nefa ataony tsinontsinona ireo fanirian'ny mpianatra, ny mpampianatra ary ny ray aman-dreny sady manalavitra ny fenitry ny Demokrasia ; tohananay tanteraka izany fahavononana izany.

 Nanoratra lahatsoratra iray i Nandar Phone Myint [7] mpiasa ao amin'ny gazety boky  Irrawaddy, hanazavàny ny endrika miteraka resabe ananan'ilay volavolan-dalàna sy ny antony ameloman'io indray ny fifehezana mivangongo ataon'ny fnajakana amin'ny rafi-panabeazana :

Ny antony tsy mampahomby ilay volavolan-dalàna momba ny Fanabeazam-Pirenena dia noho izy narafitr'ireo olona ambony sy nitàna andraikitra lehibe tamin'ny rafi-panabeazana nandritra ny fitondrana jadona miaramila ary mbola natsofony ao anatin'ilay volavolan-dalàna momba ny fanabeazana ny fahavononany hanamafy ny fitantanan'ny foibe sy ny fametrahana ny fameperana.

Tamin'ny 1962, nandray ny fitondrana ny tafika ary nofeheziny tanteraka ny firenena nandritra ny taompolo telo nanaraka. Nisy fifidianana nataon'ny olom-pirenena tsotra tamin'ny 2010 saingy mbola governemanta notohanan'ny tafika ihany.

Nandritra ny vanim-potoanan'ny jadona miaramila, dia naorina tany ivelan'ny tanàna ny Oniversite mba hanakanana ny fivondronan'ireo mpianatra tsy hanao hatsi-panoherana.

Nandritra izany fotoana izany, dia nanao semnera lehibe nanerana ny firenena mba hifanakalozana hevitra momba ny fanavaozana ny fanabeazana tokony arahan'ny firenena ny Tambajotram-pirenena ho an'ny Fanavaozana ny Fanabeazana (National Network for Education Reform – NNER), niforona tamin'ny 2012 ho toy ny tambajotra tsy miankina ary ireo tambajotra maro karazana nahitàna ireo  mpampianatra eny amin'ny Oniversite, ny mpampianatra amin'ny ambaratonga ambony, ny mpitondra fivavahana Bodista, ireo vondrom-panabeazana eny amin'ny foko, ireo vondrona mpanohitra, ny mpampianatra sy ny mpianatra, izay. Notsipihan'izy [8]ireo manokana fa endrika fanavakavahana atao amin'ireo mpianatra manana filàna manokana ny antom-pisain'ilay volavolan-dalàna momba ny fanabeazana :

Na dia eo aza ny faneren'ny firenena hametraka fanabeazana tsy manavakavaka ho an'ireo mpianatra sembana, araka ny Fanekena nataon'ny Firenena Mikambana momba ny Zon'ny Sembana (UN-CRPD), ilay lalàna natolotry ny fitondrana dia milaza fa homena  “fandaharam-pianarana manokana” hanabeazana azy ny ankizy sembana, izay fanavakavahana. Tsy maintsy asiam-panitsiana izany.  

Nandrafitra politikam-panabeazana iray ihany koa ilay tambajotra ary nanolotra izany ho dinihan'ny parlemanta. Ao anatin'ny fanambaràn'izy ireo dia tian'izy ireo ihany koa hampidirina ao amin'ny fandaharam-pianarana ho an'ireo ankizy avy amin'ny vondrom-poko ireo karazam-pitenenana telo, tondroina amin'izany ny fitenim-poko niaviana, ny Myanmar sy ny teny Anglisy. 

Nambaran'i Dr. Thein Lwin [9] mpikambana ao amin'ny NNER ihany koa fa tsy maintsy amporisihina amin'io rafi-panabeazana vaovao io ny mpianatra mba hampiroboroboana ny saina tia mamadibadika :

Mila manana vintana ho afa-mizara ny zavatra iainanay mifandraika amin'ny lesona ianarany any an-tsekoly ny mpianatra. Amin'izao fotoana izao, maro ny mpampianatra no tsy manaiky ny valintenin'ny mpianatra rehefa tsy mitovy amin'ny lesona nadikany izany, antony iray misakana ny fivelaran'ny saina tia mamadibadika ao amin'ny mpianatra.

Ny rafi-panabeazana any Myanmar amin'izao fotoana izao dia fanavaozana ny rafi-pampianarana voafehy fatratra izay manao ankilabao ny kolontsaina sy ny fitenim-poko. Voakiana mafy ihany koa iazy io amin'ny fanafoanana ny asa famoronana sy ny saina mikarokaroka tamin'ny fanamafisana ny fanaovana tsianjery sy ny fitadidiana izany. 

Mampiseho ny fanamby ajoron'ireo mpianatra, mpampianatra, ireo mpianatra amin'ny Oniversite sy ny vondron'ny fiarahamonim-pirenena hanoherana ny rafi-panabeazana jadona am-polo taona maro nandritra ny jadona miaramila ilay andiana hetsi-panoherana; no sady taratry ny tsy fahombiazan'ny mpitondra amin'ny fihainoana ny feon'ny vahoaka ihany koa.