Nieren-doza tamin'ny fanafihana nitranga ny marainan'ny 29 Oktobra 2014 ilay mpahay lalàna Meksikana Ernesto Villanueva, raha iny nitondra fiara tao an-tokontanin'ny Oniversite Nasionaly Mizakatenan'i Meksika (UNAM) iny, sokajian'ny maro ho ivom-pampianarana ambony malaza sy tsara indrindra ao amin'ny firenena. Tifitra maro no nalefa tany amin'i Villanueva tao ivelan'ny tranobe misy ny Ivon-toeram-pikarohana momba ny Lalàna.
Nandany fotoana tamin'ny fandinihana momba ny zo hahazo vaovao, ny fahalalaham-pitenenana, ny mangarahara sy ny fitazonana andraikitra tamin'izay natao i Ernesto Villanueva (@evillanuevamx). Tamin'ny fiandohan'ity taona ity, nosokajiana tao anatin'ireo kandidà azo itokisana ho Mpitantsoroka ao amin'ny Ivon-toerana Federaly Hoan'ny Fahazoam-baovao sy ny Fiarovana Tahiry ao Meksika izy, andraikitra izay miantoka ny fahazoam-baovao.
Tamina lahatsoratra vao haingana nivoaka tao amin'ny gazetiboky Proceso, niampanga ny tsy fisian'ny mangarahara sy ireo tsy fetezana hafa voalaza fa nanaloka ny fanendrena ny talen'ny Ivon-toeram-pikarohana momba ny Lalàna ny Dr. Villanueva, ka nahatafiditra ihany koa ny talen'ny Ivon-toerana teo aloha Diego Valadés. Nitsipaka mafy ny fanambarana nataon'i Villanueva sy niampanga azy ho manao fanalam-baraka ny Ivon-toerana ireo mpampianatry ny oniversite maromaro, mampiasa ny zony hamaly ilay lahatsoratra tao amin'ny gazetiboky .
Ho fanazavana ny anton'ny fifandirana, araka ny filazan'ny Proceso, nihevitra i Dr Villanueva fa mety tafiditra tao anatin'ny fanaovana heloka bevava i Valadés:
Villanueva identificó a Diego Valadés, exdirector del Instituto de Investigaciones Jurídicas, como uno de los que podrían estar detrás del atentado que sufrió cuando manejaba un vehículo Mitsubishi, que recibió por los menos tres balazos calibre 38 de un sujeto desconocido.
Nanondro an'i Diego Valadés, talen'ny Ivon-toeram-pikarohana momba Lalàna teo aloha ho iray amin'ireo atidoha nikotrika ny fanafihana ny fiara Mitsubishi nentiny izay voatifitry ny bala kalibra 38 telo nataona mpitifitra tsy fantatra i Villanueva.
Nilaza ny tatitra fa tsy naratra i Villanueva.
Mpisera Twitter Carlos Brito nizara ny fanehoan-keviny tamin'ny karama nanaovana izao fihetsika feno herisetra izao:
¡YA BASTA! El Dr. @evillanuevamx sufrió hoy un ataque DENTRO de CU. Abrazo solidario. Fuerza. http://t.co/pMyAXk7Wki pic.twitter.com/9oh1ccE6sg
— Carlos Brito (@Britovsky) October 29, 2014
Leo tena leo! Notafihana TAO ANATIN'NY faritry ny oniversite i Dr @evillanuevamx. Miray hina aminy isika. Hery.
Nanohana an'i Ernesto Villanueva ihany koa ilay Meksikana manam-pahaizana momba ny haiamamonina Raul Trejo:
Solidaridad con el Dr.Ernesto Villanueva, @evillanuevamx, que ha denunciado atentado en su contra.El asunto debe ser plenamente esclarecido.
— Raúl Trejo Delarbre (@ciberfan) October 29, 2014
Ho firaisankina miaraka amin'i Dr Ernesto Villanueva, @evillanuevamx, izay niampanga ny fikasana hanapitra ny ainy. Tokony hadihadiana lalina ity tranga ity.
Namoaka andiana lahatsoratra mikasika ny zavamisy ankehitriny ao Meksika i Dr. Villanueva, ka anisan'izany ny tantara momba ny fipoahan'ny herisetra tao amin'ny toerana nahaterahany ao Michoacán sy ny halafon'ny saram-pifindrana fitateram-bahoaka hoan'ireo mpandalo ny tanàna renivohitr'i Meksika.