- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ben'ny Tanàna Teo Aloha Sy Ny Vadiny Voarohirohy Tamin'ny Fanjavonan'ireo Mpianatra Tao An-tanànan'i Mexico

Sokajy: Amerika Latina, Meksika, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Zon'olombelona
Ciudad de México. 8 de octubre de 2014. Foto de  Débora Poo Soto, Demotix.

“Natao sambo-belona izy ireo, ka tianay ho tafaverina velona!” Tanànan'i Mexico. 8 Oktobra, 2014. Sary avy amin'i Débora Poo Soto, Demotix.

Nosamborin'ny [1] polisy federaly tao an-tanànan'i Mexico, renivohitr'i Meksika i José Luis Abarca, ben'ny tanànan'i Iguala teo aloha sy ny vadiny María de los Ángeles Pineda ny maraimben'ny Talata 4 Novambra 2014.

Voamariky ny governemanta sy ny fampitam-baovao ho azo heverina ho atidoha mikotrika ny vela-pandrika nifanaovan'ny polisy sy ireo andian-jiolahy tamin'ny 26 Septambra mikasika ireo mpianatra avy ao amin'ny sekoly ambanivohitra Isidro Burgos [2]ao Ayotzinapa, Guerrero izy roa ireo, izay namoizana ain'olona enina sy naharatrana 20 ary nanjavonana 43.

Efa namoaka fitantarana lalina [3]momba ny fanjavonan'ireo mpianatra 43 ao Ayotzinapa ny Global Voices.

Anisan'irony antsoina hoe “amperora [4] mpifankatia” [4] irony i Abarca sy Pineda ary mpikambana mavitrika ao amin'ny Antoko Revolisiona Demaokratika [5] (PRD), nilaza tena ho antokon'ny foto-kevitra ankavia. Nopetahan'ny media sosialy anarana #LadyIguala [6] i Pineda noho ny endrika hafahafa sy ny jadom-pitondrana izay nitarika azy sy ny vadiny ho voarohirohy tamin'ny fanjavonan'ireo mpianatra. Manakaiky an'i Ayotzinapa, toeran'ny sekoly misy ireo mpianatra ny tanànan'i Iguala, 

Mandritra izany, 39 andro no lasa hatramin'ny nanesorana tamin'ny fomba tsy ara-dalàna ny fahalalahan'ireo mpianatra ary mbola tsy fantatra izay toerana misy azy ireo. Nanao asa tao amin'ireo fasana tambabe maro hita tao akaikin'i Iguala, ao amin'ny fanjakana Guerrero, atsimo-andrefan'ny firenena ny ekipa Antrôpôlôlojika (Haiolombelona) Ara-tsiantifika Arzantina [7], izay niara-niasa tamin'ireo manampahefana Meksikana. Hatramin'izao, tohanan'ny governemanta federaly ny filazan'ny tantara fa tsy misy ifandraisana amin'ireo mpianatra nanjavona ireo ambina nofo mangatsiaka hita tao amin'ireo fasana, saingy tsy mba nanazava kosa ny niavian'ireo nofo mangatsiaka am-polony milevina ao ireo ny governemanta.

Naneho hevitra mikasika ny fisamborana an'i Abarca sy ny vadiny ireo mpisera Twitter marobe. José Adolfo Murat M. nilaza hoe:

Manomboka amin'izay ny tantara politikan'ny polisy. Fa izay ambaran'i Abarca sy ny vadiny no ahafahana miroso lalina kokoa amin'ny raharaha Ayotzinapa.

Amin'ny filalaovan-teny anaran'i Abarca sy ny ohabolana Espaniola “El que mucho Abarca, poco aprieta” (mamafy betsaka izy hijinjana kely») no nanararaotan'i Marilú Herrera hampatsiahivana ny tranga mateti-piseho amin'ny famotsoran'ny fitsarana ireo meloka, anisan'izany i Florence Cassez [11]:

Mamafy betsaka mijinja kely … antenaina fa hanatontosa tsara ny fizotry ny raharaham-pitsarana izy ireo ka tsy hisy mpitsara sasany hamotsotra azy ireo noho ny antony ara-teknika.

Ireo mpisera sasany tahaka an'i Jan_Herzog kosa nampatsiahy fa andro vitsy lasa izay, voalaza fa nosamborina i Abarca, saingy nolavina indray ny fisian'izany avy eo:

Efa vita ve ny fametrahana an'i Iztapalapa? Nisambotra an'i Abarca izy ireo 10 andro lasa izay! RT haingana!

Anaid Villanueva nizara ity hafatra manaraka ity:

Mitaky ny PRD mba hampiharan'ny Lehiben'ny Fampanoavana amin'i Abarca ny lalàna manontolo.

Etsy andaniny, nanamarika i Demian coco fa misy ny zava-dehibe kokoa noho izay tabatabain'ny media amin'ny fisamborana ireo “amperora mpifankatia ” : mamerina ireo mpianatra velona nanjavona 43:

Nosamborin'izy ireo i Abarca saingy mbola tsy hita ireo tena zava-dehibe indrindra, ny fipoiran'ireo mpianatra 43. Natao sambo-belona izy ireo, tianay ho tafaverina velona soa aman-tsara izy ireo.

Manoloana ny fisamborana ireo voalaza fa meloka; tokony hananatontosa fanadihadiana santatra ambavarano ny mpampanoa lalàna, ary raha ilaina, dia mandefa izany any amin'ny fitsarana mba hampandrosoana ny raharam-pitsarana ady heloka bevava