Ireo Tantara Voalohany Miresaka Fiainan-Jazavavy Ao Kyrgyzstan

Vaovao momba ny tetikasa nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices

Roa volana lasa izay, nanomboka nanoratra momba ny tantaranay manokana izahay ary namoaka izany ao amin'ny bilaoginay. Nanomboka nanangona ireo tantaran'ny tovovavy hafa avy ao amin'ny distrika samihafa ao Kyrgyzistan ihany koa izahay. Samy hafa tanteraka ny tantaran'izy ireo.

Tamin'ny mailaka nalefan'izy ireo taminay, nitantara momba ny asa mafy, fanavakavahana, sy ny rafi-pampianarana ao Kyrgyzstan izy ireo sy ny fahatsapahan'izy ireo. Nanoratra tao amin'ny bilaogy i Jibek:

“I am interested in science because it gives us answers to so many of the questions we have in this world. Whenever I told my mother that I wanted to be a scientist, she would tell me that it wouldn’t happen, that it wasn’t for me, and that people wouldn’t take me seriously,”

“Liana amin'ny siansa aho satria manome valiny ireo fanontaniana marobe ananantsika eto amin'izao tontolo izao izany. Isaky ny niteny tamin'ny reniko aho fa te ho lasa siantifika, nilaza tamiko izy fa tsy ho tanteraka izany, tsy natao ho ahy izany, ary tsy handray ahy amim-pahamatorana velively ny olona”

Vao haingana,  nampahafantatra ny vondronay tao amin'ny seminera iraisampirenena ny iray amin'ireo mpandrindra ny Klioban-Jazavavy Mpikatroka. Seminera “Fahatsaram-Piainana, fampandrosoana sy hoavy mahafinaritra hoan'ny tovovavy tsirairay avy” notontosaina tao Almaty, ao Kazakhstan. Nizara izy:

“There were no girls at the conference except me, but the topic of the meeting was about us, about girls! We don't want someone else to represent us, we want to speak for ourselves and discuss and talk about ourselves.”

“Tsy nisy tovovavy ankoatra ahy tao amin'ny fivoriana, kanefa momba anay, momba ny tovovavy ny lohahevitra tamin'ny fivoriana! Tsy mila olon-kafa hisolo-tena anay izahay, te haneho hevitray ho anay izahay ary hiadihevitra sy hiresaka momba anay manokana”.

Efa nahita toe-javatra tahaka izany izahay tamin'ny lasa, raha vao avy nanangana ny kliobanay. Isaky ny misy fivoriana, olona eo amin'ny faha-30 ka hatramin'ny 50 taona eo no niadihevitra momba ny olan'ny tanora, ary tsy dia nisy tanora maro tonga nanatrika izany. Olana ny tsy fanomezan'ny olona fahafahana hoan'ny tovovavy haneho hevitra ho azy ireo.

“I spoke about our values and what we want to accomplish. I said that children are not our future, they are our present. We are here and ready to act. Some women said, jokingly, ‘We are also girls, but already grown girls.’”

“Niresaka momba ny lanjanay sy ny tianay hotanterahina aho. Nilaza aho fa tsy ny ankizy no hoavintsika, ankehitrinintsika izy ireo. Eto izahay ary vonona handray andraikitra. Nilaza tamim-pamazivaziana ny vehivavy sasany hoe, «Tovovavy ihany koa izahay, saingy efa tovovavy lehibe sy matotra.”

Taorian'izany, nihaona tamin'ireo tovovavy avy amin'ny tetikasa izahay ary nampiditra tovovavy roa fanampiny ao amin'ny Vehivavy Mpikatroka ao Kyrgyzstan. Nanapa-kevitra hanatontosa lahatsary izahay tamin'ny Andro Iraisam-pirenena hoan'ny Vehivavy tamin'ny 11 Oktobra tamin'ny alalan'ny fomba fitantarana nentim-paharazana. Afaka mijery ny lahatsary antsoina hoe “Ny Andronay, Ny Feonay!” ahitana dikantsoratra (tsindrio ny bokotra CC) ianao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.