- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ndeha Mba Hitety An-tsary Ny ‘Kianjan'ny Elo’ an'ireo Mpomba Ny Demaokrasia Ao Hong Kong

Sokajy: Azia Atsinanana, Hong Kong (Shina), Shina, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Tsidika, Zavakanto & Kolontsaina
Major landmarks in Admiralty protest site. Image created by DASH. [1]

Ireo teboka fototra ao amin'ny toerana misy ny hetsika ao  Admiralty. Sary nataon'ny DASH.

Nibodo ireo toerana telo lehibe indrindra tao Hong Kong ireo mpanao hetsi-panoherana mpomba sy Demaokrasia, nandritry ny volana iray mahery izao, hitaky rafitra fanendrena malalaka ireo mpirotsaka hofidiana hitondra ny tanàna amin'ny 2017. Hatreto, tsy lasa lavitra ny fifampiresahana teo amin'ireo manampahefana sy solontenan'ny mpianatra mpikatroka mafàna fo — ny governemanta ao Hong Kong misisika amin'ny hoe tsy afaka hovàna ilay kaomity mpanendry natolotry ny manampahefana avy any amin'ny tanibe ary mpomba an'i Beijing no betsaka ao aminy. 

Ho fiomanana amin'ny fibodoana mandritry ny fotoana maharitra, navadik'ireo mpanao hetsi-panoherana ho toy ny tanàna kely voarindra sy misy rafitra manodina azy arry voahaingo taminà hafatra ara-politika avy amin'ny vahoaka sy ireo mpanakanto mpomba ny demaokrasia ilay fitorevahana.

Ny toerana misy ny hetsika ao Admiralty no natao ho toy ny foiben-toerana amin'ilay “Occupy Central”, toerana nanaingàna ny hetsika. Eto ireo mpikarakara no manao ny famoriam-bahoaka sy ny tatitra mikasika ny fivoaran-draharaha farany momba ilay hetsika ho an'ny demaokrasia. Tamin'ny fanisàna farany, tranolay maherin'ny 1.600 no voatsangan'ireo mpanao hetsi-panoherana.

Nanangana sarintany iray ny “Dash”, sehatra ho an'ireo mpianatra mpikatroka mafàna fo, (jereo ny sary ery ambony) anehoana ireo toerana manan-tantara ao amin'ny faritra isian'ny hetsi-panoherana ao Admiralty. Ito ambany ito ny fanazavana fohy momba ireo toerana manan-tantara ireo, arahana sary nalain'i Au Kalun [2], mpanao gazety fahiny no sady bilaogera malaza.

1. Umbrella Square (Kianjan'ny Elo) ao Harcourt Road

Umbrella Square. Photo taken by Au Kalun. [2]

Umbrella Square. Sary nalain'i Au Kalun.

Arabe mahazaka fiara valo mitandahatra mamaky an'i Harcourt sy Connaught no nobodoin'ireo mpanao hetsi-panoherana, niaraka taminà tranolay maherin'ny 1.600 najoro teo. Sarivongana iray, Umbrella Man (Lehilahin'ny Elo), noforoninà mpianatra iray 22 taona avy eny amin'ny anjerimanontolo no mijoro eo amin'ilay nomena anarana hoe Umbrella Square. 

Umbrella Man statue set up by a 22-year-old student. Photo taken by Au Kalun. [2]

Sarivongan'i “Umbrella Man” noforoninà mpianatra iray 22 taona. Saryu nalain'i Au Kalun.

2. Toerana Malalaka Fianarana

Mpianatra marobe no nanaraka ilay fibodoana lakilasy mba handray anjara tamin'ilay fitorevahana faobe. Mba hanampiana azy ireny hanohy ny fianarany na dia eny an-toerana aza, nasian'ireo mpandrafitra seza sy latabatra teny, ary mpampianatra nanolo-tena an-tsitrapo no manome ny fampianarana eo amin'ilay faritra malalaka natao ho solon'ny efitrano fianarana.

Students are reading and doing their homework in the study hall. Photo taken by Au Kalun, [2]

Mpianatra mamaky teny sy manao ny asa enti-modiny eo amin'ny faritra natao hianarana. Sary nalain'i Au Kalun,

3. Ny Rindrina Lennon

Rakotry ny taratasy kely maroloko natao hamelàn-kafatra ny Lennon Wall (Rindrin'i Lennon) ao Admiralty. Manoratra ny faniriany sy ny nofinofiny eo ny olona, mikasika ny hoavin'i Hong Kong, ary dia mametaka azy ireny eraky ny rindrina.

Lennon Wall covered with colorful post-it stickers. Photo taken by Au Kalun [2]

Lennon Wall rakotr'ireo taratasy kely maroloko natao hamelàn-kafatra. Sary nalain'i Au Kalun

4. Rindrin'ny Henatra

Ny “wall of shame” na “rindrin'ny henatra” dia ny vavahady vy eo ivelan'ny foiben-toeran'ny governemanta. Napetraka tamin'ny Aogositra ilay vavahady vy, taorian'ny hetsi-panoherana ny fampiroboroboana ny Zaratany Vaovao Any Avaratra Atsinanan'i Hong Kong. Avy eo dia nanome baiko ireo mpitandro filaminana ny mpitondra ambony tao an-tanàna, ny lehiben'ny mpanatanteraka, mba hanamafy ny fiarovana manodidina ilay tranobe amin'ny fametahana varavaram-by avobe mirefy 2 metatra hanakànana ny olona tsy hiditra ao an-kianja. Navadik'ireo mpanao hetsi-panoherana ho toy ny sehatra ifanakalozana fanehoankevitra sy kiana momba ny governemanta ilay rindrina.

Two-meter high iron gate outside the government headquarter is now called the wall of shame. Photo taken by Au Kalun. [2]

Vavahady vy avobe mirefy 2 metatra eo ivelan'ny foiben-toeran'ny governemanta, antsoina ankehitriny hoe “rindrin'ny henatra”. Sary nalain'i Au Kalun.

5. Fambolena Ambony Tara

Mitohy amin'ny filazàny i Beijing hoe tsy ny Occupy Central no hitondra fanovàna amin'ny fivondronana ara-politika ao Hong Kong, fari-piadidiana iray manokana ao anatin'ny tanibe Shina. Kanefa, isisihan'ireo mpianatra hatrany ny “fanofinofisana ny tsy azo tanterahana.” Fanambaràna iray amin'ny endriny taokanto anehoany an'io fomba fisaina io ny fambolena zavamaniry teo ambony tara (lalambe).

A plant that symbolizes the realization of an impossible dream. Photo taken by Au Kalun. [2]

Zavamaniry iray maneho ny fahatanterahan'ny nofy iray tsy azo tanterahana. Sary nalain'i Au Kalun.

6. Fibahanana Mendri-kaja

Hatramin'ny nandefasan-dry zareo entona mandatsa-dranomaso mba hamaizana ireo mpanao hetsi-panoherana am-pilaminana tamin'ny 28 Septambra dia tsy miala any amin'ireo polisy ny mason'ny vahoaka. Taty aoriana, ny 3 Oktobra, notafihan'ireo tsy mankasitraka ny hetsika “Occupy Central” ireo mpanao hetsi-panoherana tao Mongkok raha ry zareo polisy kosa mody nanao masobe tsy mahita tamin'ilay herisetra. Nolavin'ny polisy ny hoe ry zareo no namela na niara-niasa tamin'ireo jiolahimboto handio ilay faritra nisy ny hetsika ary notsindriany fa ny departemantan'ny polisy dia  “Guang ming lei luo” (光明磊落) – fiteny Shinoa izay midika zavatra betsaka hamaritana ny toetran'olona iray manana ny toerany sy mendri-kaja, mamiratra ary tsotra, mahitsy sy misokatra amin'ny rehetra. Nanomboka nampiasain'ireo mpanao hetsi-panoherana sy ireo mpisera ety anaty aterineto ilay fomba fiteny, nampiarahany tamin'ny esoeso, taorian'ny nivoahan'ilay lahatsary “dark corner” – Zoro Maizina [3].

A hugh blockade set up by the protesters. They called it a "candid" blockade. Photo taken by Au Kalun. [2]

Tohana fibahanana jiolahimboto napetrak'ireo mpanao hetsi-panoherana. Nomen'izy ireo anarana hoe “Fibahanana mendri-kaja”. Sary nalain'i Au Kalun.

7. Zoro Maizina

Ny 14 Oktobra, nanandrana nibahana ilay lalambe fototra tao an-tanàna ireo mpanao hetsi-panoherana, Lung Wo Road, izay mampifandray ny ilany atsinanana sy ny andrefana ao Hong Kong, ho setrin'ny fandiovan'ny polisy ny fanakànana nataony tamin'io andro io. Voapetaka rojo vy ny iray tamin'ireo mpanao hetsi-panoherana ary nentina naka zoro maizimaizina ka tao ireo manamboninahitra polisy niisa fito no nidaroka azy. Voarakitry ny fakantsarin'ny fahitalavitra iray mpamoaka vaovao ho anaty lahatsary ilay fidarohana. Lasa teboka manan-daza ao Admiralty ilay toerana nitrangan'ny herisetra nataon'ny polisy.

The spot where 7 police officers beat up a handcuffed protesters is now marked as dark corner in the google map. Photo taken by Au Kalun. [2]

Ilay toerana nidarohan'ireo polisy fito an'ilay mpanao hetsi-panoherana nofatorany rojo vy, lasa nomarihana ho “zoro maizina” ao amin'ny sarintany google. Sary nalain'i Au Kalun.

8. Fotodrafitrasa

Ireo mpiasa amin'ny sehatry ny fanorenana kosa nametraka fotodrafitrasa, toy ny tohotra ohatra, mba hanampiana ireo olona miampita manapaka ilay lalambe ka hiditra ao amin'ny toerana misy ny hetsika. Ho an'ny trano fandroana natao ho an'ny rehetra eo akaikin'ny foiben-toeran'ny governemanta, nanolotra karazam-pitaovana sy vokatra fikojakojana vatana ny olona, toy ny savony, ny borosy nify, ny lamba famaohana, lamba tsotra mba hahafahan'ireo mpanao hetsi-panoherana mijanona ho madio hatrany mandritry ny filasiana ataony.

You can find all sort of body care items in the public bathroom near the government headquarter. Photo taken by Au Kalun. [2]

Afaka mahita karazana vokatra fikojakojana vatana ianao any anatin'ireo trano fandroana natao ho an'ny daholobe eny akaikin'ny foiben-toeran'ny governemanta. Sary nalain'i Au Kalun.

9. Arabe Sy Tonelina Foana

Ny Connaught Road no isan'ny arabe tototra indrindra ao Hong Kong. Nanova izany kosa ilay fitorevahana faobe ka foana ankehitriny ireo arabe migodàna sy tonelina ary tsy misy setroka avy amin'ny fiara ny rivotra iainana.

The empty vehicle tunnel looks rather surreal. Photo taken by Au Kalun. [2]

Toy ny tsy mampino ny hoe tonelina tsy misy fiara. Sary nalain'i Au Kalun.

10. Tanànan'i Harcourt sy ny Fihodinana Umbrella

Tonga nankeny amin'ireo toerana nanaovana hetsika ihany koa ireo vondron'olon-tsotra izay manandratra ny fahafahana mifidy izay làlam-piainana tiana hizorana. Azonao atao ny mahita olona manenona lamba eny, manamboatra zavatra vita amin'ny hoditra, mandoko ary mamboly zavamaniry eny amin'ny arabe. Endrika maneho ny filàna mandinika ny làlan-kizoran'ny fandrosoan'ny fiarahamonina  ny “umbrella roundabout”, na ilay “Fihodinana Elo”.

A simple weaving machine has been set up in the Harcourt village. Photo taken by Au Kalun. [2]

Fitaovana tsotra fanenonan-damba hita tao an-tànanan'i Harcourt. Sary nalain'i Au Kalun.

Araho ny fandrakofana lalindalina ataonay momba ny : Revolisionan'ny Elo ao Hong Kong [amin'ny teny Anglisy] [4]