- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manome Tsirim-Panantenana Ireo Mpikatroka Mpanohana ny Demaokrasia Indray Ny Fiarahaba ‘Hunger Games’

Sokajy: Azia Atsinanana, Thailandy, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika

Ao amin'ny sary iray mampahatsiahy ny sarimihetsika mpivoaka ao Hollywood, nanao fiarahaba amin'ny rantsa-tanana telo tamin'ny praiminisitry ny firenena teo aloha Yingluck Shinawatra [1] ireo mpanatrika ny fandoroana ny fatin'ny [2] lefitry ny mpitondra tenin'ny Antenimiera, ary izany fihetsika izany dia toa hafatra mangina mitondra fanantenana ho an'i Thailandy.

Fantaro anie azafady : mbola maro ireo Thailandey manohitra ny fanonganam-panjakana mandà ny hogejain'ny miaramila

Io sary nivoaka voalohany tao amin'ny pejy Facebook-n'ny BBC Thailand [5] io dia nisy nizara nihoatra ny in-650 tao amin'io sehatra io ihany ary nihoatra ny in-70 tao amin'ny Twitter, ka ao anatin'izany ny re-tweets avy amin'ireo Thailandey manana mpanjohy betsaka tahaka an'i @toyubomm [6]. Nanangana io pejy Facebook io ny BBC mba hidifiana ny famelezana tsy mitsahatra mahazo ny fanjakana tan-dalàna sy ny fahafahana taorian'ny fanonganam-panjakana tamin'ny volana mey, ka tafiditra amin'izany ny fandrarana ny fivoriana politika sy ny famonjana ireo politisiana sy mpikatroka anjatony manohitra ny fanonganam-panjakana.

Ny fiarahaba mananga-tanana, azo aingam-panahy tamin'ilay horonan-tsarimihetsika “The Hunger Games,” io no noraisin'ny hetsika mpanohana ny demaokrasia ho mari-pamantarana tsy ofisialin'ny mpikatroka manohitra ny fanonganam-panjakana [7]. [7]

Nitranga ity raharaha [8] tao amin'ny Facebook sy Twitter ity tao anatin'ny fotoana nampihenjana ny toe-draharaha tao amin'ny firenena, raha mangeja ny resaka an-tserasera sy ny fahalalaham-pitenenan'ny tsirairay ny fitondrana miaramila. Noraisina ny fepetra hanivanana ny olom-pirenena ao amin'ny tambajotram-pifandraisana sy hibahanana ireo tranonkala manohintohina an-jatony, ka tafiditra amin'izany ny tranonkala Daily Mail [9], avy ao Angletera, tamin'ny herinandro teo, nanambara ny blaogy politika iray ao amin'ny tranonkala ifanoratana aziatika, Bangkok Pundit [10], fa hiato noho ny “toe-draharaha mahalatsaka an-katerena tsy ahafahana maneho hevitra ny politika thailandey ampahibemaso taorian'ny fanonganam-panjakana.”

Raha fihemorana indray eo amin'ny jery ara-pahalalaham-pitenenan'ny vahoaka thailandey ny fanakatonana blaogy tsy manondro ny tompony, dia manome tsirim-panantenana amin'ny hoavin'ny firenena izay efa nandalo tamin'ny fisokafana sy ny demaokrasia indray ny fampielezana sarim-piarahabana amin'ny rantsa-tanana telo tahaka izao.