- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sazy Ara-drariny Sa Be Fampindram-po Loatra? Nahazo Sazy 5 Taona An-tranomaizina i Oscar Pistorius

Sokajy: Afrika Mainty, Afrika Atsimo, Lalàna, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta
Paralympic athlete Oscar Pistorius in court. May 5, 2014 by Ihsaan Haffejee. Demotix.

Ilay atleta Paralaimpika Oscar Pistorius tao amin'ny fitsarana, ny 5 mey 2014. avy amin'i Ihsaan Haffejee. Copyright Demotix.

Nahazo sazy 5 taona an-tranomaizina [1] noho ny vono olona (tsy nahy) nataony tamin'ny sipany tamin'ny herintaona  i Oscar Pistorius, ilay Afrikanina Tatsimo mpihazakazaka notapahin-tongotra roa, Nahazo sazy mihantona 3 taona an-tranomaizina noho ny fampiasana fitaovam-piadiana mipoaka ihany koa izy.

Nihevitra i Pistorius, araka ny filazany, fa olon-kafa miditra an-tsokosoko teo am-baravarankelin'ny efitra fidiovana ao ao an-tranony i Reeva Steenkamp. Ny Fanjakana kosa, araka ny filazan'ilay mpitsara Thokozile Masipa, dia tsy nahavita nanaporofo tsy misy filasalasana fa efa niomana hamono olona i Pistorius .

Niteraka fahalianana ankapobeny manerantany sy fanarahan'ny media akaiky ny raharaha ny fitsarana, fotoana nampihetsika indrindra ny media sosialy [2] tao Afrika Atsimo. Ny didim-pitsarana [3] dia taorian'ilay didy manameloka higadra 77 taona [4] ilay mpihaza Tokatandroka iray tamin'ny Jolay, ka nanafintohina mpisera Twitter maro.

Nihevitra kosa ny hafa fa be fampindram-po loatra ilay mpitsara, fambara mazava amin'ny lesoky ny rafi-pitsarana Afrikana Tatsimo :

Didim-pitsarana mamindra-fo loatra. Manimbazimba ny fiainan'olona mahazo fanamelohana kely kokoa mamono olona noho ny manao hosoka. Mankadoa.

Dimy taona? Mety hivoaka izy afaka roa taona –TSY AMPY!!!

Araka ny lalàna Afrikana Tatsimo, dia mety azo fidiana [9] ho avotsotra izy rehefa afaka valo volana.

Nanontany i Stefanie Ship :

Fa maninona ity tontolo ity raha mamono olona ianao di amahazo fanagadrana dimy taona monja?! Milanja dimy taona ve ny olona iray?!

Tadidio fa ny fanagadrana dimy taona dia midika fa mety ho afaka izy raha afaka roa taona.

Hitan'ny vehivavy androany fa ambany lanja noho ny fangon'ny kiraro fanazarantena angamba ny fiainanay!

Mahamenatra ianao #Masipa TSY RARINY ho an'i Reeva Steenkamps ary fanimbàna ny zon'ny vehivavy sy fanekena ny herisetra an-tokantrano (izay notsipahinao tamin'ny namoahana ny didim-pitsarana)

Fantatro fa tsy izay mahafa-po ny fiarahamonina no atao, saingy tiako raha mba 10 taona farafahakeliny!

Lava kokoa noho ny fotoana holanian'i Oscar any am-ponja ny fitsarana.

Ao amin'ny Facebook, Thapelo Tips Seemise nampitaha [18] ny didim-pitsarana tamin'ny fotoana nandalo hatramin'ny namonoana an'i Steenkamp :

It took 2years to get to a conclusion of 5years imprisonment!!! Justice is a myth in our country ‪#‎OscarTrial‬

Nandany roa taona vao nahavita ny fanagadrana dimy taona!!! anganongano izany rariny izany ato amin'ny firenentsika

Miròna any amin'ilay didim-pitsarana kosa ny hafa:

Mitovy hevitra aho. Fa ny dimy taona no tsara kokoa noho ny fanaovana asa an-terivozona [raharaha hoan'ny fiarahamonina] izay noheverina ho nironan'ny Mpitsara.

Maro loatra ny olona maika hitsara an'i Oscar tahaka ny hoe tonga lafatra ry zareo, efa mahazo fanagadrana izy ka mifalia dia aza be taraina.

Raha tsy jerena izay eritreretintsika momba ny Mpitsara Masipa dia takany tsara ny tanjon'ny fitsarana, hampihavana fa tsy hanameloka.

Tsy ny rehetra no hanaiky ilay didim-pitsarana. Mazava. Saingy nanana fandresen-dahatra nolanjalanjaina tsara ny Mpitsara Masipa

Tsy tokony hanao fehin-kevitra kimaimaika sy hanompa sy tsy hanam-panajàna ny Lalànantsika ny olona.. Mbola azo atao ny mampakatra ny fitsarana.

Ny sasany indray tao anatin'ny tsikitsiky no nanaovany fanehoan-kevitra :

Izaho indray manantena ny fivoahan'ny boky ‘Ahoana ny atao tsy hahavoaheloka amin'ny famonoana olona’

Ka… iza no nifidy ny zo hanao ny sarimihetsika? Izaho manokana mieritreritra fa tsy hanao izany ny Universal

tpt, izany no mahatonga an'i Dewani hamony ny vadiny eto rahalahy a!

Shrien Dewani dia Britanika voampanga ho nanana teti-dratsy [36] hahafaty ny vadiny Anni Dewani mandritra ny volantantely ataon-dry zareo ao Afrika Atsimo. Efa mandeha moa ny fitsarana azy amin'izao fotoana izao.