Mitony ny Afrikana Tandrefana na dia eo aza ny Ebola ary Mampahatsiahy an'Izao Tontolo Izao ny Mahaizy Azy

Screen capture from "Ebola: A Poem For The Living," YouTube.

Pikantsary avy amin'ny “Ebola: Tononkalo ho an'ny velona,” YouTube.

Araka ny efa voamarina dia manakaiky ny 5000 ny matin'ny ebola, ary farafahakeliny 10.000 no voalaza fa tratrany, maro amin'ireo any Afrika Andrefana no mampiasa ny tanjaky ny media vaovao hiadiana amin'ilay aretina.

Iray amin'izany fandraisana an-tanana izany ny Ebola Alert ao Nizeria:

EbolaAlert is an evidence-driven group of volunteer professionals working on Ebola Virus Disease Interventions.

It was created by Doctors but also involves active participation of other professionals from different walks of life.

Vondron'olona manampahaizana miasa amin'ny firotsahana an-tsehatra amin'ny aretina ateraky ny otrikaretina Ebola natao ho vondrona fitaratra ny EbolaAlert.
Dokotera no nanangana azy saingy mandray anjara mavitrika amin'izany ihany koa ireo za-draharaha avy amin'ny seha-piainana hafa.

Mampiasa ny Twitter ilay fandraisana andraikitra hamoaka vaovao isan'andro mifandraika amin'ny Ebola sy hikarakara karajia [chat] ifampiresahan'ny manampahaizana manokana amin'ny olon-tsotra amin'ny ankapobeny:

You can keep abreast of all the necessary information by following our activities on twitter.

From the daily #EbolaNews that is posted between 7AM and 8AM WAT to special activities like #EbolaScience where confusing Ebola issues are cracked and clarified.

The #EbolaChat Sessions are Twitter Events where Experts from around the world are available to discuss chosen topics with the general public. There have been #EbolaChat Sessions on as many issues as you can imagine

Afa-manaraka hatrany ny torohay ilaina ianao amin'ny fanarahana ny zavatra ataonay ao amin'ny twitter.
Miainga amin'ny vaovaon'ny Ebola izay mivoaka anelanelan'ny amin'ny fito maraina ka hatramin'ny valo maraina ora WAT ka hatramin'ny raharaha manokana tahaka ny Haihain'ny Ebola izay hanavazavana sy hamotehana ny resaka mety hampisaritaka momba ny Ebola.
Ny fotoanan'ny karajia miresaka ebola [#EbolaChat] no fotoanan'ny twitter ahazoan'ny olona amin'ny ankapobeny mifampitafa amin'ny manampahaizana manokana avy amin'ny vazantany efatra. Efa nisy ny fotoanan'ny #EbolaChat miresaka ny lohahevitra maro azonao eritreretina.

Ao Sierra Leone, mampiasa ny Facebook i Hannah Foullah iadiana amin'ny fanilikilihana ateraky ny tranga mifandraika amin'ny Ebola. Izy no mitarika ilay fanentanana “Beauty for Country: I am 100% Sierra Leonean, Not a Virus” [Hatsaran-tarehy ho an'ny Firenena: Sierra Leoneana zato isanjato aho, fa tsy viriosy] miaraka amin'ireo mpiray tanindrazana aminy Elvinah Ade Johnson sy Haja Mariatu Thomas.

Ao amin'ny lahatsary nivoaka ao amin'ny fantsona YouTube-n'ny BBC Africa i Foullah no milaza fa ny hanamafisana ny fanondroana maha-Sierra Leoneana no tanjon'ny fanentanana.

Indreto ambany indreto ny sasantsasany amin'ny sary hita ao amin'ny pejy Facebook “Beauty for Country” [Hatsaran-tarehy ho an'ny Firenena] :

Beauty for Country photo posted on  Hannah Foullah Facebook page.

Sary Hatsaran-tarehy ho an'ny Firenena nalefa ao amin'ny pejy Facebook-n'i Hannah Foullah [Sierra Leoniana aho fa tsy viriosy].

ebola2

ebola3

ebola4

Any Etazonia, misy fikambanana iray miorina ao Nashville antsoina hoe United Methodist Communications niasa niaraka tamin'ny Chocolate Moose Media sy ny iHeed hanangana sarimiaina iray, “Ebola: A Poem For The Living,” [Ebola: Tononkalo hoan'ny velona] ampiasaina any Afrika Andrefana mba hamafa ireo anganonganon'ny fomba fielezan'ny Ebola. Asongadin'ilay lahatsary ihany koa ny fomba isorohana ny fielezan'ny aretina. Efa mikasa ny handika ilay sarimiaina ho amin'ny fiteny maro ao Afrika Andrefana ny vondrona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.