- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manakana Ireo Sambo Mpitatitra Arintany Ao Amin'ny Seranan'i Aostralia Hanoherana Fahasimban'ny Toetr'Andro Ny Mponin'i Pasifika

Sokajy: Oseania, Aostralia, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana
Photograph shows scenes from Newcastle Harbourthis morning where representatives from 12 Pacific Island nations came to raise awarness of climate change by blockading the movements of coal ships.Photograph by Dean Sewell/Oculi for 350.org.Photograph taken Friday 17th October 2014.

Saripika mampiseho ny zavamisy ao amin'ny seranan-tsambon'i Newcastle nitongavan'ny solontena 12 avy ao amin'ny firenena nosy 12 ao Pasifika hanaitra momba ny fiovan'ny toetr'andro amin'ny alalan'ny fanakanana ny fivezivezen'ny sambo mpitatitra arintany. Saripikan'i Dean Sewell/Oculi for 350.org. Zoma 17 Oktobra 2014.

Ity lahatsoratra ity dia nosoratan'i Aaron Packard ho an'i 350.org [1], fikambanana iray mandrafitra ny hetsika manerantany miady amin'ny fahasimban'ny toetr'andro, ary navoaka ihany koa ato amin'ny Global Voices noho ny fifanarahana hifampizara vontoaty.

Nivoy lakana mandra-pahatonga tao amin'ny seranan'i Newcastle [2] ny mpiadin'ny toetr'andro ao Pasifika an'ny 350.org, izay arahin'ny Aostraliana an-jatony ary nifanandrina tamin'ireo sambo goavana mpitatitra arintany tamin'ny 17 Oktobra. Tena adin'i Davida sy Goliata tokoa.

Miseho tanteraka ny herimpon'ireo mpiady rehefa niatrika ireo indostrian'ny solika milevina ambanin'ny tany, izay mampidi-doza ny fonenany ry zareo. Tamin'ny fampiasana lakana (canoes) tarihim-pivoy voasokitra, miara-dalana amin'ireo kayaks aostraliana am-polony, ry zareo no nahavita nanakana sambo folo tokony handalo ny seranan-tsambo fanondranana arintany tao Newcastle. Fa ny tena zava-dehibe, dia nijoro tokoa ireo mpiady ary re mafy sy mazava ny hafatra nalefan-dry zareo: tsy rendrika ry zareo fa miady.

Raha mbola manohy ny diany ireo mpiady ireo, ampio izahay hizara ny tantaran-dry zareo feno herim-po — zarao amin'ny namanao ny tantaran-dry zareo [3]. Mbola hiady hatrany ry zareo, fa tsy afa-manao izany samirery. 

Toy izao ny fisehony: 

Photograph shows scenes from Newcastle Harbour where representatives from 12 Pacific Island nations came to raise awareness of climate change by blockading the movements of coal ships.Photograph by Jeff Tan for 350.org.Photograph taken Friday 17th October 2014.

Saripika mampiseho ny seranan-tsambon'i Newcastle nitongavan'ny solontena 12 avy ao amin'ny firenena nosy 12 ao Pasifika hanaitra momba ny fiovan'ny toetr'andro amin'ny alalan'ny fanakanana ny fivezivezen'ny sambo mpitatitra arintany. Saripikan'i Jeff Tan ho an'i 350.org. Zoma 17 Oktobra 2014.

Photograph shows scenes from Newcastle Harbour where representatives from 12 Pacific Island nations came to raise awareness on climate change by blockading the movements of coal ships.Photographs by Dean Sewell/Oculi for 350.org.Photograph taken Friday 17th October 2014.

Saripika mampiseho ny zavamisy ao amin'ny seranan-tsambon'i Newcastle nitongavan'ny solontena 12 avy ao amin'ny firenena nosy 12 ao Pasifika hanaitra momba ny fiovan'ny toetr'andro amin'ny alalan'ny fanakanana ny fivezivezen'ny sambo mpitatitra arintany. Saripikan'i Dean Sewell/Oculi for 350.org. Zoma 17 Oktobra 2014.

Photograph shows scenes from Newcastle Harbour where representatives from 12 Pacific Island nations came to raise awareness on climate change by blockading the movements of coal ships.Photograph by Jeff Tan for 350.org.Photograph taken Friday 17th October 2014.

Saripika mampiseho ny seranan-tsambon'i Newcastle nitongavan'ny solontena 12 avy ao amin'ny firenena nosy 12 ao Pasifika hanaitra momba ny fiovan'ny toetr'andro amin'ny alalan'ny fanakanana ny fivezivezen'ny sambo mpitatitra arintany. Saripikan'i Jeff Tan ho an'i 350.org. Zoma 17 Oktobra 2014.

Photograph shows scenes from Newcastle Harbour where representatives from 12 Pacific Island nations came to raise awareness on climate change by blockading the movements of coal ships.Photographs by Dean Sewell/Oculi for 350.org.Photograph taken Friday 17th October 2014.

Saripika mampiseho ny zavamisy ao amin'ny seranan-tsambon'i Newcastle nitongavan'ny solontena 12 avy ao amin'ny firenena nosy 12 ao Pasifika hanaitra momba ny fiovan'ny toetr'andro amin'ny alalan'ny fanakanana ny fivezivezen'ny sambo mpitatitra arintany. Saripikan'i Dean Sewell/Oculi for 350.org. Zoma 17 Oktobra 2014..