Namely ny faritra Avaratr'i Andhra Pradesh sy ny faritra Atsimon'i Odisha ny rivodoza “Hudhud“, voasokajy ho “tena mahery vaika”, ny Alahady 12 Oktobra tamin'ny 12 ora tany an-toerana. Tsy hita noanoa ny fahavoazana. Araka ny tatitra farany, rivotra manodidina ny 200 kph (124 mph) no mamely ny morontsiraka, izay namono olona 6 fara fahakeliny.
Visakhapatnam ao Andhra Pradesh, izay ahitana olona roa tapitrisa sy seranan-tsambo iray lehibe, no tena voa mafy indrindra, noho ilay rivo-doza nanapaka ny fifandraisan-davitra tao an-tanàna. Ny Alahady alina, nikisaka namakivaky an'i Andhra Pradesh sy ireo faritany mifanolo-bodirindrina aminy ilay rivo-doza, nihena ny herin'ny rivotra: 120 – 130 kph (77 mph eo ho eo).
RT @potuku: #hudhud devastates. No power. No news. Uprooted trees in the streets. Praying for safety #Vizag
— The Earthwoman (@tw_bhav) October 12, 2014
RT @potuku: nandrava i #hudhud. Tsy misy herinaratra. Tsy misy vaovao. Hazo mianjera eraky ny làlana. Mivavaka ho an'ny filaminana #Vizag

Niforona tamin'ny 8 Oktobra 2014, nikisaka namakivaky ny ranomasina tao Bengal i Hudhud. Tarika mpanao vonjitaitra avy amin'ny NASA Goddard MODIS. Fizakàmanana Demotix.
Nandritra ny andro maro, tao anatin'ny fisavoritahana momba ny fahatongavan'ny Hudhud ireo media Indiana. Hamaliana ny fisaritahana tany anatin'ireo vaovao, hatramin'ny fahatsiarovana ny Super Cyclone tamin'ny 1999 sy ilay rivodoza “Phailin” tamin'ny herintaona, nifofotra nandrakotra ny tranony tamin'ny gony feno fasika sy namatotra ny tranony tamin'ny tady ireo vondrom-piarahamonina manerana an'i Andhrapradesh sy ny morontsiraka Odisha. Olona 500.000 teo ho eo no niara-nandao ilay toerana, nifindra tany amin'ny toerana azo antoka kokoa, ivelan'ny làlana heverina ho mety lalovan'ilay rivodoza.
Ireo rehetra ireo, na dia teo aza ireo faminavinàna fa tsy hiteraka afa tsy ora-mikija sy rivotra mahery vaika ao Odisha fotsiny i Hudhud. Tao amin'ny Twitter, nitaraina ireo Indiana maro fa ilay fanaingàna fihetseham-po tafahoatra tany anatin'ireo vaovao no tena nahatonga ny fahapotehana be indrindra fa tsy dia ilay rivodoza loatra. Niakatra ireo vidin'ny legioma ohatra, satria nanomboka nitahiry vokatra ireo olona raiki-tahotra. Mazava ho azy fa izany ihany koa no nitranga ho an'ireo entana hafa ilaina ao an-trano. Nivoaka tety anaty aterineto ireo fanahiana momba ireo mpanararaotra sy ny fahavitsian'ny fitaovana:
Some #Odia print #media seem to be marketing #panic through #sensational headlines on #Hudhud.
— prasanna mishra (@swayamvu) October 12, 2014
Toy ny mivarotra #fisavoritahana amin'ny alalan'ny lohateny vaventy #manaitra momba an'i #Hudhud ny #media an-tsoratra sasany ao #Odia.
Nanome fahafahana ireo mpampiasa aterineto ao Inda ihany koa i Hudhud amin'ny fanarahana ilay rivodoza amin'ny fotoana marina avy any amin'ireo toerana lavitry ny orana sy ny rivotra.
A video of #Hudhud #CycloneHudhud for people in the media from 28 storms #Odisha #Andhra https://t.co/lC2uWp6kzO
— Devasis Sarangi (@devasissarangi) October 10, 2014
Lahatsarin'i #Hudhud #RivoDozaHudhud ho an'ireo olona ao amin'ny media avy ao amin'ny “28 storms” #Odisha #Andhra https://t.co/lC2uWp6kzO
Nahasarika ny maro tao Inda ny fanarahana an'i Hudhud, saingy maro no nahita fa hadalàna ny zavatra natao, indrindra fa ao anatin'ny toe-javatra hoe mampitombo ny fahatahorana eny anivon'ny mponina ilay izy.
Cyclone #Hudhud will probably spare most parts of #Odisha as it heads towards Vizag.Insat 3D image taken at 9.30 pm. https://t.co/wDtfJJSqoX
— అంతర్వాణి #SHL #ahf (@Antharvani) October 10, 2014
Mety tsy hahakitika toerana maro ao #Odisha ilay rivodoza #Hudhud noho izy mitodi-doha ho any Vizag. sary 3D an'ny Insat nalaina tamin'ny 9 ora sy sasany alina https://t.co/wDtfJJSqoX
@devasissarangi National media has become idiotic, no news of NE floods, not of #hudhud #Odisha, stop watching them @agrawalakhil
— Bhubaneswar Buzz (@BBSRBuzz) October 8, 2014
@devasissarangi Lasa adala ireo media nasiônaly, tsy misy vaovao momba ireo tondradrano any NE, tsy misy momba an'i #hudhud #Odisha, aza mijery azy ireny intsony @agrawalakhil
Tsy afa-bela tamin'ny politika, mazava ho azy, ilay resaka momba an'i Hudhud. Satria raha namely ny morontsiraka Atsinanan'i Inda ilay rivodoza, variana nitsidika an'i Maharashtra kosa ny Praiminisitra. Raha ny hita, fikambanana maro mpampita vaovao no niaraka tamin'ny Praiminisitra, nitatitra ny fampielezan-keviny momba ny fifidianana amin'izao fotoana izao, raha tokony hanaraka ilay rivodoza any Antsinanana.
The day when #HudHud hits India, marathi media will be cheerleading for #Modi. So much for humanity. #SoldOutMedia pic.twitter.com/nO8QzL5Gp6
— JAI_HIND (@Sunit_B) October 12, 2014
Ny andro namelezan'i #HudHud an'i Inda, nihorakoraka ho an'i #Modi ireo media marathi (ilazàna ny hoe avy ao Maharashtra). Izany no ho an'ny maha-olombelona. #SoldOutMedia pic.twitter.com/nO8QzL5Gp6