- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nanazava ny Lanitr'i Japàna Nandritra ny Adiny Iray Ny Takonam-bolana Feno

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Fahasalamàna, Mediam-bahoaka, Siansa, Zavakanto & Kolontsaina
The lunar eclipse on October 8, 2014, Chiba Prefecture, Japan, by Les Taylor, CC 2.0. [1]

Ilay takonam-bolana feno tamin'ny 8 Oktobra, Fileovan'i Chiba, Japàna, nalain'i Les Taylor, CC 2.0.

Ny 8 Oktobra 2014 teo no fotoana voalohany tao anatin'ny telo taona nahitan'i Japàna takonam-bolana feno. Nifampitaona tany ivelany teo ambanin'ny lanitra midadasika ireo tapaka sy namana rehetra manerana ny nosy, ary nandefa ny fijerin'izy ireo mankany ambony.

Araka ny Tobim-panjakana Fandinihana ny Lanitra ao Japàna [2], afaka nojerena manerana ireo vondro-nosy ilay takonam-bolana feno, afa-tsy tany amin'ny nosy Ishigaki (faritra Atsimo Andrefan'i Kyushu).

Mitranga ny takonam-bolana ampahany rehefa tsy mifanitsy tsara ny masoandro, ny Tany sy ny volana. Toy ny takonam-bolana feno, tsy hita izy ireo raha tsy mandritra ny diavolana. Ny takonam-bolana feno anefa dia mitaky ny fifanitsian'ireo singa telo ireo tsara.

Mandritra ny takonam-bolana feno, bahanan'ny aloky ny Tany tanteraka ny hazavàna avy amin'ny masoandro [2], izay miteraka aloka maizina—ampahany lalina sy maizina indrindra amin'ny aloka—izay hisakanan'ilay singa mpibahana ny loharanom-pahazavàna. Mahita takonam-bolana feno noho izany ny mpijery iray tafiditra ao anatin'ilay aloka maizina.

Naharitra teo amin'ny adiny iray teo ho eo ilay takonam-bolana feno ny 8 Oktobra, izay nanome fotoana malalaka ireo mpijery mba handinihana azy.

Nitondra fomba tsy manan-tsahala maro karazana ireo vahoaka tao Japàna mba hijerena io takonam-bolana io. Ny “yogà mandritra ny takonam-bolana ” ohatra, dia nalaza tokoa.

Tany amin'ny faritr'i Midtown ao Tôkyô, nifampitaona ny vondron'olona iray mba handray anjara amin'ny “yogà mandritra ny takonam-bolana” natao an-kalamanjàna. Novinavinaina hanomboka tamin'ny 7:30 alina ilay seho ary naharitra ora iray, izay faharetan'ilay takonam-bolana.

Raha ny mahazatra dia ao anaty trano no fanaovana yogà miaraka aminà vondron'olom-bitsy, izany no nahatonga ny fisian'ireo mpankafy yogà maro aminà toerana iray akaiky an-kalamanjàna ho seho tsy fahita. Olona 560 teo ho eo no nanatevin-daharana.

Raha nieritreritra aho fa mety hangatsiaka raha hanao izany an-kalamanjàna, dia nahafinaritra ihany anefa ny nivory niaraka tamin'olona 560.

Ny “Tôkyô SkyTree”, ilay tranobe avo indrindra ao Japàna, izay hazavainà jiro LED manga nankalazain'ireo nahazo ny Mari-pankasitrahana “Nobel” Japoney farany [7], ihany koa dia nandray anjara tao anatin'ireo fankalazàna io takonam-bolana io.

Nirotsaka an-tsehatra ny Tilikambon'i Tôkyô, marika iray hafa mivoitra (sady mampanembona ny lasa).

Mirehitra ho mavo kely indray mandeha isam-bolana fara-fahakeliny ny tapany ambanin'ny Tilikambon'i Tôkyô [10] hanamarihana ny takonam-bolana feno, antsoina hoe “Lomboka Diamondran'ny Volana”. Ho an'ilay takonam-bolana, novonoina ireo LED amin'ny tapany ambonin'ilay Tilikambon'i Tôkyô ary narehitra kosa rehefa diavolana. Mba hamoronana tontolo mamofom-pitiavana, dia nandrehitra labozia ihany koa ireo olona tao anatin'ilay tilikambo, teny amin'ny varavarakely 100 teo ho eo tao amin'io tranobe io.

Mijery ilay takonam-bolana feno aho. Mahatonga ny tontolo jerena hahafinaritra be ilay jiro mavo kelin'ny Tilikambon'i Tôkyô sy ilay takonam-bolana.