- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mikatona Noho ny Teritery Ara-politika ny Tranomboky Eny Ambanivohitra Tantanin'Olon-tsotra Ao Shina

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fanabeazana, Mediam-bahoaka
Citizen-run libraries forced to shut down. Chinese social media image via China Digital Times. [1]

Noterena nakatona ireo tranom-boky tantanin'ny olom-pirenena. Sary tao amin'ny media sosialy Shinoa, China Digital Times.

Tsy mitovy amin'ny any antanan-dehibe manankarena kokoa ao amin'ny firenena ny fitaovam-panabeazana azon'ny faritra ambanivohitra ao Shina. Olana fantatry ny rehetra izany hatsana izany, ary fikambanana marobe no natsangana mba hanatsarana ireo fotodrafitrasan'ny tranom-boky ao Shina ambanivohitra ka iantohana ireo ankizy tsy ho atao ankilabao.

Kanefa tsy ankasitrahan'ireo manampahefana Shinoa loatra ny fisantaran'andraikitra tantanin'olom-pirenena, ary noterena nakatona vao haingana ny tetikasa tranom-boky tsy miankina antsoina hoe China Rural Library (CRL) [2] noho ny teritery ara-politika.

Nanambara ny fanakatonana ity tetikasa tranom-boky ity tao amin'ny bilaogy madinika malaza Sina Weibo ny CRL tamin'ny 18 septambra 2014, ary namoaka taratasy misokatra manazava ny teritery natrehin'izy ireo. Nalaza tao amin'ny media sosialy Shinoa ilay taratasy ary nosivanin'ny manampahefana avy eo. Namoaka dika mitovy [3] an'ilay taratasy tao amin'ny Google Plus ny Tranokalam-baovao Tsy Miankina China Digital Times.

Nanambara ny taratasy fa nanomboka nanao teritery tamin'ny tetikasa tranombokin'ny CRL ny Minisiteran'ny Kolontsaina, ny minisiteran'ny fampianarana ary ny biraon'ny polisim-piarovana nanomboka tamin'ny volana Jiona tamin'ity taona ity. Tamin'ny tranga hafa, manafika ireo tranom-boky izay miresaka fivavahana ny manampahefana. Ohatra, noraofina ireo boky momba ny haiamamonina (sosiôlôjia) mahazatra, ny Etika Protestanta sy ny Toetry ny Kapitalisma nosoratan'i Max Weber. Noterena nakatona ihany koa ny sehatra antseraseran'izy ireo itadiavana mpilatsaka an-tsitrapo sy ny magazay fivarotana fahatsiarovana. Tamin'ny volana Septambra, tranomboky 19 manerana ny firenena no noterena nakatona. Nanipika ny [4] CRL fa “tsy nisy tamin'ireo tranombokiny no nakatona an-tsitrapo noho ny antony tsy fahaiza-mitantana”.

Natsangana tamin'ny taona 2007 ny CRL, ny andraikiny dia «manampy ireo tanora eny ambanivohitra mba hivelatra ho toy ny olom-pirenena maoderina salama ” amin'ny alalan'ny fanomezana famakiam-boky maimaim-poana. Tao anatin'izay fito taona farany izay, niara-niasa tamin'ireo sekoly ao an-toerana sy ireo tranombokim-panjakana izy ary nametraka tranomboky 22 manerana ireo faritany 11 ao Shina. Tohanan’ ireo fanomezana sy ny fanohanana avy amin'ny mpilatsaka an-tsitrapo ny tetikasa.

Nahazo diplaoma “master” momba ny ekonomia tao amin'ny Oniverstin'i Peking ny mpanorina ny CRL, Li Yingqiang ary naniry hampiroborobo ny fahaizana abidia sy ny fampianarana amin'ny alalan'ny tranom-boky hoan'ny daholobe rehefa nahita ny tsy fisian'ny kalitaon'ny fampianarana any ambanivohitr'i Shina.

Misy ny milaza fa mety manahiran-tsaina ny manampahefana ny fanomezana avy any ivelany sy ny finoana Kristianina ananan'i Li Yingqiang. Saingy nanazava i Li Yingqiang fa raha nahazo fanampiana madinidinika mitotaly 15.000 euro avy amin'ny Fikambanana Alemana mpanampy ny hafa ny fikambanana, dia Fikambanana Mpanampy ny Hafa natsangan'ny Shinoa monina any ivelany izy io, ary avy amin'ireo olom-pirenena sy fikambanana Shinoa ny fanomezana. Tamin'ny taona 2013, nandao ny toerana maha-lehiben'ny mpanatanteraka ny CRL azy i Li ary nametra-pialàna amin'ny maha-tale azy amin'ny faran'ny taona 2014.

Amin'ny maha-fikambanana mpanao asa soa tsy miditra fivavahana sy ny CRL, nahasarika fanehoan-kevitra maro antserasera ny famoretana manerana ny firenena. Nanome fanazavana [5] mikasika ny fikatonan'ny CRL tao amin'ny Zhihu, sehatra fanontaniana sy valiny ny mpilatsaka an-tsitrapo teo aloha tao amin'ny CRL:

立人的一个问题就是步子走得太快了。原本意义上来说无论是立人乡村图书馆还是大朋友计划还是燃灯者计划还是乡村女生计划都没错,但是在图书馆本身根基并不稳的情况下搞了一个立人大学这本身在我看来就是很作死的行为。立大无论从哪个方o面来说右这个字暴露无疑。

Ny tena olan'ny CRL dia izy mivelatra haingana loatra. Ary maro amin'ireo tetikasany,  anisan'izany ny tetikasa tranomboky hoan'ny daholobe, tetikasa sakaizan'ny antitra [tetikasa fitarihan-dalana], tetikasa fanilo sy sekoly ambanivohitra hoan'ny tovovavy no mbola eo amin'ny fahazazany. Nampitotongana ny fikambanana ny fihetsika sahisahy tamin'ny fananganana ny Oniversite Liren [tetikasa fianarana fahavaratra izay noterena hofoanana ].

Satria sahan'ady lehibe amin'ny tolona ara-potokevitra hanoherana ny soatoavina manerantanin'ny tandrefana tahaka ny “zon'olompirenena” ny fanabeazana, dia voarara ny fandraisana an-tanana ara-panabeazana rehetra ivelan'ny fifehezan'ny Antoko Komonista Shinoa.

Mihevitra [6] ilay mpisera Weibo sy mpanohana ny CRL teo aloha, «Manohy nofy tsy misy” (@ 空空 追梦) fa vokatry ny olana ara-pitantanana fa tsy noho ny teritery ara-poliitika ny fanakatonana:

出了这么大的事。一个本是消极自由的象征的图书馆成了出头鸟,管理层不去反思,自省。一味的用要对NGO动手,是因为“公民”,为了维持愚民政策等大而无当,没有根据的言辞推脱责任、躲避指责,这才是最令我伤心的地方。所以作为知名立人之友,在这个关头,我要泼冷水,敲丧钟,煽风点火。

Fikorontanana tahaka izao. Nanjary tetikasa nikombom-bava ilay tetikasa tranomboky izay natao ho saimbôlin'ny fahalalahana mangina tany am-boalohany. Raha tokony handinika izay zavatra tsy mety, dia misisika miresaka momba ny fitsipiky ny ONG sy ny “olom-pirenena” ary manome tsiny ny politikan'ny governemanta ny tao amin'ny fitantanana. Mahakivy ny mahita ireo olona tsy mandray andraikitra. Amin'ny mahasakaizan'ny Liren ahy, tsy maintsy mandraraka rano mangatsiaka aho, mampaneno lakolosim-pandevenana ary mandrehitra afo amin'izao saropady izao.

Nihevitra kosa ilay mpisera Weibo malaza, “ny anganon'ny asa sosialy” (@社工迷思 [7])” fa avy amin'ny fifandraisana eo amin'ny fitantanan'ny governemanta sy ny ONG ny olana:

多家立人图书馆被关一事让人反思和质疑当下“社会组织大发展”的泡沫形式,行政干预公益是当前ngo面临的巨大挑战,它直接影响着公益慈善和社会组织发展是否正常及健康。

Nanery anay handinika momba ny “fivoarana goavan'ny fikambanana sosialy” ny fanakatonana ny Tranomboky Liren. Fanamby lehibe atrehin'ny ONG ankehitriny ny fitsabahan'ny fitantanam-panjakana. Mamaritra izy raha afaka mivelatra tsara ao Shina ny fikambanana sivily sy mpanao asa soa hoan'ny mpiara-belona.

Profesora Taiwaney Shih-Hung Lo, izay nianatra momba ny fampandrosoana ny firaisamonim-pirenena ao Shina Tanibe, nanoratra [8] tao amin'ny bilaoginy:

在當下的中國大陸,從事民間公益活動已經變成為危險事業,任何自主的民間公益活動,哪怕再怎麼遠離政治,都隨時可能引來當局的粗暴鎮壓。立人鄉村圖書館被關閉的不幸事件,不僅對中國大陸的總體社會發展狀況發出了令人不安的訊號,也將使更多人對漸進改革失去最後一絲希望。

Ao Shina Tanibe, nanjary asa mampidi-doza ny asa soa sy ny firaisamonim-pirenena. Tsy maninona izay fahasarotan'ny fiezahan'izy ireo hiala amin'ny politika, mety ho lasibatry ny fangejana ataon'ny manampahefana koa izy ireo. Marika mampanahy eo amin'ny toe-draharaham-piarahamonina ambanivohitra ankehitriny ny fanakatonana tranomboky any ambanivohitr'i Shina Tanibe, mandrava ny sisa fanantenan'ireo mitady fanovana tsikelikely ao Shina.