Instagram, Toerana Hiadiana: Jamaikàna Artista Mpanao Reggae Mifanandrina Amin'ny Minisitry ny Zavakanto Sy Ny Kolontsaina

Chronixx Live at Reggae Sumfest 2013, photo by beaveronthebeats. CC 2.0.

Sehon’ i Chronixx tamin'ny Reggae Sumfest 2013, sary nalain'i beaveronthebeats. CC 2.0.

Nahatonga ny fahatezeran'i Lisa Hanna, minisitry ny taora sy kolontsaina Jamaikana, i Chronixx, artista mpanao Reggae,tamin'ireo fanehoan-keviny momba ny tsy fahampian'ny fanohanan'ny governemanta ireo zavakanto. Nahasarika ny saina ny fifampiresahan'izy ireo tao amin'ny aterineto, tsy hoe fotsiny noho ireo Jamaikana tia ny kolontsainy, fa satria ihany koa betsaka no gaga hoe amin'ny alalan'ny mediam-bahoaka no hamalian'ny ministra iray ao amin'ny governemanta ilay kiana.

Ao anatin'ny teny miaraka amin'ny sary izay navoakany tao amin'ny Instagram, manome tsiny ny governemanta amperinasa i Chronnix, noho ny tsy fanaovan'izy ireo ny tsaratsara kokoa mba hanohanana ny kolontsaina ao an-toerana, indrindra fa ny mozika reggae:

ihomehezako ny governemantan'i Jamaika! Sy ireo olona mahantra izay mitehaka ho azy ireo sy manangana saina volomboasary sy maitso eo ivelan'ny trano fivorian'izy ireo sy eny amin'ireo hazo nambolena eo amin'ny “tanim-pamaboana”! Ihomehezako ity governemanta dondrona ity, izay tsy mbola nanangana velively trano iray fanaovana seho an-tsehatra ho fanomezam-boninahitra ny mozika reggae, na dia io irery ihany aza sisa no tena antony hitsidihan'ireo olona ity nosy tsara tarehy fa mahantra ity… Ihomehezako satria aho mahafantatra zavatra izay “tsy fantatr'izy ireo”. Ramatoa kely Hanna sy Andriamatoa… tsy mety tadidiko mihitsy ny anarany. Mihevitra aho fa fotoana izao tokony hipetrahana sy hihainoana ny lesona azon'ireo artista avy amin'izao tontolo izao. #linkup

Namaly tamin'ny kaonty Istagram-ny i Hanna, izay manana toerana ao amin'ny parlemanta nasiônaly ihany koa, misolo tena ny St. Ann Atsimo Atsinanana, te hanitsy ny heveriny ho fanoritsoritana mitanila / tsy ara-drariny nataon'i Chronnix momba ny governemanta :

Ankafiziko ny mozika sy ny fahalinanareo. Na dia izany aza, tiako ny mampatsiahy anao fa ianao ireo ihany sy ireo artista hafa dia mahazo tombony amin'ireo fifanarahana ara-barotra izay misy amin'izao fotoana izao ho an'ireo tolotra ara-kolontsaina sy famoronana. Fotoana vitsy lasa izay, namita fivoriana momba ny fifanarahana ara-barotra amin'ny any ivelany ho an'ny tolotra ara-kolontsaina aho satria efa maro amin'ireo kolotsainantsika no tsy misy vidiny any amin'ny varotra iraisam-pirenena. Tanora maro no ilaintsika mba hiditra ao amin'ny fandraharahan'ny kolontsaina. Nanome ireo fitaovana rehetra mba hanofànana ireo tanoratsika aho. Maherin'ny 9000 tamin'ity taona ity. Niantso anao tamin'ny finday ny tenako manokana ary namela hafatra fa tsy nahazo valiny velively. Satria te-handre izay hevitra azo apetraka avy any aminao. Atsaharo ny fanomezan-tsiny sy ny fanaovana an-tsobika iray ireo mpanao politika rehetra. Tsy ara-drariny ilay izy sady diso. Am-pitiavana

Ao amin'ny Twitter, nandefa dikasarin'ilay valinteniny ho an'i Chronixx i Hanna taty aoriana:

Mieritreritra aho fa tokony ho ara-drariny foana isika ao anatin'ny fitsarana ny hafa. pic.twitter.com/oYUnfjwJBv

Nahatonga adihevitra mafàna tao amin'ny Instagram ilay valinteniny, tao anatin'izay, nanontany ireo mpanakiana sasany sao mety haharatsy bebe kokoa ny fanohanana ny zavakanto ao Jamaika ny fandrehetana afom-pifandirana aty anaty aterineto. Ao amin'ny Twitter, somary mifangaro ny  fanehoankevitra: manohana ny minisitra ny sasany, raha ny hafa kosa mieritreritra fa hadisoana ho an'ny mpiasam-panjakana iray ny namaly an'i Chronnix (ao amin'ny Instagram, na ahoana na ahoana)

Lisa Hanna 1: Chronixx 0! pic.twitter.com/crNRoSKWk8

Na dia manana isa iray aza i Hanna.. raha olon-tsotra tery no niteny izay voatenin'i Chronnix, manahy aho hoe namaly izy.

Tokony hahalala ny toerany izy i Lisa Hanna ka tsy nandeha nanambany tena izany toa izao..smh

Tao amin'ny The Jamaican Blogs, navoitr'i Paul Tomlinson fa tsy ilay safidin'i Hanna hoe hamaly an'i Chronnix no olana, fa ny hoe ahoana ny fomba namaliany azy:

Raha tokony hampiasa ilay kiana ho lasa tombony ho azy sy hampiasa fomba fiteny mendrika mba hahazoana rariny, nisafidy ny hanipy ireo mpiara-miasa aminy sasany any ambanin'ny fiara izy raha niteny hoe..“ajanony ny fanomezan-tsiny sy fanaovana an-tsobika iray ireo mpanao politika rehetra…” ary araka ny hevitr'io tsotra izao, te hamorona adihevitra vaovao aty amin'ny mediam-bahoaka, izay tsy handreseny mihitsy.

Taorian'ny fijereny fomba hafa, namaly i Hanna, nodinihan'i Tomlinson izay mety tian'i Chronnix nambara tamin'ilay zavatra nozarainy voalohany indrindra tao amin'ny Instagram:

Ramatoa kely Hanna, i Chronnix miresaka omby, fa ianao miresaka kisoa […] Ny zavatra tenenin'i Chronnix: tsy mozika noforonin'ny mpanakanto atao ho henoin'ireo olona amin'ny iPod fotsiny ny reggae-ntsika, fa toa an'i Japana, Korea Atsimo, Singapour, Soisa ary ireo tanàna hafa ao Eoraopa izay efa nivahinianany, dia mampiasa ny mozika reggae mba hanosehany ny toekareny izy ireo, hamoronana asa sy indostria hafa […] Tsy fotoana hampitsaharana ny kiana izao fa fampiasàna azy ireny mba hivoarana sy hirosoana.

Nofaranan'i Tomlinson tamin'ny teny momba ny anjara asan'ny reggae eo anivon'ny tolotra ho an'ny mpizaha tany ao Jamaika izany:

Ramatoa kely Hanna, niova ilay fiatahana masina izay antsoina hoe Fizahantany, ka tsy nanao na inona na inona tao anatin'ny fivoarana mba hanaovana zavatra hafa ny ministeranao. Manana an'i Louvre i Frantsa, i Grande-Bretagne manana ny Big Ben […] Isika, ankoatry ny zavatra hafa koa, manana ny Reggae. Manorena miainga amin'io. Ovay io. Amidio io. Alaivo ho fanànana. Eo amin'ny ivon'ny fanovàna ny fisian'i Jamaika ho toy ny nosy mandroso mirehareha amin'ny kolontsainy ny ministeranao, ka mampiasa izany ho toy ny ivon'ny fandrosoan'ny ambanivohitra sy ny renivohitra ary fanatsarana ny endriny ivelany. Miasà miaraka amin'ireo mpamoron-javatra vaovao eto amin'ny firenena ary ataovy izay hampirehareha an'i Jamaika, fa tsy ny fanofahofàna saina ataon'ireo mpanohana antoko politikanao fotsiny. Izany no notenenin'i Chronnix. Andao jerena raha hanao ny tokony hatao ianao, Ramatoa Ministra.

Volana vitsivitsy izay, minisitry iray hafa avy amin'ny governemanta, Damion Crawford, nisarika akaiky ny sain'ny rehetra noho ny fanehoankevitra nalefany tao amin'ny Twitter. Ohatra roa mampiseho ny fomba fanovàn'ireo mediam-bahoaka ny fomba hifandraisan'ireo mpanao politika ao Karaiba amin'ny vahoaka ireo zavatra nataon'i Crawford sy Hanna ireo

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.