- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nomen'ny Fitsarana Rosiana Sazy Mihantona 2 Taona Ilay Vehivavy 23 Taona Noho Ny Nizaràny Horonantsary Vetaveta

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Lalàna, Mediam-bahoaka, Sivana, Vaovao Mafana, Akon'ny RuNet, GV Mpisolovava
The dangerous game of RuNet porn. Edited by Kevin Rothrock.

Ny lalao mampidi-dozan'ny votoaty mamoafadin'ny RuNet. Navoakan'i Kevin Rothrock.

Nomelohinà fitsarana Rosiana hahazo sazy mihantona [1] roa taona ny vehivavy iray 23 taona noho ny nandefasany sary mamoafady tsy ara-dalàna tao anaty aterineto. 

Mipetraka any Kemerovo [2], 3218.7 km mahery any atsinanan'i Moskoa, tsy lavitra loatra an'i Novosibirsk, ity vehivavy tsy notononina anarana ampahibemaso ity. Nampangain'ny mpitsara iray ho nandika ny Andininy faha-242 [3] ao amin'ny fehezan-dalàna momba ny heloka bevava ao Rosia izay mandrara ny “fizarana fitaovana mamoafady amin'ny fomba tsy ara-dalàna ” manerana ny aterineto, izy, rehefa nisintona sy nizara horonantsary vetaveta [4]telo [4]tamin'ny volana Novambra 2012 izay nampiasany ny fitaovam-pizarana BitTorrent [5] malaza ao anaty aterineto. Tsy tafiditra anatin'ilay fiampangàna ny resaka fizakàmanana.  

Tao amin'ny fitsarana dia nolavin'ilay voampanga ny filazana fa fantany ihany koa fa mizara votoaty vetaveta izy rehefa nisintona ireo horonantsary, kanefa ireo mpampanoa lalànan'i Kemerovo dia milaza fa niaiky ho nahalala izany izy tamin'ny voalohany nangalan'izy ireo ny solosainany nandritra ny fanadihadiana nataon'ireo.

Ny fikarohana iray momba ny hetsika miariarinà “torrent mamoafady” ao anatin'ny Aterineto Rosiana dia maneho fa mpampiasa ny RuNet an'aliny no misintona sy mizara tsy an-kiato ireo horonantsary vetaveta amin'ny fampiasana ny teknolojia fifampizaràna. Ireo vohikala Rosiana toy ny “porn-uptracker” sy ny “toptracker” ohatra dia milaza fa mpisera maherin'ny 100.000 no efa nijery ireo “torrent trackers” malaza indrindra ho an'ireo horonantsary mamoafady.