- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tselatra Namono Wiwa 11 Tao Kolombia

Sokajy: Amerika Latina, Kolombia, Mediam-bahoaka, Teratany, Tontolo_iainana, Voina
Pueblo Indígena en la Sierra Nevada por el Usuario  Sailing Nomad en FLickr bajo LIcencia CC by 2.0 [1]

Tanàna kely indizeny ao Sierra Nevada, sary avy amin'ilay mpisera Flickr, Sailing Nomad [2] (CC by 2.0).

Olona Wiwa teo amin'ny am-polony teo no namoy ny ainy [3]raha namely an'i Sierra Nevada any Santa Marta ny tselatra tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity, tamin'ny 6 Oktobra 2014. Am-polony ihany koa ireo naratra. Naneho hevitra ahitana firaisankina sy fanehoan-kevitra politika mikasika ity loza ity ireo mpisera Twitter.

Nahatsiaro i Karina Beatriz fa avy be ny orana ny alin'ny 6 Oktobra, ary naneho fampiononana noho ireo aina nafoy izy:

Etsy andaniny, ny SuperGirlDidi dia nanararaotra nanesoeso ny filoha teo aloha Álvaro Uribe Vélez, izay nanome tsiny azy noho ireo olana tsy voavahany:

Paisaje tradicional de la Sierra Nevada de Santa Marta por el usuario  Sailing Nomad en Flickr bajo licencia CC BY-NC-ND 2.0 [1]

Tanàna nentim-paharazana ao Sierra Nevada  an'i Santa Marta, sary avy amin'ilay mpisera Flickr, Sailing Nomad [5] (BY-NC-ND 2.0).

Nanontany momba ny fitantaran'ny fampahalalam-baovao mikasika ny loza i Colores Mari:

Diana Montoya, kosa nankasitraka ny fahendren'ny fokonolona Wiwa [10]:

Miorina ao amin'ny ranomasin'i Karaiba, monina ao Sierra Nevada an'i Santa Marta [12], izay fantatra ao an-toerana ho toy ny “Afovoan'izao Tontolo Izao” ny fiarahamonina Wiwa. Ahitana tanàna kely 4 mifanolo-borindrina ihany koa ao araka ny filazan'ny bilaogy [13] Pueblo Wiwa (Vahoaka Wiwa), izay mamoaka lahatsoratra momba ny fiarahamonina, izay voalaza fa iharan'ny teritery ara-zon'Olombelona nandritra ny ady Kolombiana [13].