- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tonga eto Madagasikara ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana

Tonga alina (12/10/2014) teto Madagasikara Atoa Marc Ravalomanana. Amin'izao ora anoratana izao (13/10/2014  9:54) dia eo ampiomanana handray sy hiresaka amin'ireo mpanao gazety marobe tonga eny amin'ny fonenany eny Faravohitra izy sy ireo mpomba azy. Maro koa ireo olon-tsotra mpanara-dia no tonga eny an-toerana.

Maro ireo karazan'olona tonga manatona eny sy raisiny, toy ireo ray aman-dreny avy amin'ny tanĂ na niaviany Imerinkasinina, ireo mpitari-pivavahana, sns…