Lahatsary Ahitana Ireo Bahrainita Mpikambana Vaovaon'ny ISIS Miantso Bahrainita Hafa Hanatevin-daharana Azy Ireo

Three of the four Bahraini ISIS militants who called Bahrainis to take arms. Screenshot taken from a YouTube video

Telo amin'ireo Bahrainita efatra miaramilan'ny ISIS izay niantso ny Bahrainita handray fitaovam-piadiana. Pikantsary nalaina tao amin'ny lahatsary YouTube nozaraina tao amin'ny media sosialy

Niantso Bahrainita hafa handray fitaovam-piadiana sy hanatevin-daharana ny tolona manohitra ny fitondrana “tsy refesimandidy”, [hanohitra] ny fianakaviam-panjaka Sonita Khalifa ary [hanohitra] ny vahoaka Shiita maro an'isa ao amin'ny firenena, tao anatin'ny lahatsary Youtube nipoitra tao amin'ny media sosilay sy niparitaka vao haingana ireo Bahrainita efatra niditra ho mpikambana tao amin'ny vondrona miaramilan'ny ISIS.

Nahafehy ny [iray] ampahatelon'ny Syria sy ny ampahaefan'ny faritra ao Iraka ny ISIS mpisintaka tao amin'ny Al-Qaïda, ary mandravarava sy mampihorohoro izay mifanehatra aminy. Nahasarika tanora an'arivony manerantany izany, izay voasasa atidoha amin'ny fotokeviny extremista, ka na dia ny Al Qaeda malaza aza nahita izany [fotokevitra] ho “mahery setra”.

Iray amin'ireo nipoitra tao amin'ny lahatsary izay mandrahona ny fitondrana Bahrainita ny lietnà Mohamed Isa Al-Binalin, izay notaterina tato amin'ny Global Voices tamin'ny fiandohan'ity taona ity ny fitsoahany an-daharana tao amin'ny Herim-piarovana ao Bahrain. Miaraka aminy eo kosa ireo Bahrainita telo hafa izay antsoina amin'ny solon'anarana Abu-Laden Al-Bahreïn, Abu-Al-Salami Alfida ary Qaswara Albahraini.

Nahazo diplaoma avy ao amin'ny Akademian'ny Polisy tamin'ny taona 2013 i Mohamed (abu-Isa) ary voalaza izy fa toa mpiambina fonja tao amin'ny fonja ratsy lazan'i Bahrain, izay nampihatra fampijaliana hatrany nanomboka taona 2011. Namoaka fanambarana milaza fa voaraoka tamin'ny asany noho ny tsy fahatongavany miasa ny Minisiteran'ny Atitany ao Bahrain tamin'ny fiandohan'ity volana ity. Araka ny filazan'ireo tati-baovao amin'ny teny Arabo, nanatevin-daharana ny ISIS izy efa-bolana mahery izay.

Avy amin'ny fianakaviana malaza, foko Binali, izay akaiky be ny fitondrana Khalifa ao Bahrain i Mohamed. Mpitoriteny ambony ao amin'ny ISIS ny rahalahiny, Turki Al-Binali, izay antsoina amin'ny solon'anarana Abu Sufyan Al-Salami-(milaza momba ny fokon'ny Sulaim ao Arabia ny hoe Al-Salami). Nosamborina izy ary navotsotra imbetsaka tao Bahrain talohan'ny nisahanany ity toerana ambony ao amin'ity fikambanana mpampihorohoro ity.

Ao amin'ny lahatsary manaraka, afaka mahita azy mitarika fihetsiketsehana eo anoloan'ny Masoivoho Amerikana ao Bahrain ianao; tsy notafihan'ny manampahefana tahaka ireo fihetsiketsehan'ny mpanohitra araka ny mahazatra ity fihetsiketsehana ity. Azo jerena eny amin'ny trano famakiam-boky sy fivarotam-boky manerana an'i Bahrain, firenena izay mandrara habaka an-jatony manohitra ny governemanta ihany koa ny bokiny.

[Embed] https://www.youtube.com/watch?v=7CKv56mqPBU#t=55 [/ embed]

Efa ela no mpikambana tao amin'ny ISIS i Binali. Namoaka vaovao momba ny rahalahiny hafa namoy ny ainy nandritra ny tolona nataon'ny ISIS i Turki tamin'ny volana Mey.

Vaovao marina momba ny fahafatesan'ny mpiady Bahrainita iray ao amin'ny ISIS avy ao amin'ny fianakaviana Al-Binali ao Busaiiteen. Ali Yousif no anarany.

Mifantoka amin'ny teboka lehibe efatra ilay lahatsary malaza:

  • Miantso ireo tafika mba hiala an-daharana
  • Miantso Sonita maromaro mba hanatevin-daharana ny jihad ao Iraka sy Syria
  • Miantso ireo Sonita mba handà tsy hiasa miaraka amin'ny Shiita eo amin'ny sehatra miankina amin'ny fanjakana na ny tsy miankina ao Bahrain
  • Miantso mba hitsipaka ny fifidianana manaraka

Maro ireo mahatsiaro fa minia tsy mahita ny fitomboan'ireo mpanohana ny ISIS ao amin'ny firenena ny governemanta ao Bahrain. Tsy nitsitsy ny teniny ilay mpikatroka zon'olombelona malaza Nabeel Rajab. Mazava tsara ny hafatra nalefany:

Avy amin'ireo andrim-panjakana misahana ny fiarovana ireo lehilahy Bahrainita maro nanatevin-daharana ny fampihorohorona sy ny ISIS ary ireo andrimpanjakana ireo no “fikotrehana” ara-potokevitra [fampihorohorona] voalohany

Maro an'isa ny Shiita ao Bahrain izay mitaraina noho ny fanaovana azy ireo ho anjorombala nandritra ny ampolotaonany nitondran'ny fianakaviam-panjaka Sonita. Tamin'ny famoretana ny fitroaram-bahoaka tamin'ny Febroary 2011, “tsy namaly tamin'ny hery mahery vaika ihany ny fitondrana fa nandrisika ny fisaraham-bazana ara-pivavahana mahery vaika ihany koa mba hampizarazara ny hetsi-bahoaka sy hahazoan'ny famoretana fanohanana ao amin'ny firenena sy ny renim-paritra”, hoy i Mark Lynch avy ao amin'ny Foreign Policy.

Raha nanatevin-daharana tao anatin'ny firaisankina fandarohana avy eny an'habakabaka ny ISIS ao Iraka sy Syria i Bahrain, dia tsy mbola ratsy noho izany ny tontolon'ny fanilikilihana ao amin'ny firenena. Manazava Atoa Rajab:

Tsy ampiasaina hiadiana amin'ny fampihorohorona na ny ISIS ny lalànan'ny fampihorohorona ao Bahrain sy ny Helodrano fa ampiasaina hanenjehana ireo mpiaro ny zon'olombelona sy ireo gadra noho ny fanehoan-kevitra

Satria efa mivoaka ilay lahatsary, miaraka amin'ny hafatra mazava sy mahery vaika izay nihaino sy nandray tsara ireo tontolo sasany ao Bahrain, andao isika hiandry sy hijery ny fomba hamahan'ny fitondrana ao Bahrain ny fitomboan'ity fampihorohorona vaovao tena izy avy amin'ny olona eo anivon'ny tontolony sy ny sektany manokana ity.

Nifanojo tamin'ireo hafatra mitovy hoan'ireo firenena mifanolo-bodirindrina aminy, izay ninia manakimpy maso manoloana ny vondrona ihany koa, ny fandrahonan'ny ISIS an'i Bahrain, ka nahatonga ny ISIS hivelatra sy hahazo mpikambana marobe ao amin'ny taniny manokana. Bilaogera Maoritaniana Nasser Weddady nisioka hoe:

Kaontin'ny mpitarika ny #ISIS “Narehitra ny jiro maitso [alalana] hamindrana ny ady ao an-drenivohitr'i Arabia Saodita, Emirat Arabo Mitambatra,  Qatar, Jordania, ary Bahrain

 
Tsy hamerina handefa ity lahatsary voalaza ity ny Global Voices mba tsy hanapariahana ny propangadan'ny ISIS sy ny kabarim-pankahalany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.