- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tiorkia : Sekolin'ny Natiora , Mampahatsiahy Antsika Izay Adinontsika

Sokajy: Tiorkia, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Tsidika
by Güneş Sönmez

Ny endriky ny faritra tazana avy eny amin'ny terasy (terrasse)-n'ny Sekolin'ny Zavaboary. Sary an'i Günes Sönmez, fampiasànanahazoana alàlana.

 Tsy toy ny sekoly mahazatra ny “Doğa Okulu” [1] na Sekolin'ny Zavaboary, izay miorina eny amin'ny faritra avo indrindra any Eski Orhanlı, tanàna iray tsy misy mipetraka any an-tendrombohitra akaiky ny vohitr'i Seferihisar. Tsy mba misy fandaharam-pianarana na mpampianatra raikitra ao. Mpianatry ny voary daholo ny rehetra ao “Doğa Okulu”, miverina indray amin'ny fahalalàna tany am-boalohany izay avy amin'ireo zavamiaina, amin'ny alàlan'ny fakàna tahaka ny voary ihany: ny andrana, ny traikefa sy ny fivoaran'ny olona maro miaraka kanefa tsy misy fandaharam-potoana henjana.

Mibahana lohasaha lonaka iray i Eski Orhanlı, izay làlana adiny iray miala amin'ny morontsiraka Ezeana any amin'ny faritanin'i Izmir no misy azy. Ny toetrandro sy ny tany dia manome toerana ahafahan'ireo hazo oliva sy foto-boaloboka maniry malalaka, ary koa ireo hazo oaka (chênes) amantarana ny faritra. Nandritra ny arivo taona maro no nisy nitoetra tao amin'ilay tanàna kely talohan'ny naha-haolo azy tamin'ny 1980, raha nanapa-kevitra ny hanorim-ponenana vaovao tao amin'ilay lohasaha ireo mponina tao Eski Orhanlı mba haha-moramora kokoa ny fandehanany mankeny amin'ny saha iasàny.

Sekoly iray manolo iray hafa

Nomena an'i Doğa Okulu hanaovana fikarohana ilay sekoly ambaratonga voalohany tao Eski Orhanlı’. Nohavaozina niaraka tamin'ny fanampian'ny Doğa Derneği [2] (ONG Tiorka malaza momba ny tontolo iainana) sy ireo mponina any amin'iny faritra iny ary ny mpitantana ny tananan'i Seferihisar [3] izany.  Nanamarina ny voalohan-desona nomen'ny sekoly ny olona ny famoronana ny Doğa Okulu : nampifangaroin'ireo mpiasa an-tsitrapo ny fahaiza-manao taloha sy ny vahaolana maharitra amin'izao fotoana izao mba hanorenana indray ilay trano efa ravan'ny fotoana. Nisokatra tamin'ny Febroary 2014 ny vavahadin'ny Doğa Okulus.

This wall art was done by the architect of Doğa Okulu expressing the nature surrounding from Doğa Okulu

Mampiseho ny zavaboary manodidina ny sekoly ity loko nataonà mpahay mari-trano nanao an'i Doğa Okulu amin'ny rindrina ity. Sary nalaina tao amin'ny Doğa Okulu ary nahazoana alàlana. 

Nosoloina tany sy vato avy ao an-toerana ilay rafitra vato sokay noseseham-by an'ilay sekoly teo aloha. Ny herin'ny masoandro sy voan'oliva nopotehina na ‘prina’ no manome ny herinaratra ao amin'io sekoly io. Lazain'ny tranonkalan'io sekoly io hoe ” trano velona” io trano io satria ” miaina” amin'ny alàlan'ny rakotra rindrina tanimanga. Manjary toerana fiasàna, fianarana mampianatra ary maresaka be ilay toerana nianaran'ny ankizy namaky teny sy nanoratra taloha ao Eski Orhanlı. Ampianarin'ireo mponina vaovao ao Orhanlı amin'zao fotoana izao an'ireo mponina an-drenivohitra ny famokarana menaka oliva vita tànana hanaovana savony vita amin'ny zavaboary.

Raziye, Tiorka iray mpandala ny vako-drazana sady mpiasa an-tsitrapo ao amin'ny Doğa Okulu dia manoratra izao lahatsoratra izao ao amin'ny bilaoginy :  [4]

Orhanlı’da köy sakinleri hala kendi sabununu yapmaya devam ediyor. Biz de köy sakinlerinden Pembe Teyze’yle konuşup sabun yapmaya karar verdik. Hem sabun yaptık hem de sabun hakkında değerli bilgiler öğrendik. Mesela öyle her aklına estiğinde sabun yapılmazmış. Sabun, yaz ağzı denilen ilkbaharda ve güzün katımaya (sertleşmeye) uygun zamanlarda yapılırmış. “Sabahın bereketi üzerimize olsun” diyerek erken vakitlerde avluda ateşi yaktık.

Mbola mamokatra ny savoniny hatrany ny mponina ao Orhanlı. Raha niresaka tamin'i nenitoa Pembe, mponina iray ao izahay dia tapa-kevitra fa hanao tahaka azy. Hainay izao ny manao savony, nianaranay ihany koa ny tsy maintsy fantarina momba ny savony. Misy fotoana ny fanaovana savony fa tsy amin'izay fotoana tiana anaovana azy akory, amin'ny vao mangiran-dratsin'ny fahavaratra, ny lohataona ary ny fiafaran'ny fararano no fotoana tena mety. Noho ny fitenenana hoe:” ho aminareo anie ny fahafenoan'ny maraina” dia nifoha maraina nandrehitra afo izahay.

Araka ny mahazatra dia roa na telo andro ny fotoana ianaran'ny mpianatra ho mpampianatra miaraka amin'ny lohahevitra midadasika. Ny fianarana dingana voalohany, ohatra, izay atao ny 20-21 Jona tany anaty zavaboary, dia lesona fampidirana ho an'ireo vaovao mpankafy ny zavaboary. Tonga nahafantatra ireo tena fototry ny fiainana any anaty zavaboary ireo mpianatra, tamin'ny nanekeny fa maro amin'ireo fomba amam-panaon-dry zareo any an-drenivohitra no voatrolombelona sy tsy maharitra. 

Mibitsika i Merve Ozayitgu [5] iray amin'ireo mpianatra : 

Arahaba avy aty Doğa Okulu, Orhanlı!  miandry ny fambolena azy ny baranjely, ny sakay be ( poivron) ary ny voatabiako avy amin'ny masomboly aty an-toerana.

Iray amin'ireo mpanohana fototry ny Doğa Okulu ny MAGMA [8], gazetiboky jeografika Tiorka vao misandratra.Tamin'ny volana Jolay, nampanao [8]fizàrana manoratra sy fanaparitahana momba ny resaka tontolo iainana  i Kemal Tayfur [9] sy i Özcan Yüksek,  [10]mpiara-mamorona ilay gazetiboky. 

Fotoana ela taorian'ny nialany tany, mbola mahatsiaro ny zavatra niainany tany amin'ny Doğa Okulu ireo mpianatra, aAo amin'ny haino aman-jery sosialy.

Ao anaty nofinay ianao izao alina izao ry Sekolin'ny Zavaboary.

Misy ihany koa ny lesona vaovao ny 5 ka hatramin'ny 7 Septambra, izay ianarana ny fanamboarana rakotra rindrina amin'ny tanimanga sy fanaovana biriky tany miharo mololo nahahy tamin'ny masoandro, ho arahan'ny fianarana mandinika ny fiainam-boronkely amin'ity fararano ity. 

An ordinary lesson/chat  by @doganinaskina

Lesona mahazatra/ resadresaka ao Doğa Okulu
avy amin'i @doganinaskina [15]

Toerana ifaneraseran'ireo mpikatroka

Ankoatra ny fampianarana indray ny leson'ny fiainan'ireo ntaolo Anatolia, dia manao kinasa fikarohana mifototra indrindra amin'ny tontolo iainana izay tohanan'ireo mpiasa an-tsitrapo sy ireo mpampianatra amin'ny Oniversite ny Doğa Okulu. Iray amin'ireny ny Kinasa amin'ny [16] harena voa-janaharin'i Seferihisar [16]izay mikendry ny hiraketana ao anaty sarintany ny toerana misy ireo biby sy ny zavamaniry any Seferihisar. Nanomboka tamin'ny volana Martsa 2013 no nanaovan'ny mpitantana ao an-toerana io kinasa io ary nanomboka tamin'izay no nanangona'ireo mpandray anjara ireo vaovao ilaina momba ny tontolo iainana manodidina an'i Seferihisar. Nahitana andianà vorona an-drano Cory [17]ohatra tany amin'ny helodranon'i Sığacık. 

Ankoatra izay, nanangana vovonana iray momba ny resaka fikajiana ny tontolo iainana, toy ny Alakır Kardeşliği ( [18]firahalahian'ny Alakır), izay manohitra ny fanorenana ilay tohodrano famokarana herinaratra lehibe iray ao amin'ny Lohasahan'i Alakr ny sekoly. 

Mibitsika ny fanoherana ny fanorenana ilay tohodrano i Ozcan Yuksek mpiasa ao amin'ny MAGMA [19] ary manamafy fa faritra voaaro ara-dalàna ilay faritra :

Valan-javaboahary arovana sokajy voalohany i Alakır ! manimba ny zavaboary io kinasa io ka tokony ho foanana avy hatrany!

Manova fisainana

Maharitra volana maromaro any Doğa Okulu ny mpitsidika sasany. Tantarain'i Sevcan Gizem Gürüz ao amin'ny bilaoginy [23]ny fiandohan'ny tapa-taona niainany tany. 

İlk vardığımda yolun üzerindeki dere yatağında çalışan çocuk ve gençler gördüm. Gülümsüyorlardı. Şehirdekilerin aksine. Bir kısmı fidan dikiyor, bir kısmı çöp topluyordu. Üzerlerinde şalvar ve uzun sarı çizmeler. Oysa benim üzerimde yeni aldığım kot pantolon, ayağımdaysa kırmızı “Converse”ler…

O an fidan dikmek zor geldiği için çöp toplamaya karar verdim. Derenin öte tarafındaki çöplere yöneldim. Bir cesaret, ilk adım… Eyvah! Daha ilk adımda çoraplarıma kadar ıslandım. Neyse dedim ve o anı Instagram’da ölümsüzleştirmek adına telefonuma sarıldım. Olamaz! Hayatında ilk defa inek gören köpeğim Roma avaz avaz havlıyordu, susması için ona doğru hamle yaparken ayağım taşa takıldı ve kendimi derenin soğuk sularında otururken buldum. Hayır! O da ne? Yanımda yüzen telefonum mu yoksa?  Hay aksi… Belli ki buraya alışmam biraz zaman alacak!

Yine derin bir nefes aldım ve  bir solukta geri verdim. İlk iş bir şalvar ve bir çift çizme almam gerekiyordu. Kendime “Onlar gibi olmalıyım” dedim. Şimdi düşünüyordum da… Ne kadar yanılmışım. Onlar ve ben… Her kör nokta bu ayrımla başlıyor zaten. Doğada ayrım yok. Her şey bir. Biz de biriz…

Vao tonga aho dia nahita ankizy sy tanora miasa manamorona ny renirano amin'ny làlako mankany an-tanàna. Tsy mba tahaka ny mponina any an-drenivohitra ry zareo fa nitsikitsiky. Ny sasany namboly hazo, ny sasany nandroaka fako [izay latsaka any anaty rano] . Shalwar [24] ( pataloha hatreny an-kitrokely) sy baoty lava mavo no nanaovan-dry zareo, ny ahy kosa pataloha’ jean’ vaovao, kiraro ‘Converse’ mena ny ambaniny…
Ny fandraofana fako no nofidiako satria sarotra ny fahitako ny fambolena hazo tamin'izany fotoana izany. Nanatona ny fako tao anaty rano aho. Faharisihina kely fotsiny, dingana voalohany… Ooops! Nilon-drano ny bà kiraroko. ” Mitovy ihany”, nieritreritra aho, notazoniko ny findaiko mba hiraketana ilay fotoana ao amin'ny Instagram. Tsy misy fika! nivovo be tsy nijanona i Roma, ny alikako, izay vao sambany nahita ombivavy. Raha vao ‘ndeha hampangina azy aho dia nibolisatra teo ambony vato ary tafatorombina tao anaty làlan-drano mangatsiaka. Oh, tsia! inona ity ? Nilomano teo akaikiko ny findaiko ? Shhh…Raha ny fahitàko azy dia mbola mila fotoana aho hizàrako ny zavatra rehetra aty !

Nisento lalina aho. Ny zavatra voalohany ilaiko dia ny Shalwar sy baoty. ” Tokony ho tahaka an-dry zareo aho ,” hoy aho niteny irery. Mieritreritra aho izao… diso aho. Ny fanavakavahana no fiandohan'ny tsy fifanarahana. Tsy misy fanavakavahana amin'ny natiora. Iray ny rehetra. Iray izahay….

Noho ny ezaka nataon'ny mpitantana ny tanàna dia lasan'i Seferihisar ny toerana voalohany any Tiorkia  hamonjena ny hetsika Cittaslow/Slow Food  ( [25]fikambanana iraisam-pirenena manentana ny tsirairay hanaja ny tontolo iainana amin'ny resaka sakafo). Fonenana vaovao arovana ara-kolontsaina sy ara-ekolojia i Cittaslows ary mikendry ny hanavotana ny tontolo iainana ao an-toerana sy ny fomba fahandro nentim-paharazana amin'ny amboletran'ny fanatontoloana. Tohanan'ny mpitantana ny tanànan'i Seferihisar ny vokatra ao an-toerana ka isan-kerinandro dia amorainy ny tsenan'ny ‘slow food’  mba hahafahan'ny mpamokatra mivarotra ny vokany mivantana amin'ny mpanjifa. Mba hampitomboana ny fahasamihafan'ny vokatra sy ny kalitaony, dia misy ny foara isam-paritra izay ihaonan'ireo mpamokatra mba hifanakalozana masomboly.

Age and origins are not barriers at Doğa Okulu. Here residents enjoy a dhat in the amphi by Güneş Sönmez [26]

Tsy sakana ny taona sy ny fihaviana ao Doğa Okulu. Eto izao dia tia miresadresaka an-kalamanjana ny mponina. Sary avy amin'i  Güneş Sönmez, nahazoana alàlana.