Tapatapa-baovao avy any Syria: Marcell Shehwaro tao anatin'ny fiainan'i Aleppo

Marcel Shehwaro

Marcel Shehwaro: “Fikomiana”. Nalain'i Amer Sweidan nandritra ny fihaonan'ny bilaogera Arabo tao Jordana. Saripika nahazoana alalana. 

Ato anatin'ity andian-tsoratra fampahatsiarovan'ny Global Voices ity, no itantaran'ilay bilaogera sady mpikatroka Marcell Shehwaro ny fiainany ao Aleppo, ivon'ny toerana ifanaovana ady mitam-piadiana ao Syria, eo amin'ny tafiky ny fitondrana ankehitriny sy ireo mitady ny fanonganana azy.

Teny Arabo no niavian'ity lahatsoratra ity ary nadikan'i Amira Al Hussaini. Marcell Shehwaro dia mibilaogy ao amin'ny  marcellita.com  ary misioka ao amin'ny @Marcellita, izay samy tamin'ny teny Arabo avokoa no niandohany.

Marcell ato amin'ny Global Voices

Nandratra ahy tokoa ny nahita ireo fiara feno mpitandro filaminana, tamin'ny fotoana nidirako tao an-trano fiangonana. Tsy haiko hoe fa nahoana no nampisy tafika maro toy izao ny andro fandevenana ny reniko. Nandratra ahy avokoa ireo, raha tsy noho ny hafotsian'ireo revolisionera izay nanoroka ahy. Tsy fantatro hoe avy aiza ireo olona ireo, saingy ny fitiavana sy ny fanekena teo amin'izy ireo no nampitony ahy. Ireo revolisionera nameno ny tohatry ny fiangonana miaraka amin'ny fitafiana fotsy, manainga ny raoziny mena, mihiaka ny fahafahana ao anatin'ny fahanginana sy ny fifanajana.

Tiako ny manamarika fa tsy mba manana fahafahana hanao izany “fiantsenana” eny amin'ny toeram-barotra lehibe “Victory Supermarket” izany ny vahoaka Syriana, ka ahitana akanjo an'i Assad mandositra araka ny fomban'ilay Toniziana Zine El Abidine Ben Ali, na mametra-pialana toa ny Hosni Moubarak, amidy. Sady tsy manana solika ampy hividianana ny OTAN, tahaka an'i Libya. Al-Qaida anefa no novidiantsika, izahy hitantsika mifono ao anatin'ny sobika mavon'ny “amidy mora be”.

Andavanandro tsotra, mandritra ny fisakafoanana miaraka amin'ny namana ao Torkia, lavitry ny baomba sy ny fahafatesana, nefa akaikin'ny fahasemporan'ny heloka fa lavitry ny tanànako, maisitraka ireo fitaovana avo lenta toy ny herin'aratra sy ny fifandraisandavitra rehetra raha manary aina kosa i Aleppo, izaho izay lasa miankin-doha amin'ny media sosialy tahaka ny olona eto anilako- nanokatra ny pejiko facebook. Ao aho mahita hafatra amin'ny rindrin'ny namako manana fifamatorana akaiky amin”ireo mpikomy.

Maro ny zava-niova tao anatin'ny telo volana. Nanjavona ny fakantsarin'ny media. Ny sasany lasa mitondra somotra. Ny hafa lasa mitondra ny fiankanjon'ny Afghan. Misy ireo mandà ny firesahana amin'ny ISIS raha mifikitra amin'ny fanohanany amin'io fikambanana io kosa ny sasany

Maniry ny hanambatra indray ny tanàna; izay voazarazara tanatin'ny roa taona ireo revolisionera. Misy ireo faritra eo ambany fifehezan'ny governemanta, ny hafa izay eo an-tanan'ny mpikomy, na izahay mponina eto Aleppo aza dia voazarazara, 

Nampandrenesin'izy ireo aho tamin'ny andro voalohany fa any am-ponja ny vadiny, ary mety hahamafy kokoa ny alahelony ireo kalo efa hiraiko mahazatra. Tsy dia nanohina ahy loatra aloha izany. Toa lasa zatra maheno ireo fianakavian'ny voafonja izahay, toy ny hoe efa mahazatra, nandritra ny fitondran'i Assad izany hoe migadra aty Syria, ary maningana ireo ivelan'ny fonja, na ireo mihevi-tena ho ivelan'ny fonja.

Nanjavona tanteraka nandritra ny fotoana maro ny herinaratray. Te-hitaraina mandritra ny roa andro izahay, na herinandro, avy eo tsy maintsy nijery ny fandevenana ireo lavo noho ireo fitaovam-pamonoan'i Assad izay nivadika avy amin'ny fandarohana ny manodidina ka lasa miradoka ny anaty tanàna mihitsy, ary amin'ny alalan'ny balafomanga scud aza indraindray.

Tsy mahasitrana tanteraka, ho an'ny olona izay namoy ny Reniny tao anatin'ny tifi-bala mahafaty, ny manoratra momba ny Reny, sy miresaka ny andro natokana ho an'ny Reny. Na manaiky aza isika fa misy hery majika ao anatin'ny fanoratana, misy kosa ratra sasany efa lalim-paka tanteraka.

Natao hitantaràna ny fiainana andavan'andron'ity zazavavy tsotra nefa hafa kely ihany, ity lahatsoratra ity. Ndeha ho antsointsika izy hoe mpikatroka satria izay no manintona kokoa ny sasany.

Tsapako tamin'ity taona ity fa tara tamin'ny firesahana ny tsingerin-taona fahatelo ny revolisiona Syriana izahay. Toy ny hoe hanova ny zavatra nandiso fanantenana ny nanemorana ny firesahana azy ity. Manamarika ny fahatelo taonan'ny revolisiona izahay.

Iza moa izaho? Noheveriko ho anisan'ny fanontaniana saro-baliana indrindra sy tantaraina izany, indrindra fa izao ankehitriny izao, telo taona nisian'ny revolisiona Syriana. Ny marina dia tsy fantatro loatra intsony aho raha mbola tahaka ny tamin'ny fahatanorako.
 

Marcell Shehwaro at the funeral of her mother, who was killed at a Syrian regime forces' checkpoint in June 2012. Fellow activists paid tribute by carrying red roses.

Marcell Shehwaro nandritra ny fandevenana ny reniny, izay maty teo amin'ny toera-pisavan'ny tafiky ny fanjakana Syriana tamin'ny Jona 2012. Manome voninahitra amin'ny fitondrana raozy mena ny namana mpikatroka. Saripika avy amin'ny Marcell Shehwaro.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.