- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nahatery Ny Twitter Handrafitra Indray ny Rafitra Napetrany Ny Fiarahan'ny Japoney Misioka

Sokajy: Japana, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Toekarena sy Fandraharahàna
japan twitter users

Pikantsarin'ny Twitter Japoney.

 Tsy misy misiokantserasera tahaka ny Japoney, araka no navoakan'ny lahatsoratry ny Wired nivoaka vao haingana [1]. Ny zavamisy, Ny fihetsik'i Japana rehefa mampiasa ity servisim-pamahanam-blaogy madinika ity, no nampihintsana ny tambajotran'ny Twitter teo aloha.

Ny antony? Araka ny nolazain'ny Twitter, misy fotoana sasany ao anatin'ny taona, tian'ny Japoney ny mizara vaovao ao anatin'ny fotoana anankiray voatondro manokana.

Ohatra, tamin'ny taombaovao 2012, saika ny Japoney mpisera Twitter rehetra no nisioka tao anatin'ny fotoana mitovy indrindra — tamin'ny 12 alina, teo amin'ny fanombohan'ny taombaovao indrindra — ary niteraka ny fihintsanan'ny Twitter izany.

Fa tsy amin'ny taombaovao ihany:

Last August, it also held firm when the Japanese helped set a new tweets-per-second record [2] as they all tweeted at the arrival of a particular moment in the television airing of an animated movie called Castle in the Sky [3].

Tamin'ny volana aogositra lasa teo, azo ifikirana mafy ihany koa fa nanao izay hahazoana zavabita tsara indrindra amin'ny isan'ny sioka isan-tsegondra ny Japoney raha niara-nisioka daholo izy rehetra tamin'ny fahatongavan'ny fotoana manokana tao amin'ny fahitalavitra tamin'ny fandefasana ny sarimiaina antsoina hoe Mandan-trano eny an-danitra

Nomontsanin'ny Japoney mpisera Twitter ny zavabita tsara indrindra amin'ny isan'ny sioka isan-tsegondra [4] izay voatazona nandritra ny lalaon'ny Mondialy lehilahy sy vehivavy. 

Vokatr'izany, dia voatery nanangana rafitra iray hafa vaovao mihitsy ny Twitter noho ny nataon'ny Japoney mpisera Twitter.

Tokotokony ho ny 30%-n'ny mpisera aterineto ao Japana no nisera Twitter tamin'ny Mey 2013 [5], raha oharina amin'ny 26% monja amin'ny mpisera aterineton'i Etazonia, araka ny nolazain'ny comScore tamin'ny tatitra Fifantohan'i Japana Mankany amin'ny hoavy 2013 [6]

Vakio ao amin'ny Wired [1] ny antsipirihany kokoa momba ny famahana olana nataon'ny Twitter.