Manamafy Ny Fitaovam-pifandraisan'Izy Ireo Amin'ny Finday Ny Mpanao Fihetsiketsehana Ao Hong Kong Manoloana Ny Fandrahonana Ara-teknika

Marobe ireo mpianatra nitangorona tao ivelan'ny magazay lehibe tao Causeway Bay ao Hong Kong tamin'ny 29 Septembra mba hanohy ny tolona ho amin'ny demaokrasia amin'ilay antsoina hoe Revolisionin'ny Elo. Sary avy amin'i Pete Walker. Zon'ny mpamorona Demotix
Nozaraina ho roa avy amin'ny lahatsoratr'i Oiwan Lam ary navoaka voalohany tamin'ny teny Shinoa tamin'ny 1 Oktobra 2014 tao amin'ny sehatra fampahalalalm-baovao an'olo-tsotra inmediahk.net ity lahatsoratra ity. Nadikan'i Loki Chu tamin'ny teny anglisy ny lahatsoratra ary navoaka indray tato amin'ny Global Voices izay tafiditra ao anatin'ny fifanekena fizarana votoaty. Vakio ato ny fizarana voalohany.
Tamin'ny 28 Septambra, taorian'ny fandefasan'ny polisin'i Hong Kong baomba mandatsa-dranomaso tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana, maro ireo nilaza fa tsy afaka niditra aterineto tamin'ny findain'izy ireo ary voatery nankany amin'ny distrika Central na Wanchai mba ahafahan'izy ireo mandefa ny hafatr'izy ireo.
Nanomboka teo, mpanao fihetsiketsehana marobe no nitroka ny FireChat mba hiomana amin'ny fifandraisana mandritra ny fahatapahan'ny tambajotra na ny fitohanan'ny tambajotra.
Afaka mandeha amin'ny tambajotra mitampidipiditra (réseau maillé) ny fampiharana FireChat. Rehefa mandefa famantarana marefo [ambany] ny finday tsirairay avy, dia mamadika ny finday rehetra ho lasa vonam-pifandraisana [mpampitohy fifandraisana] izany ka lasa tambajotram-pifandraisana eo amin'ny toerana iray ahafahan'ny mpiserasera mifandefa hafatra.
Saingy nampitandrina ireo manam-pahaizana momba ny fiainana manokana sy ny fiarovana amin'ny aterineto fa marefo ny fiarovana amin'ity rindrambaiko ity ary mety ho mora lasibatry ny mpisompatra. Mety ho azon'ny hafa eny antenantenany ny antso ary mety ho voatsongo dia ireo mpiserasera. Tsy manana rafitra fanamarinana matanjaka hiarovana ny mpiserasera ihany koa ny fampiharana - ka mora tanteraka ny mangalatra ny mombamomba ny mpiserasera hafa, ary mahatonga ny tambajotra ho mora hiharan'ny fisovohana ataon'ireo olona sompatra.
Misy fitaovana azo antoka kokoa noho ny FireChat ve ary azo ampiasaina mandritra ny fitohanana goavana amin'ny fifandraisana (tambajotra)?
Namaly am-pahatsorana ny filohan'ny Fikambanana misahana ny fiarovam-baovao Arak'asa ao Hong Kong, Eric Fan hoe, “Tsia” Nandrisika ireo mpiserasera izy mba tsy hitroka fahantany fampiharana ary tsy hamaha antoka (jailbreak) ny iPhone na iPad-n'izy ireo satria mety hametraka olana ara-piarovana tokoa ny fihetsika tahaka izany. Eny tokoa, mitobaka ny olana ara-piarovana eo amin'ity sehatra ity, ary marobe ny fandrahonana avy amin'ny Shina Tanibe.
Tamin'ny tapaky ny volana Septambra, nizara fampiharana Android ireo mpanao hosoka (hackers) izay hita fa rindrampitsikilovana afaka mangalatra vaovao avy amin'ny finday raitran'ny mpiserasera ary mitsongo dia ny toerana misy ny mpiserasera amin'ny alalan'ny Baidu Maps izay Google Maps amin'ny endrika Shina Tanibe. Miova endrika toy ny Code4HK, vondrona mpankafy fatratra (geek) teknolojia manohana ny hetsika sosialy ao Hong Kong ireo mpanao hosoka ireo.
Nanonona manam-pahaizana momba ny fiarovana tambajotra ny News service Reuters tamin'ny vaovao tamin'ny 30 Septambra ary nilaza fa miparitaka ny Xsser, “cheval de Troie“ (rindrampitsikilovana miova endrika ho fampiharana azo antoka) izay mikendry ireo iPhones and iPads. Noahiahiana ho nampitombo izany ireo Shinoa mpanao hosoka (hacker) mba hikendrena ny hetsika Bodoy Central manohana ny demaokrasia.
Nanipika i Fan fa raha ny marina, ahitana lesoka ara-piarovana avokoa ny fampiharana maro, ary tokony ho mailo ny mpiserasera amin'ny fiarovana ny fitaovam-pifandraisan'izy ireo. Fanampin'izany, noho ny tambajotram-pifandraisana misosa tsara, manome soso-kevitra ny fampiasana Telegram izy.
Fampiharana mitovy amin'ny WhatsApp ny Telegram, saingy natao sora-miafina ny fifandraisana rehetra ary afaka misafidy hanaisotra ny fandraketan-dresaka amin'ny fotoana maharitra ireo mpiserasera mba hisorohana ny fitsikilovana ireo resaka voarakitra teo aloha raha sendra lasan'ny polisy ny finday na ny solosan'ireo mpiserasera.
Zava-dehibe hoan'ireo mpikatroka kendren'ny fanenjehana ara-politika ity zavatra iray loha ity. Efa fanao mahazatra ny polisy ao Hong Kong ankehitriny ny mandraoka ny findain'ireo mpikarakara fihetsiketsehana, ary indraindray, mahazo baiko hanao savahao sy haka ireo solosaina manokan'ireo mpikarakara fihetsiketsehana ho famotopotorana.
Fitaovam-pifandraisana mahazatra eo amin'ireo mpanao fihetsiketsehana ihany koa ny Google Talk. Tsara ny manao fahazarana amin'ny fisafidianana ny “off-the-record“ (tsy raketina) mba tsy ahafahan'ny hafa mamaky ny “chat” [karajia] ataonao.
Araho ny fitantarana lalindalina kokoa ataonay: Revolisionin'ny Elo ao Hong Kong
Sokajy

Atombohy ny resaka

Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Janoary 2021 41 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...