Tantara tamin'ny 04 Oktobra 2014
Inona no Tokony ho Fantatry ny Mpanao Fihetsiketsehana ao Hong Kong (sy ny any An-kafa) Momba ny FireChat

Manazava amin'ny mety hampidi-doza amin'ny fampiasana ny FireChat ny manampahaizana manokana roa momba ny fiarovana an-tserasera -- ary manolotra torohevitra tsotra vitsivitsy amin'ny fiarovantena nomerika rehefa ao anatin'ny tontolom-panoherana.
‘Nofinofy Kely Ho Lasa Fiovàna’, Hetsika Tsara Indrindran'ny Media Sosialy Any Oganda
Nitafatafa tamin'i Esther Kalenzi, mpamorona ny 40 Days Over 40 Smiles i Tumusiime Patrick momba ny asa soa ataony, izay manampy ireo ankizy sy vondron'olona marefo mba hahazo fampianarana an-tsekoly sy fampianarana mikasika ny fiainana.
Manamafy Ny Fitaovam-pifandraisan'Izy Ireo Amin'ny Finday Ny Mpanao Fihetsiketsehana Ao Hong Kong Manoloana Ny Fandrahonana Ara-teknika

Miara-miasa ny mpikatroka sy ny manam-pahaizana momba ny fiaroana mba hamaritra izay fitaovam-pifandraisana afaka ampiasaina sy hanampy ireo mpanao fihetsikesehana -- sy izay tsy hampidi-doza azy ireo.
E.T. [OVNI] No Mifehy Ny Fihetsiketsehana Ao Hong Kong, Ary Mahita Izany Ny Vaovao Rosiana

Milaza ny tranokalam-baovao Rosiana malaza iray fa misy hery ivelan'ny planeta tany ao ambadiky ny fihetsiketsehana goavana ao Hong Kong.
Voaràra ny Fanaovana Fihetsiketsehana Ao Thailandy, Saingy Nataon'Ireo Mpianatra izany Hanohanana ny Hetsika Ao Hong Kong
Namoaka lalàna fandraràna fivorian'ny olona dimy noho mihoatra ny miaramila Thailandey, izay nandrombaka fahefana tamin'ny volana Mey lasa teo. Saingy tsy manakana ireo mpianatra haneho fanohanana hoan'ireo mpanao fihetsiketsehana ao Hong Kong izany.
Bilaogy 6 Amin'ny Teny Anglisy Manampy Anao Hahafantatra Tsara Kokoa An'i Japana
Lisitry ny bilaogy amin'ny teny Japoney miresaka ny toe-draharaha ankehitriny, kolontsaina, politika, heloka bevava ary ny hafa. Nisy bilaogy mbola tsy voalazanay ve? Ampahafantaro anay amin'ny fanehoan-kevitra izany!