- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nisy Nirehitra Tao An-dapa Ambohitsorohitra

Sokajy: Madagasikara, Voina, Vonjy Voina

Fanamarihana: Ny sary rehetra ato dia nalain'i Avylavitra, ary ampiasaina irery ihany ho an'ny Global Voices

Nisy firehetana nahataitra ny maro tao amin'ny Lapan'ny Fiadidiana ny Repoblika tao Ambohitsorohitra io folakandro io.

DSC_0101

Tamin'ny 04:55mn no niseho ny firehetana izay nahazo ilay cyprès lavabe tazana avy ety ivelany. Tamin'ny 05:08mn no tonga ny mpamono afo rehefa nantsoina ary tamin'ny 05:20 no maty ny afo

DSC_0098
Tsy ny Lapa akory no nirehitra fa trano hazo kely ao anaty fefy, birao nampiasaina ho an'ireo izay nanamboatra ilay Lapa hazo somary ery ambanimbany akaiky Banky Foibe, ary namoiasaina nametrahana tapatapaka hazo tsy miasa intsony.

Hoy ny Jeneraly Ralala Roger, Sekretera Jeneralin'ny Fiadidiana ny Repoblika, nitondra ny fanazavana:

Ahiana ho mety avy amin'ny herinaratra, saingy mandeha ny fanadihadiana ny mety ho nahatonga ny firehetana….Tsy mbola misy ny olona notànana.

Ny Brigade de Recherche no nantsoina hanao ny fanadihadiana. Ary tsy misy olona afaka mivezivezy ao anatin'io toerana io hatramin'izay, indrindra moa fa taorian'ity zava-nitranga ity.

 DSC_0100 

Fa tsy ilaozan'izay hisy mpanararaotra ihany koa moa rehefa mitranga ny toy izao. Noho ity firehetana ity tsy naharitra ela fa nalaky voavonjy, dia tsy maro ny mpanao gazety tena afaka nivalampatra nahazo sary. Misy araka izany ireo olona teny amin'ny manodidina (mpiasa) nahazo sary ahitàna ny afo mijoalajoala. Amidin'izy ireny 100.000 Ariary ny sary nalainy

DSC_0103 [1]