Tantara tamin'ny 03 Oktobra 2014
Nisy Nirehitra Tao An-dapa Ambohitsorohitra
Fanamarihana: Ny sary rehetra ato dia nalain'i Avylavitra, ary ampiasaina irery ihany ho an'ny Global Voices Nisy firehetana nahataitra ny maro tao amin'ny Lapan'ny Fiadidiana ny Repoblika tao Ambohitsorohitra io folakandro io. Tamin'ny 04:55mn no niseho ny firehetana izay nahazo ilay cyprès lavabe tazana avy ety ivelany. Tamin'ny 05:08mn no...
Tokony Hiala Tsiny Noho Ny Habibian'ny ISIS Ve Ny Miozolomana?
Ahitana miozolomana miampanga ny ISIS amin'ny alalan'ny diezy #NotInMyName (tsy amin'ny anarako) ny media sosialy, ny hafa kosa mampiasa ny diezy #MuslimApologies (fialan-tsinin'ny miozolomana) mba hamazivaziana ny fialan-tsiny tokony ataon'ny miozolomana noho ny fihetsiky ny vitsy an'isa (ISIS).
Hetsika Manohana ny Demaokrasia ‘Occupy Central’ ao Hong Kong An-Tsary
Mbola nahajoro teo amin'ny toerany hatramin'izao ny fihetsiketsehana nahazo olona betsaka manoloana ny fikasan'ny polisy hanadio ny toerana tamin'ny alalan'ny entona mandatsa-dranomaso, tsifotra dipoavatra ary ny kibay. Avy amin'ny fampiasana elo no nahavitana izany tamin'ny ampahany.
Keiko Tsuyama: Japoney Mpanao Gazety Any Etazonia
Miresaka momba ny làlan'ny asany amin'ny maha mpanao gazety azy any Amerika i Keiko Tsuyama, ary ny hoe ahoana no tokony hijeren'ny olona akaiky ny tetikasa-nà toby miaramilan'i Etazonia hapetraka ao Henoko sy Oura Bay any Japana.