- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsikerain'ny Masedoniana Ny Kabary Tsy Nampoizin'ny Filoha Ivanov Tao Amin'ny Firenena Mikambana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Eoropa Afovoany & Atsinanana, Iràka, Makedonia, Syria, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Politika

Tsy hitahita sy tsy nandrenesam-peo nandritra ny volana maromaro raha nahitana fifandonana ara-poko [1] tao amin'ny fireneny ny Filoha Masedoniana Gjorge Ivanov. Avy eo, nikabary eo anoloan'ny Vaomieran'ny Filaminana ny filoha tamin'ny Septambra 2014, ary tao no niresahany ny resa-poko ao amin'ny faritr'i Balkan sy ny fiezahany nampifandray izany amin'ny fiantonan'ny fidiran'i Masedonia ao amin'ny OTAN [2], sy ny ezaka manerantany iadiana amin'ny fampihorohoroana misy amin'izao fotoana izao.

Macedonia President Gjorge Ivanov and his wife, Maja Ivanova, with U.S. President Barack Obama and First Lady Michelle Obama during a reception at the Metropolitan Museum in New York in 2009. Official White House photo by Lawrence Jackson. This photo is public domain.

Filohan'i Masedonia Gjorge Ivanov sy ny vadiny, Maja Ivanova, miaraka amin'ny filohan'i Etazonia Barack Obama sy Ramatoa Michelle Obama nandritra ny lanonana iray tao amin'ny Metropolitan Museum tao New York tamin'ny 2009. Saripika ofisialin'ny Trano Fotsy nopihan'i Lawrence Jackson. Sary anaty valam-bahoaka.

Raha maro ireo mpiseraseran'ny fampitam-baovao sosialy naneho hevitra sy nanjohy ny resabe natsangan'ilay kabary [3] tamin'ny fampiasana ny diezim-panesoana [4] #Хорхе [5], dia namakafaka lalindalina kokoa momba izany tao amin'ny blaoginy [6] ny mpanadihady araka ny lalàna sy ara-politika antsoina hoe Gjakush Kabashi :

Ivanov opened his speech by saying that “Balkan fighters are grouped in ethno-national units”, contradicting the mission proclaimed by the terrorist groups alike ISIS, that have stated the objective of creating a state based exclusively on the specific religious identity. Western intelligence agencies are on the same page – recruits come from many countries, led by the joint cause of establishing a religious-based state. Therefore, this quote in the highest global forum indicates ignorance of great proportions, but also the tendency of blaming specific ethnic groups by identifying them with terrorism.

Another invention comes later on: the country is under the threat of a “Balkan Caliphate”. It again proves the lack of information – there is no such thing as “Balkan Caliphate”. Those led by caliphate ideas have launched their miserable campaign in order to occupy large and compact territories, paying less attention to the current geographic carving.

The key message was the trickiest, as it linked the foreign terrorists’ issue with the problems faced by Macedonia. It doesn’t suit allies to use blackmails, by saying that keeping Macedonia out of NATO constitutes a vacuum waiting to be filled sooner or later; this also lessens Macedonia’s evident contribution to global security.

Nanokatra ny kabariny i Ivanov tamin'ny filazana fa “mivondrona araka ny fokom-pireneny ny mpiadin'i Balkan”. Izany dia mifangarika amin'ny iraka tatatatain'ny vondrona mpampihorohoro tahaka ny ISIS, izay manambara fa manana tanjona hanangana firenena mifototra manokana amin'ny fivavahana. Mitovy takelaka aminy amin'izany ihany koa ny sampam-pitsikilovana Tandrefana – avy amin'ny firenena maro no anangonana olona nantsoina hanangana firenena iray mifototra amin'ny fivavahana. Saingy izany teny notsongaina natao tany amin'ny seha-pivoriana avo indrindra izany no mampiseho tsy fahalalana amin'ny ampahany be, sady mampirona ihany koa amin'ny fibedesana vondrom-poko manokana amin'ny fanondroana azy ireo amin'ny fampihorohoroana.

Tonga ny famoronana taty aoriana: tandindonin'ny fandrahonan'ny “Kalifàn'i Balkan” ny firenena. Mbola manaporofo ny tsy fahampiam-baovao hatrany izany – tsy misy zavatra tahaka ny hoe “Kalifàn'i Balkan” izany. Nanao fanentanana ireo tarihin'ny hevitra hanangana kalifà mba hahazo zaratany midadasika sy feno tsy miraharaha izay vohontany any.

Manahirana dia manahirana ny hafatra fototra, satria mampifandray ny raharahan'ny vahiny mpampihorohoro amin'ny olana atrehin'i Masedonia. Tsy mety amin'ny mpiara-dia ny fanaovana kendaroroka, amin'ny filazana fa mampiorina banga miandry hofenoina vetivety na elaela ny fametrahana an'i Masedonia ho ivelan'ny OTAN, mampihen-danja an'i Masedonie eo amin'ny fandraisana anjara amin'ny fiarovana manerantany ihany koa izany. 

Naneho hevitra tamin'ny ampahan-kabarin'i Ivanov izay lazain'ny mpiserasera avy ao Masedonia ho mitady fanehoan-kevitra ihany koa ny mpisera Twitter Andreja Bogdanovski :

Lalàna voalohany, tsy mila miteny izany mihitsy tao amin'ny vaomieran'ny filaminana ianao ry filoha Ivanov ” Tsy mbola nivonona ho amin'ny fandrahonan'[ny ISIS] ny faritra sy ny firenena misy anay #Macedonia 

Cvetin Cilimanov, mpanao gazety efa niasa hoan'ny Filoha Ivanov amin'ny maha-lefitry ny mpiandraikitra amin'ny fifaneraserana amin'ny vahoaka mialoha ny niasany ho masoivohon'ny sampana fampahalalam-baovaom-panjakana Masedoniana azy sy efa naneho ankarihary hatrany ny heviny mirona amin'ny elatra havanana ara-politika, no nandresy lahatra [11] tsy misy vazivazy milaza ny kabary ho “manan-tantara”, eo amin'ny lafiny firesahana voalohany ny zavatra tahaka ireny. Nanampy ihany koa i Cilimanov fa tsy dia tena manaratsy loatra ny fifandraisana eo amin'i Etazonia sy Masedonia iny, satria efa nandao ny fivorian'ny Firenena Mikambana i Obama ary mety ho tsy nahare akory ilay kabary, tsy miraharaha loatra ny “fibedesana” nataon'ny Filoha Ivanov tamin'i Etazonia sy ny mpiara-dia aminy izay nivoitra tamin'ny ampahany maro tamin'ny kabary.