Mitifitra Baomba Mandatsa-dranomaso Amin'ireo Mpanao Fihetsiketsehana Milamina Manohana Ny Demaokrasia Ny Polisin'i Hong Kong

Protesters in Hong Kong are using umbrellas to shield themselves from tear gas.  Photo from Twitter @15MBcn_int

Mpanao fihetsiketsehana ao Hong Kong mampiasa elo hiarovan-tena amin'ny baomba mandatsa-dranomaso. Sary tao amin'ny Twitter @15MBcn_int

Notsenain'ny kibay, baomba mandatsa-dranomaso ary tifitra sakay ireo mpanao fihetsiketsehana mitaky fifidianana tena izy ara-demaokratika ao Hong Kong tamin'ny andro faharoa nanaovana fihetsiketsehana tao an-tanàna.  

Taorian'ny fifandonana teo amin'ny polisy sy mpanao fihetsiketsehana ao Hong Kong tamin'ny 27 Septambra, nanomboka nanao sit-in goavana tamin'ny 1 sasany maraina ny vondrona mpanohana ny demaokrasia Occupy Central with Love and Peace (Bodoy  am-Pitiavana sy am-Pilaminana i Central) ny ampitso mba hanery ny governemantan'i Shina hanaisotra ny fepetra napetrany amin'ireo kandidà mirotsaka hofidiana ho mpitondra fara-tampon'i Hong Kong fa tsy maintsy mahazo ny fanohanan'ny maro an'isa avy amin'ny komity mpanendry izay mpanohana an'i Beijing ny ankamaroany izy ireo. 

Nanomboka niezaka nanaparitaka ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'ny alalan'ny kibay, fandefasana baomba mandatsa-dranomaso ary tifitra sakay ny polisy misahana ny rotaka nanomboka tamin'ny 6 hariva tamin'ny 28 Septambra. Mpanao fihetsiketsehana an'arivony no mbola mifanatrika amin'ny polisy eny an-dalambe ao akaikin'ny distrikan'ny vola ao an-tanàna amin'izao fotoana hivoahan'ny lahatsoratra (teny anglisy) izao. 

Niparitaka tao amin'ny media sosialy ireo kaonty tsy voamarina misy ireo polisy mampiasa bala fingotra hitifirana ireo mpanao fihetsiketsehana. Nandrisika ireo mpanao fihetsiketsehana ireo mpikarakara ny hetsika mba hiala amin'ny 10 alina any ho any.

Nampanantena hoan'ny fari-pitantanana manokana ao Hong Kong, manana fizakantena manoloana ny tanibe, i Shina fa hisy ny fifidianana mivantana ny lehiben'ny mpanatanteraka amin'ny taona, saingy misisika milaza ireo mpikatroka mpanohana ny demaokrasia fa manohintohina ny zon'ny vahoaka hifidy izay ho mpitarikany ny fanendren'ny avy amin'ny komity.

Nolazain'ny polisin'i Hong Kong ho tsy ara-dalàna ny sit-in ary notapahana ny arabe sy ny lalana mankany amin'ny foiben'ny governemanta. Miha-betsaka ny olona tonga ary niparitaka manodidina ny distrikan'i Admiralty sy ny Central izy ireo satria miezaka hipaka ao amin'ny foiben'ny governemanta amin'ny fanarahana ny lalambe midadasika mizara roa Harcourt sy Connaught. Notapahana ireo arabe lehibe roa ao afovoan'ny distrikan'ny vola tamin'ny 3 ora tolankandro.

Nanatontosa valan-dresaka hoan'ny mpanoratra gazety ny lehiben'ny mpanatanteraka Leung Chun-ying tamin'ny 3 sasany, nilaza indray ny fijoroany fa mila ferana amin'ny rafitra napetrak'i Beijing ny fanovana ny rafi-pifidianana ao Hong Kong ary handray fepetra ny polisy manoloana ireo fihetsiketsehana tsy ara-dalàna, araka ny voalazan'ny lalàna.

Olona an'arivony no mihodidina ny foiben'ny governemanta avy tamin'ny toerana samihafa ao amin'ny distrikan'i Admiralty sy Central, manakana lalàna maromaro. Nandefa marika fampitandremana volomboasary ny polisy, izay milaza hoe ” miparitaha ianareo raha tsy izany hitifitra izahay” :

Mbola tsy nahita famoretana tahaka izao tao #HongKong - polisy mandefa fampitandremana amin'ny mpanao fihetsiketsehana ” MIPARITAHA FA HITIFITRA IZAHAY’

Tamin'ny 6 ora hariva, nanomboka nitifitra tamin'ny baomba mandatsa-dranomaso ny polisy misahana ny rotaka.

Mpisera Twitter maro no nampiakatra sary misy ny fifandonana mahery vaika. Nandefa sarina polisy misahana ny rotaka manambana basy amn'ireo mpanao fihetsiketsehana milamina, mampiakatra tanana i @imrika1874 :

#HongKong ity !!!! Zarao amin'izao tontolo izao azafady !!!!!

Namoaka ity tranga ity i @jeromyu :

[maika] aparitaho azafady: polisy maherisetran'i HK mitifitra #Teargas amin'ireo mpanao fihetsiketsehana milamina, mandrahona ny hitifitra azy ireo!!!

Nanjary nokendren'ny tifitra sakain'ny polisy ireo mpanoratra gazety sy olona antitra :

Endrika mora fantatra indrindra ao Hong Kong

Nisambotra mpanao fihetsiketsehana efa antitra ny polisin'i HK, nasainy nihodina ary notifiriny sakay teo amin'ny tarehy. Fihetsika manafintohina !

Raha tokony handositra, olona marobe no niparitaka ary niverina niaraka tamin'ny fitaovam-piarovan-tena, tahaka ny akanjo tsy tantera-drano, sarontava sy solomaso miaro amin'ny entona :

Mpianatra Vonona amin'ny alina. Fikarakarana mahatalanjona.

Nikorontana ny vahoaka tamin'ny fahatongavan'ireo polisy fanampiny ! Mitabataba hoe “Miala ry polisy”

Fanampin'izany, nanome baiko ny orinasan'ny metro hanakatona ny fiantsonana ao Admiralty ny polisy mba ahafahana mandefa polisy misahana ny rotaka maromaro hanao famoretana. Saingy nanao sakàn-dalana tao amin'ny fidirana ao amin'ny metro ireo mpanao fihetsiketsehana mba hanakanana ny polisy:

Naka ny sarin'ny polisy mametraka lamasinina MTR handefasana polisy fanampiny ireo mpianatry ny Kolejy Chu Hai

Sakan-dalana ao amin'ny fiantsonan'ny metro ao Admiralty

Ho setrin'ny herisetran'ny polisy, nandrisika ireo mpianatra tsy hamonjy fampianarana mandritra ity herinandro ity ny Federasion'ny Sendikan'ny mpianatry ny Oniversite. Niantso ny mpiasa hanao fitokonanana kosa ny Federasioan'ny Sendikà, ary hanatontosa fitokonanan'ny mpampianatra ihany koa ny Sendikan'ny Fampianarana Arak'asa ao Hong Kong sy ny Sendikà Ankapoben'ny mpiasa sosialy ao Hong Kong.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.