
kisary an'i @nobodycorp manohitra ny fifidianana tsy mivantana atao any amin'ny faritra
Tanaty hetsika iray nataony niteraka hatezeram-bahoaka, nifidy ny hanilika ny fifidianana mivantana izay ho filoha hitarika ny Antenimieram-paritra kosa ireo tao amin'ny Antenimeram-pirenena Indoneziana, raha tokony ho nisafidy ny hitarihan'ireo Solotenam-paritra ao amin'ny Antenimiera an'ilay dingana fifantenana.
Taorian'ny fianjeran'i Suharto, ilay mpitondra tsy refesi-mandidy, tamin'ny 1998, nitolona hatrany ny hiverenany ho firenena tena demôkratika i Indonezia. Efa ho telopolo taona i Suharto no filoha indoneziana. Ny vanim-potoana taorian'i Suharto dia noheverina ho tetezamitan'ny firenena ho any amin'ny demôkrasia, saingy nofingampinganin'ireo “manimanina ny tongolon'i Ejipta” hatrany ny làlana. Na izany aza, nisy ihany ny fanovàna sasantsasany tamin'ny fitantànana, toy ny zotram-pifidianana mivantana, izay noharabaina noho ny fangaraharàny sy ny fampiroboroboany ny fandraisana anjaran'ny olom-pirenena amin'ny raharaha politika.
Iray amin'ireo mpitarika novokarin'io rafitra io i Jokowi, mpandraharaha iray amin'ny fampitaovana an-tokantrano, izay lasa ben'ny tanànan'i Solo, governoran'i Jakarta, ary ankehitriny filohan'i Indonezia.
Saingy nohamafisin’ireo mpanao lalàna any amin'ny faritra fa lafovidy ny fifidianana mivantana. Raha hiverina amin'ny fomba fifidianana DPRD i Indonezia, dia hiteraka tahiry hatramin'ny 2,9 lavitrisa dolara Amerikana izany. Saingy ny zavatra adinon-dry zareo ny nanipika azy dia fanta-daza ihany koa amin'ny resaka kolikoly ity andrim-panjakana ity. Araka ny masoivohom-panjakana KPK- Kaomity miady amin'ny Kolikoly – misy solotenam-paritra miisa 3.600 ao amin'ny antenimiera izay voafatopatotra aminà resaka kolikoly isan-karazany amin'izao fotoana izao. Atahoran'ny KPK hametraka kolikoly ara-drafitra lalim-paka ny DPRD.
Nisy nitatitra hoe tsy ho foana ny fifidianana mivantana any aminà faritra efatra manokana: Aceh, Jakarta, Yogyakarta, ary Papoazia.
Nahatezitra olona maro ny vaovao mikasika ny adihevitra tamin'ny fivoriana ara-potoanan'ny mpanao lalàna sy ilay fandaniana avy hatrany, dia ireo olona izay mpanohana ny rafitra fifidianana mivantana. Satria azo lazaina ho ireo faritany indoneziana rehetra no manankarena amin'ny angovo voajanahary, dia betsaka no mihevitra fa tena tsy kilalaon-jaza mihitsy ny fifantenana izay ho filoha mpitarika ho afaka hiaro ny tombontsoan'ny vahoaka.
Misy ihany koa ny fiahiahiana an'ireo mpiray antoko amin'i Prabowo, ilay mpirotsaka ho filoham-pirenena resy tamin'ny fifidianana, izay mifehy ny ankamaroan'ny seza ao amin'ny parlemanta, ho niketrika izay hampitongilànana ny fifidianana ho amin'ny tombontsoan'ilay tolo-dalàna. Nandà ny voka-pifidianana izay ho filoham-pirenena i Prabowo.
Nankalazain'ireo mpampiasa Twitter ny tenifototra #RIPDemokrasi (mandria am-piadanana ry demôkrasia) sy ny #ShameOnYouSBY (henatra ho anao ry SBY) mba hanehoana tsy fahafaliana amin'ny fanapahan-kevitry ny Antenimiera sy hanoherana ilay filoha teo aloha Susilo Bambang Yudhoyono (SBY):
Mr @SBYudhoyono kills democracy on his way out. A tragic epilog of his 10-Year presidency. pic.twitter.com/g58JMEF3IE #ShameOnYouSBY
— ANDRE(opa)SUMUAL (@andreOPA) September 26, 2014
Sady mivoaka Ing @SBYudhoyono no mamono ny demôkrasia ihany koa. Ampahan-tantara maha-ontsa tamin'ny fe-potoana 10 taona nitondràny.
Indonesian people protest against indirect election is a good proof that there's no people's representative
— Gandrasta Bangko (@gandrasta) septiembre 26, 2014
Porofo iray tsara amin'ny tsy fisian'ny solontenan'ny vahoaka ilay hetsi-panoherana ny fifidianana tsy mivantana ataon'ny vahoaka Indoneziana
When the plea of a sitting president and party leader is ignored by his own party members, what is he good for? #RIPDemokrasi
— Alice Budisatrijo (@alicebudi) September 26, 2014
Raha ny mpikambana ao amin'ny antokony aza tsy miraharaha ny maha-filoha sy mpitarika antoko azy, inona izany no ilàna azy?
Pagi yang sangat emosional, demokrasi di perkosa gaya gangbang #RIPDemokrasi
— GabrielBkk (@Gmontadaro) September 26, 2014
Maraina mampihetsi-po loatra, niharan'ny fanolanana faobe ny demaokrasia.
Worldwide Trending Picture! pic.twitter.com/euPQ08HatP
— Triawan Munaf (@Triawan) September 28, 2014
Sary miparitaka sy malaza erantany!
My deepest condolences for the death of Indonesian Democracy and we all know who the killers are. @SBYudhoyono #ShameYouSBY #RIPDemokrasi
— Evan Stedy (@evanstedy) September 26, 2014
Ny fiaraha-mioriko noho ny fodiamandrin'ny demôkrasia Indoneziana ary fantatsika rehetra hoe iza ireo namono azy
We are heading back to the past time era again. Welcome to the old Indonesia. #RIPDemokrasi #ShameOnYouSBY
— Brownies Kukus ✌ (@irfanyusnizar1) September 28, 2014
Miverina any amin'ny taonjato fahiny indray isika. Arahaba ry Indonezia tranainy
Tototry ny hafatra miaty fanoherana ilay fanapahan-kevitry ny Antenimiera ihany koa ny Facebook. Bhimanto Suwastoyo, mpampiasa Facebook, niantso ireo mpifidy hitsipaka ireo politisiana izay nanohana ny fanilihana ilay zotram-pifidianana mivantana:
DIA IZAO NO IZY. Tadidio ireo mpanao lalàna sy antoko nifidy ny fifidianana tsy mivantana ary aza mifidy azy ireny intsony amin'ny manaraka!
Ho alefa eo anatrehan'ny Fitsarana Avo ilay olana mba hodinihana ny maha-ara-dalàna azy. Mifandray amin'izay ihany, nisy fanangonan-tsonia nokarakaraina hatolotra ny Fitsarana Avo mba hanafoanana ilay fanapahan-kevitr'ireo mpanao lalàna.
Sutan Bhatoegana, politisiana avy amin'ny Antoko Demôkratika dia nilaza fa nangatahan'i SBY ireo rehetra mpikambana ao amin'ny antokony mba “hiaraka hivoaka daholo” ho fiarovana ny zon'ny vahoaka ; kanefa, diso ny fandraisana ilay hafatra ka asa toy ny baiko “hivoaka” handeha hijery ny fanisàna vato. Dia lasa fiaraha-mamindran'ireo mpikambana avy amin'ny antokon'ny mpitondra ilay izy, izay nahavita nanatongilana ny fifidianana ho tombontsoan'ny fanilihana ny fifidianana mivantana.
Idetopia, mpampiasa Twiter, dia naneso ny safidin'ilay antoko hanakianany ny tsy fahombiazan'ny fanitsiana tena :
Hasil investigasi internal partai: yang salah Swiftkey, mau ngetik “all-out” jadi “walk-out.” 🙂
— Idetopia (@idetopia) September 29, 2014
Fanadihadiana anatiny ao amin'ny Antoko (Demoktarika) : hadisoan'ny fitendry “Shift”, raha tokony ho “all-out” (fiarahana mivoaka) dia “walk-out” (fiaraha-mamindra) no voatendry
Ho fanazavana ny honohono momba ny fahadisoana tamin'ny famakiana ny hafatr'i SBY, nilaza i Syarief Hasan, tale mpanatanteraky ny Antoko Demôkratika, hoe nisy hadisoana tao anatin'ny hafatr'i SBY.
Idetopia mamintina hoe :
Gak penting siapa yg salah dlm walkout itu. Kenyataannya, dia dan partainya sdh membuat demokrasi kita mundur 10 th.
— Idetopia (@idetopia) September 29, 2014
Tsy olana ny hoe iza no nanaitra ilay fiaraha-mamindra e. Ny zava-nisy dia izy (SBY) sy ny antokony no niteraka ny fihemoran'ny demôkrasiantsika ho any amin'ny 10 taona (tany aloha).