Ireo Saribakoly Vaventy Hetsehan-tànana No Manokatra Ny Adihevitra Momba Ny Olana Sosialy Ao Mozambika
Mibodo ireo toerana natao ho an'ny daholobe amin'ny alàlan'ireo saribakoly vaventy izay mahatonga anao hiasa saina momba ireo olana sosialy faran'izay lalim-pàka mikasika ny fiarahamonina mozambikana: io tanjona io no nentin'ireo tanora artista nivondrona hanangana ny fikambanana ara-kolontsina Marionetas Gigantes de Moçambique.
Ilay tetikasa, nafantoka amin'ny fanaovana fampisehoana eny an'arabe sy ny famoronana ireo loha, saron-tava ary saribakoly vaventy, dia teraka avy amin'ilay hetsika “Fanomezan-danja eo an-toerana sy erantany ny fomba fanao artistikan'i Mozambika sy Guinée-Bissau” nampahafantarin'ny Centro Cultural Franco-Moçambicano (CCFM) tamin'ny 2011, niaraka tamin'ny fanohanan'ny Fiombonambe Eoropeana. Aingam-panahy azo avy amin'ny asa novokarin'ny kaompania Les Grandes Personnes, avy any Frantsa sy ny zana-tsampany ao Borkinà Faso, Boromo, ary ny The Giant Match Association, ao Afrika Atsimo no hevitra niaingàna.
Ny taona niforonany ilay tetikasa dia efa nahavondrona mpanakanto niisa 40 tao Mozambika , Guinée-Bissau, Frantsa sy Afrika Atsimo, nandritry ny atrikasa artistika iray noraketina ho an'ilay fanadihadiana “Gigantes na Rua“, notontosain'i Sérgio Libilo ary natomboka tamin'ny Martsa 2012:
Ny atrikasa voalohany ho famoronana, fanofànana ary fifanakalozana amin'ny reska fanamboarana saron-tava sy saribakoly vaventy hetsehan-tànana dia niteraka fampisehoana iray an'arabe nomena anarana hoe “O bazar e as suas…” izay niseho voalohany tany akaikin'ireo tsena roa be olona indrindra ao an-tànanan'i Maputo, tamin'ny Desambra 2011:
[Ny seho “O bazar e as suas…”] izay nampiasa ny fiainana andavanandron'ny olona eny an-tsena mba hiresahana fitiavana, olana andavananandro ary ny fikorontanan'ny firindram-piarahamonina amin'izao fotoana izao, toy ny kolikoly, ny tsy fisian'ny fandraisana an-tànana ireo sembana, ny tsy fitoviana ara-tsosialy ary ny tsy fahazoana ireo filàna fototra ilaina isanandro.
![Marionetas gigantes escalaram a Cidade de Maputo [retirada do blog Afribuku]](https://pt.globalvoicesonline.org/wp-content/uploads/2014/05/Marionetas.jpg)
Niato kely tao Maputo ireo saribakoly vaventy hetsehan-tànana. Sary nalaina tao amin'ny tranonkala Afribuku (fampiasàna nahazoana alàlana)
Atomboky ny mpanoratra amin'ny famaritana ny sehatra ara-tantaran'ireo filatroana amin'ny karnivaly ao Mozambika hatrany amin'ny fotoanan'ny fanjanahantany, ary anomezany antsipirihany mikasika ny tena fiantraikan'ny asan'ireo saribakoly vaventy amin'izao fotoana izao eo amin'ny lafiny sosialy, amin'ny fanoritsoritana ny sasany amin'ireo endrika ampandraisina anjara noforonin'ilay fikambanana:
La corrupción, la marginación de los discapacitados o la pobreza son cuestiones que destacaron los participantes. Dentro de ese imaginario, los artistas montaron la estructura inicial con barras de metal y material reciclado como botellas de plástico. (…) De todo ese proceso nacieron unos protagonistas que representan el universo social del Mozambique actual: Moisés el corrupto, Mpili la vendedora, Antonio Mazanga el policía, Alzira la adolescente, Madalena la clienta rica, Nyankuav la curandera, Papaito el deficiente y Zaida la cliente pobre. Todos ellos son perfectamente identificables por cualquier persona que conozca la realidad del país. Ninguno es ajeno al complejo entramado de tensiones de poder que se corresponden con las principales dificultades cotidianas que reinan en el país desde poco después de su independencia.
Ny kolikoly, ny fanaovana ho an-jorom-bàla ireo olona sembana na ny fahantràna no olana navoitran'ireo mpandray anjara. Ao anatin'ity asa famoronan'ny saina ity, tamin'ny alàlan'ny tsato-by sy fitaovana azy averina ampiasaina toy ny tavoahangy plastika no nanaovan'ireo mpanakanto ny lasitra voalohany niaingàna .(…) Avy amin'io dingana io no nahaterahan'ireo endrika nampandraisina anjara, izay misolo tena ny tontolo sosialy misy ankehitriny ao Mozambika : Moisés, ilay mpanao kolikoly, Mpili ilay mpivarotra, Antonio Mazanga, ilay polisy, Alzira ilay tovovavy, Madalena, ilay vehivavy mpanankarena mitàna toeran'ny mpanjifa, Nyankuav, ilay mpanasitrana, Papaito, ilay sembana, ary Zaida, ilay mahantra mpanjifa. Mora fantarina izy ireo ho an'izay tena mahalàla tsara ny zava-misy eto amin'ny firenena. Tsy misy olona mitoetra ivelan'ny rafitra saro-bahan'ny fifanenjanana ara-pahefàna, izay mifandray amin'ireo olana fototra isanandro manjaka eto amin'ny firenena taoriana kelin'ny nahazoana ny fahaleovantena.
Tamin'ny 2012, nandalo tany amin'ireo tanàna mozambikana hafa ireo saribakoly vaventy, toa an'i Marracuene sy Inhambane, ary koa tany amin'ireo fetibe toy ny Marrabenta, Artes de Rua ary ny AZGO, tany Maputo, ary ny MTN Bushfire tany Swaziland. Ny taona 2013, nanitsaka voalohany indrindra ny tany Portiogey ry zareo, ho fankalazàna ny Bienal Internacional de Marionetas tao Évora (Fetibe isaky ny roa taona ho an'ireo saribakoly hetsehan-tànana).
Tantaran'ny Afrika Mainty farany
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...