- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

La Nation: Manomboka Ny Fanenjehana Ireo Tsy Mitovy Hevitra

Sokajy: Madagasikara, Fahalalahàna miteny, Fanarahamaso, Fanoherana, Fisamborana sy faneriterena, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Sivana

Niteraka resaka be teto Madagasikara ny mikasika ilay artikla faha 20 mikasika ny heloka atao ety anaty habaky ny serasera (cybercriminalité). Betsaka ny ranomainty no efa niraraka, maro ny feo no efa nisandratra sy niakatrakatra nanakiana azy iny, saingy dia lany teny amin'ny Antenimiera ihany moa ilay izy.
Mitranga ankehitriny ny efa nahian'ny maro, raha ity lahatsoratry ny La Nation [1] ity no marina. Mikaroka fatratra an'i Ta Ramses, facebooker mantsy, hono, izao ny fitondràna, noho ity farany manakianaa min'ny alàlan'ny saiitatra alefa ety anaty tambajotra sosialy. Miandry ny tohiny ny mpisera rehetra