Miala Tsiny Ilay Tranombarotra Lehibe Iray Ao Filipina Noho ny Nivarotany Akanjo Milaza Hoe “Safosafo Miharo Herisetra” ny Fanolanana

Photo Credits: Karen Kunawicz

Avy amin'ny kaonty Facebook-n'i Karen Kunawicz.

Tany ampiandohan'ity herinandro ity, nahatonga ny fahatezeran'ireo Filipiana maro mpampiasa aterineto ilay poeta, Karen Kunawicz, rehefa nanaparitaka sary tao amin'ny Facebook, avy amin'ny sampana lehilahy ao amin'ny Departamantan'ny Toeram-pivarotana Lehibe SM. 

Nanontany i Kunawicz: ‘ny Departemanta SM marina ve izany? Tao amin'ny sampana lehilahy?’ Manao izao fanambarana izao, izay misoratra eo aminy ilay akanjo: “Tsy fanolanana izany, safosafo miharo herisetra io”

Ny ampitson'io, tsy maintsy nanao fialantsiny faobe ary nanome toky fa hanala ilay akanjo ao amin'ny tahirin'entany ilay tranombarotra lehibe SM, magazay lehibe indrindra ao Filipina, fananan'ilay lehilahy manan-karena indrindra ao an-toerana.

Nahatonga ireo mpikatroka ho an'ny zon'ireo vehivavy hitokona tao amin'ny zana-tsampana iray an'ny tranombarotra SM ilay akanjo voakiana. Nandritra izany, tsy maintsy nametraka vahaolana tao amin'ny kaongresy momba ilay resaka ny Antokom-behivavy “Gabriela”.

Nahazo mpankafy maherin'ny 1.800 ilay tenin'i Kunawicz ao amin'ny Facebook ary efa mihoatra ny in-4.700 no niozaraina . Maro ny hafatra ao amin'ny Twitter maneho hatezerana noho ilay akanjo “miandany amin'ny fanolanana”:

Safosafo miharo herisetra? Marina hoe? Tian'ny SM handehandeha miaraka amin'ilay akanjo bà izay mamaritra ny “fanolanana” amin'ny fomba faran'izay diso ve ireo  tovolahy? Ew.

Nandia fotoana WTF (vakio toy ny hoe teny ratsin-jatovo io) tena henjana androany, niaraka tamin'ny Bench sy ny SM nanao doka fampiroboroboana ny #kolontsainafanolanana. Tsia, tsia velively. Mijanona ho fanolanana foana ny fanolanana. #adala #adala #mampidi-doza

“Tsy fanolanana izany. Safosafo miharo herisetra.” Mivarotra akanjo bà amin'io andiany io ianareo raha ny marina, @MagazaySM. Tsy mahalala fomba ary tsy mendrika famelàna.

“Safosafo miharo herisetra”? Mba marina hoe? Amin'ireo zavatra rehetra soratana eo amin'ny akanjo bà iray, tsy maintsy hanihany natao hanihany momba ny fanolanana io. Adalana tsotra izao.

 Seho Filatroana “Naked Truth” an'ny Bench

Nandritra izany, marika akanjo lehibe iray no tsy maintsy naneho fialantsiny ho an'ny daholobe taorian'ny filatroana iray izay nahatonga resa-be tany amin'ny vahoaka ihany koa.

Nanameloka ny mpaninjara ny marika Bench ireo mpampiasa aterineto noho ny fanitsakitsahany ny hajan'ireo vehivavy nandritra ilay seho “Lamaody Pataloha ‘Naked Truth’ sy Atin'akanjo”. Nanoratra tao amin'ny Facebook i Liza Maza, solonenan'ny Antokom-behivavy “Gabriella”:

Tao amin'ilay seho ‘Naked Truth’ an'ny Bench – tokony raisina ho tompon'andraikitra amin'izao seho tsy misy fanajana sy manao ny vehivavy ho toy biby izao ny Bench ary tokony haneho fialantsiny.

#ilay naked truth. vehivavy nifatotra noentin'i coco martin. tamin'ny 2014? hadisoana kidaladalàn'ny fanahin'i #bench. pic.twitter.com/jJYpHdlJ65

Iray amin'ireo ampahany nalaza indrindra tamin'ilay seho, vehivavy maodely iray mandady eo amin'ny sehatra, raha tazonin'ilay mpilalao sarimihetsika malaza iray amin'ny tady toy ireny biby fiompiny ireny izy. Nanoratra ny The Plump Pinay nosoratan'i Danah sy Stacy fa “nihoatra ny fefy” ary “nahatonga ny ràn'izy ireo hangotrakotraka” ny filatroana nataon'ny Bench, tamin'ny filazàny fa manandratra ny fanandevozana ara-nofo sy ny fivarotana olona ireo zavatra hita ireo:

Tsy fantatry ny mpiasa ao amin'ilay orinasa ve fa fanasaziana nataon'ireo Nazia mba hanalana tanteraka ny haja sy ny maha-olona ny vehivavy na lehilahy iray tny amin'ireo toby fanavangongoana ny fanaovana ny olona ho toy ny alika (ara-bakiteny)? Mba hahatsapan'izy ireny henatra tanteraka sy fahambaniana? Tsy nisy ve na iray aza nahatsiaro tena ho hafahafa ka nitaky ny hanesoran'ny mpikarakara izany tao amin'ilay hetsika? Na ny iray aza?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.