- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kyrgyzstan: Milasy Eo Anilan'ilay Jiolahy Raindahiny Ao Amin'ny “Lalao Iraisam-pirenen'ny Mpifindramonina”.

Sokajy: Amerika Latina, Azia Afovoany sy Kaokazy, Kyrgyzstan, Però, Fanatanjahantena, Hevitra, Mediam-bahoaka, Mozika, Ny Tetezana - The Bridge
Many Kyrgyz doubt the difference between a convicted criminal like Kolbayev (left) and an MP like Tekebayev (right). Image remixed by author.

Maro ny mponina ao Kyrgystan no misalasala amin'izay maha-samihafa ny mpanao ratsy iray toa an'i Kolbayev(havia) sy ny mpanao lalàna (MP) toa an'i Tekebayev(havanana).Sary nakamban'ny mpanoratra.

Ny herinandro lasa teo, nampiantrano ny andiany voalohany tamin’ny Lalao Iraisam-pirenen’ny Mpifindramonina [1]i Kyrgyzstan. Raha avy amin’ny tatitra sasany, vita tsara ny seho, izay nampisongadina ireo mpandray anjara avy amin’ny firenena 19 samihafa. Ny lehilahy mifanandrina amin’ny lehilahy, ny soavaly mifanandrina amin’ny soavaly, ary nahantona teny amin'ny manodidina ireo fatinà osy ho famaliam-paty ny lalao ‘polo’ fahiny izay notontosaina [2] tany amin’ny toerana lavitry ny Eorazia foana, mianga avy eo Afganistana ka hatrany amin’ny ampahan’I Siberia.

Fa tsy ny olona rehetra hahavita hihomehy.amin'izany.

Hita ho tohina I Omurbek Tekebayev, MP efa ela tao Kyrgyzstan, izay tsy dia malaza intsony, raha nahatsikaritra [3] fa rehefa natory izy indray alina izay, tao amin’ny toby iray nanorenana “yurt (yurta/yourte)” (trano lay fampiasan'ireo mpifindrafindra toerana ao Azia Afovoany) namboarin’ireo mpikarakara ny hetsika, fa nisodisody teny akaikin’ny varavaran'ny yuorte iray teo akaikiny ilay jiolahy malaza indrindra ao amin’ny firenena. (Trano fonenana fahiny ho an’ireo mpifindra monina ny “yurta”, amin’ny teny Rosianina, “boz üý” amin’ny teny avy ao Kyrgyzstan, na “ger” amin’ny teny Maongôlina. Ilay tenin’i Tekebayevs no taterin’ [3]ny masoivohom-baovao ao an-toerana, vb.kg, no manaraka eto).

Недавно в Кырчыне мы были гостями в юрте, а по соседству сидел Кольбаев со своими ребятами. Он что, хочет с властью соперничать? Эту юрту, оказывается, выделили нам, депутатам, там губернаторы еще были, а он пришел туда. Нам тут же выделили другую юрту. Если он лидер в криминальном мире, то пусть будет там, а не соперничает с властью. Правоохранительные органы прямо там же должны были скрутить ему руки и задержать.

Indray andro, nisy nanasa izahay ho any amin’ny “yourte” iray tany amin’ny tanànan’i Kyrchyn [eo akaikin’ny toerana fanaovana ny Lalao Iraisam-pirenen’ny Mpifindra Monina] , dia tsikaritray fa niara-nipetraka tamin’ireo olony tao amin’ny “yourte” nifanolo-bodirindrana teo i Kolbayev. Fa inona ity? Te ho hifaninana amin’ny governemanta indray ve izy? Natao ho an’ireo depiote ilay “yourte” nipetrahan’izy ireo, kanefa tonga izy ary nalainy izany. Noho  izany, nangataka “yourte” hafa lavidavitra izahay. Raha izy no filohan’ny tontolon’ny fanaovana heloka bevava, aleo izy hipetraka eo toa izay hanandrana hifanandrina amin’ny governemanta. Tokony avy hatrany dia efa nosamborin’ny mpitandro filaminana tao izy.

Kamchi Kolbayev, lasibatry ny hasosoran’I Tekebayev, dia mpanao ratsy efa voaheloka ary heverina ho ‘Mpangalatra sangany-mifamatotra-amin'ny fianakaviana’ (Thief-in-Law) ao Kyrgyzstan, laharana manokana taorian’ny tontolo Sôvietika izay manome midadasika hery tsy ara-dalàna amin’ny hetsika famonoana olona ao amin’ny firenena na faritany iray voafaritra — ary ny mety ho henjana — laza iray tsy manan-tsahala eo amin’ireo mpoiara-migadra any am-ponja izay namitàny ny saziny.

Kolbayev, izay vao haingana no nigadra nandritra ny iray taona sy tapany noho ny fakàna an-keriny sy ireo fiampangana tamin'ny firaisana tsikombakomba amin’ny asa ratsy, dia sokajian’ny [4] governemanta Amerikanina ho aina manodina ny fanondranana zava-mahadomelina ao Eorazia. Alohan’ny nanamelohana azy, nipetraka fotoana fohy tao Dobay izy, toerana heverna ho nandrindràny [5] fandàvana faobe tsy hnaraka baiko — an’arivony ireo gadra nanakombona ny vavany taorian’ny fihetsiketsehana iray nahafatesana olona — tany amin’ny fonjan’I Kyrgyzstan tamin’ny 2012.

yurt

Ilay zavatra niandohan'ny fahatairana, yurt Kyrgyz. Sary avy ao amin'ny Wikipedia.

Kianja firiariavan'i Kolbayev tokoa raha nfaritanin'i Issyk-Kul nanaovana ilay Lalao Iraisam-pirenen'ny Mpifindra Monina. Tena faran'izay firiariavany tokoa ka tonga hatramin'ny hoe nomena [6] anarana ho fahatsiarovana ny dadan’i Kolbayev ilay kianja fanantontosana hetsika goavana ara-panatanjahantena. Fananam-panjakana ilay kianja ary tsy nanome alalana velively ny hanovàna ny anarany ny governemanta ao an-toerana, saingy tsy nahasakana ilay fanoloana anarana tsy hiroso anefa izany.

Noho [7] ny tsy nahavitàn’ireo solombavam-bahoaka toa an’i Tekebayev nanangana ny fitokisan’ny vahoaka an'ireo sangany ara-politika eto amin'ny firenena no mahatonga ireo mpanao heloka bevava mbola mitohy manana ny dindony ao Kyrgyzstan. Olon’ny politika avo toerana i Tekebayev, amin'ny naha-mpanoratra fototra ny lalàna parlemantera [8] ao Kyrgyzstan ankehitriny sady filohan’ny ankolafy lehibe ao amin’ny rantsana mpanao lalàna. Voarohirohy noho ny fitoriana azy ho nandray anjara taminà fandrobana nandritra ny fanovàna nisy tao amin’ny firenena tamin’ny 2010 ihany koa izy ary lahatsary [9] iray mamoafady ahitàna azy miboridana miaraka amin’ny vehivavy iray tsy fantatra – tsy ny vadiny – ary nankalazain’ny fahitalavitra Rosiana tao anatin’ny fanomanana ny fifidianana izay ho ao amin'ny antenimiera mpanao lalàna tao Kyrgyzstan tamin’izany taona izany. (Tsy mbola [10] nankafy an’i Tekebayev izany i Kremlin)

Izany no mety manazava ny anton'ny nanaovana tsinontsinona ny fahasorenan'i Tekebayev narahan'ny sarinteny sy ompa avy amin'ireo mpaneho hevitra tao amin'ny vb.kg, toerana nivoahan'ireo fitanisana azy :

Hoy [11] i Sem:

Лучшебы они там депутатами и губернаторами с опгешниками перестреляли друг друга.Народ вздохнулбы с облегчением!

Tsara kokoa raha nifampitifitra ireo solombavam-bahoaka, ireo mpitantana tanàna sy ireo mpanao asa ratsy. Mety ho fatin’ny haravoana angamba ny vahoaka!

Mpamaky iray hafa no nanao [11] fampitahana tsy dia mahafapo loatra momba ilay ‘Mpangalatra sangany-mifamatotra-amin'ny fianakaviana’ sy ny mpanao lalàna:

Кольбаев вор и к его чести это не скрывает и сроки за сию деятельность переодически отбывает. А вот “политик” Текебаев свою мародерскую деятельность депутатским мандатом прикрывает, Так, что вору в законе должно быть стыдно за соседство с Теке!

‘Mpangalatra sangany-mifamatotra-amin'ny fianakaviana’ i Kolbayev, tsy miafina amin’izany izy ary mampahafantatra matetitetika ireo zavatra ataony foana. Fa io “mpanao politika” io, Tekebaev, manafina ny fandrobana ataony ao ambadiky ny alalana omen’ny fe-potoana maha ao amin'ny parlemantera azy. Raha izany, tokony ho ilay mpangalatra no menatra noho ny fahitana azy eo anilan’i Kolbayev.

Miaro an’i Kolbayev amin’ny fomba mibaribary ny sasany:

Камчы, грохнул бы ты этого Текебашу, все бы тебе спасибо сказали.

Kamchi [Kolbayev], nisaoran’ny olon-drehetra ianao raha nahafaty an'izany Tekebayev izany.

 

На его месте надо радоваться тому, что Кольбаев ему рога не отломил!

Eo amin’ny toeran’i [Tekebayev], tokony hifaly izy fa tsy nopotehan’i Kolbayev.  

Nanitrikitrika [11] ny Iray amin’ireo vehivavy maro mpankafy ilay mpanjakan’ny asa ratsy :

Я хочу замуж за Камчи, красивый мужчина. Хочу чтобы мой муж был внешностью похож на него. Импозантный мужчинка. Камчи я люблю тебя!

Te hanambady an’i Kamchi [Kolbayev] aho, lehilahy tsara tarehy. Tiako hitovy aminy ny vadiko. Lehilahy tsy refesi-mandidy. Tiako ianao Kamchi a!

Na dia nisaotra [11] an’i Tekebayev aza ny olona iray satria “izy irery no mpanao politika natanja-tsaina nanonona ny anaran’i Kolbayev “, nanolotro soso-kevitra ny iray hafa fa ny tena fifandrafesan’i Kolbayev amin’I Tekebayev dia mitoetra [11] ao amin’ny fiahian’ilay depiote sampana iray hafa mpanao asa ratsy.

Nobangoin’ [11] i Kyzyl Asker ho iray ny zavatra tsapan’ny rehetra ao Kyrgyzstan, manjavozavo efa ela ilay tsipika manasaraka ny mpanao politika sy ny mpanao asa ratsy ka tsy mila atao sary intsony:

Да ладно тут цирк опять дешевый разыгрывать ! Они там всех за баранов держат что ли ? Депутаты, менты, бандюки – все в одной колоде, начиная со Акаевских времен ! Не было у нас Закона за эти 20 лет.

Na izany na tsy izany, ity indray no mampihomehy! Heverin’izy ireo ho toy ny ondry tsy mahay na inona na inona ve isika? Ireo depiote, ireo mpitandro filaminana, ireo olon-dratsy – ao anatin’ny baoritra iray daholo, nanomboka tamin’ny andron’i Akayev [Askara Filoham-pirenena  voalohany]! Tsy nahazo ny lalàn’ny fiarahamoninay izahay tao anatin’izay 20 taona farany izay.

Tsy nahavita ary nampalahelo ilay solombavam-bahoaka raha nihevitra ny haka vato politika tamin’ny filohan’ny «mafia».