Ny Safidin'ireo Mpampiasa Mediam-Bahoaka Amin'ny Sakafon'ny Hopitaly Ao Hongria

Nalefa nandritra ny fotoam-pahavaratra 2014 tany Hongria ny bilaogy iray; “Kórházi koszt” , izay mampiseho ny haratsian'ny kalitaon'ny sakafo sy ny hakeliny, aroso any amin'ny hopitaly Hongroa.

tumblr_narb36FahO1ticsozo1_1280

Fandrotsahana avy amin'ny mpampiasa ny bilaogy Kórházi koszt, nampiasaina miaraka amin'ny fanomezan-dalana.

Bilaogy niainga avy any amin'ny hasosoran'ireo Hongroà natao tsinotsinona izay niditra hopitaly ka nahazo, tsy vitan'ny sakafo kely fotsiny, fa mazàna sakafo “maharikoriko” sy mora be ihany koa. Nahangona mpanjohy maherin'ny 6.000 ny pejy Facebook-n’ilay blaogy tao anatin'ny herinandro vitsy. Teo anelanelan'izany, namoaka sary 22 nitanisa ireo karazana sakafo aroso any amin'ny hopitaly manerana ny firenena ny Buzzfeed, izay nahatonga ireo Hongroà mpampiasa ny  aterneto hitsiriritra ny kalitaon'ny sakafo aroso any.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.