- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nanambara Ny Minisitra Iraniana Fa Tsy ‘Nampanantena Velively’ Ny Hampitsahatra Ny Sivana Atao Amin'ny Tranonkalan-tserasera Ny Governemanta

Sokajy: Iràna, Mediam-bahoaka, Sivana, Teknolojia, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
Screenshot of Hassan Rouhani Facebook page. [1]

Sary nosintonina tamin'ny pejy Facebook an'i Hassan Rouhani.

“Tsy  nampanantena velively ny hanokatra indray ireo zavatra niharan’ny sivana tamin’ny lasa ny Governemantan’I Rouhani “, hoy ny Minisitra iraniana misahana ny Teknolojian’ny Filazam-baovao sy ny Serasera (ICT) Mahmoud Vaezi raha niresaka tamin’ny mpanao gazety [2] izy nandritra ny fihaonany tamin’izy ireo ny 21 Aogositra. Nivoaka ity fanambaran’I Vaezi ity taorian’ny adihevitra sy fifanazavana nifanaovan'ny media sy ny governemanta Iraniana nandritra ny herintaona mahery mikasika ny tsy tokony hanasiana sivana intsony amin'ireo tranonkalan’ny mediam-bahoaka izay be mpakafy toy ny Facebook sy ny Twitter. 

“Amin’izao vaninandro izao, ireo orinasa tsy miankina sy ireo anjerimanontolo dia tokony hiezaka ny hamorona tambajotranà mediam-bahoaka eto an-tanindrazana mba hampiasain’ny olompirenena” hoy ny navalin’I Vaezi ny fanontaniana napetraka taminy hahafantarana raha toa ka efa mahazo mampiasa tsy ho ela intsony ny Facebook sy Twitter ny Iraniana, izy roa ireo izay samy voarara eto amin’ny Firenena.

Miezaka ny hanafoana ireto zavatra toherin’ny vahoakan’ity Firenena ity ireto ny governemanta, ary eto amin’ny firenen-tsika izay firenena Silamo, mitandrina fatratra ny lafin’ny ara-moraly sy ny soatoavina ny fianakaviana izay tsy mankasitraka ny fampiasana ireny tranonkala-tserasera voarara ireny”. Nanohy ny fanazavàny i Vaezi ka nilaza fa tsy tompon’ny fanapahan-kevitra farany ny Ministeran’ny (ICT), fa eo am-pelatanan’ny Komity ara-pitsaràna misahana ny Famaritana ny Votoaty Mamoafady (CCDOC) izany. 

Manohitra amin'ny lafiny rehetra ny fanambaran’I Filoha Hassan Rouhani (raha nahavelom-pantenanana) fony izy nandray ny fitondrana, mikasika ny fanalalahana ny fanarahamaso ny aterineto, ny tenin’I Vaezi. Nandritra ny fampielezan-kevitra nataony tamin’ny fifidianana, nokianin’i Rouhani ny toe-javatra misy momba ny Aterineto ao Iran, izay nanaovany fanamarihana [3] ny 29 Jiona 2013: “Amin’izao tontolo iainan-tsika izao, ny fameperana ny filazam-baovao dia tsy azo sainina mihitsy.  Tototry ny vaovao ny tanora ka tsy maintsy miomana amin’ny fiatrehana izany isika.“

Tamin’ny volana Mai 2014, nasongadin’i Rouhani izany hevitra izany nandritra ny famelabelaran-kevitra [4] nataony mikasika ny teknolojian’ny filazam-baovao sy serasera, izay niresahany ny maha zava-dehibe ny tokony hanomezana fahalalahana ny Iraniana hampiasa ireo tranonkala toy ny Facebook sy Twitter.

Ny volana Janoary 2014, tamin’ny resadresaka [5] nifanaovan’ny Minisitry ny Kolontsain’I Rouhani sy ny Al Jazeera amin’ny teny anglisy, no nilazany fa, “Mampiasa ny Facebook daholo ny Iranianina rehetra. Araka ny tarehimarika anananay dia 4 tapitrisa ny mpikambana ao aminy, ka na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy hoesorina ireo famefifefena ireo”. Saingy niseho lany indray ny fifanoheran-kevitra teo anivon’ny Kabinetran’i Rouhani Rouhani ny volana Janoary 2014 rehefa nibaribary nandritra ny fivorian’ny CCDOC ny firoaroan-tsaina nisy teo amin’ny tompon’andraikim-pahefana sasany momba ny fanarahamaso ataon’ny fitondrana amin’ireo tambajotran-tseraseram-bahoaka. Tamin’izany fotoana izany no nanambaran’ i [6]Vaezi fa neken'ny tao amin’ny Komity fa tokony ho raràna ireo tranonkala “manohitra ny fivavahana sy tsy manaraka ny lalàna ara-moraly”, etsy an-daniny kosa anefa, ireo izay “tsy mitarika ho any amin’ny kolikoly” ary mampitombo ny fahalalàn’ny vahoaka dia tokony ho azo hampiasaina an-kalalahana.

Amin’izao fotoana izao ny Governemantan’i Rouhani dia toa tsy mbola manana politika mirindra mikasika ny  fahazahoam-baovao. Na misy aza anefa ny sivana atao amin’ny Facebook eto an-tanindrazana, ny Filoha Hassan Rouhani sy ny olona maro ao amin’ny Kabinetrany, singanina manokana amin’izany ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Mohammad Javad Zarif, dia anisan’ireo mpampiasa Facebook mahataka-javatra sy malaza indrindra ao Iran.