Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Niteraka Resa-be Ny Sary Efa Lany Daty Momba An'i Okraina Nalefan'ny Masoivoho Amerikana Tao Amin'ny Twitter

US Ambassador to Ukraine Geoffrey Pyatt tweeted some images that weren't what he said they were. At least he didn't tweet this. (Images edited by Kevin Rothrock.)

Nisioka sary sasany tsy izy lazainy fa izy ny ambasadera Amerikana ao Okraina, Geoffrey Pyatt. Farafaharatsiny tsy nisioka an'ity izy. (Sary namboarin'i Kevin Rothrock.)

Manana mpiray tampo aminy ny izay maharikoriko ny ady akitifitifitra ao Okraina Atsinanana ary fantatry ny ny olona ivelan'ny Okraina loatra izany: ny adim-baovao. Ao Donetsk sy Lougansk, mifampitifitra amin'ny basy sy baomba ireo lehilahy mitondra basy. Ao amin'ny aterineto sy ny fampahalalam-baovao manerantany, mifandefa sioka sy lahatsoratra bilaogy ireo mpanoratra gazety, manampahefana, sy ny olon-tsotra mpiserasera . Voafaritra amin'ny toerana iray ny iray raha manerantany kosa ilay hafa. Ny iray dia, azonao ny isa.

Tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity, nanomboka nanao fanazarantena niaraka tamin'ireo firenena 14 hafa ao Yavoriv, Okraina ny tafika Amerikana. Natao hanohanana ny “rafi-piarahamiasa eo amin'i Okraina, Etazonia, OTAN sy ny Fiarahamiasa Amin'ireo firenena mpikambana hoan'ny Filaminana ny “Rapid Trident”. Miaramila eo amin'ny 1.300 eo no voakasika ny amin'ilay lazain'ny Tafika hoe ” fanazaran-tena ifotony hoan'ny andia-miaramila”.

Nisioka imbetsaka momba ny fanombohan'ny Rapid Trident ny masoivoho Amerikana ao Okraina, Geoffrey Pyatt. Sarotra hazavaina, toa nisioka sary roa farafahakeliny izay tsy avy amin'ny Rapid Trident ny masoivoho, na dia nilaza aza ny siokany fa izy izany. Efa iray volana mahery ny iray amin'ireo sary, ary efa ho herintaona kosa ny sary faharoa.

Masoivoho Amerikana ao Okraina, Geoffrey Pyatt. Sary ao amin'ny Twitter.

Ao Rosia, nivoaka lohatenim-baovao avy hatrany ireo sioka mamitaka avy amin'i Pyatt. Nitatitra momba ny fahadisoan'i Pyatt tao anatin'ny ora fohy ny vaovao teny anglisy tao amin'ny sampam-baovao manohana an'i Kremlin RT ( “Russia Today” teo aloha), izay milaza fa nahaboramena endrika taorian'ny fandefasana sary tsy nohamarinina tao amin'ny Twitter i Pyatt.” Tsy natoky ilay sary nalefan'i Pyatt ny RT na dia izany aza. Fa natoky ireo “bilaogera sasany” namoaka fa “namboarina sy nokitihana [sic]” ny “fomba fijerin'” i Pyatt ny zava-misy [ao Okraina].

Saingy tsy notabatabaina be loatra tao amin'ny RuNet ny tantara momba ireo sioka. Roa andro taorian'ny tatitry ny RT, nampiantrano lahatsoratra bilaogy nosoratan'ny mpikambana iray ao amin'ny Antenimiera Sivika ao Rosia (fakàn-kevitry ny governemanta federaly) ny Akon'i Moskoa, saingy toa tsy nipoitra niresaka momba ireo siokan'i Pyatt ireo bilaogera.

Tamin'ny famintinana amin'ny teny Rosiana mikasika ny zava-niseho, tsy nanome antsipirihany hafa mikasika izay mpiserasera tompon'andraikitra tamin'ny fanatratrarana ny tsy mety nataon'i Pyatt ny RT, saingy nanonona mpanoratra gazety mahaleotena sady mpiara-miasa tsindraindray aminy, Graham Phillips izay nanoratra fanamarihana masiaka tany amin'ny masoivoho Amerikana tao amin'ny Twitter :

Tsia, ry Masoivohon'i Etazonia, tsy amin'izao fotoana izao io, fa sary efa taloha, mpandainga ianao.

Mpampita vaovao ao amin'ny RT,  Marina Portnaya kosa toa nahita ny fahadisoan'i Pyatt ho manala-baraka indrindra, hoy izy tamin'ireo mpijery:

Now the US administration has been relying on Twitter in part to shift public opinion surrounding the crisis in Ukraine, but [sic] it’s clear that Washington does want to present its version of what’s happening there, but obviously the PR campaign falls apart when the world discovers that fake [sic] and outdated pictures are being presented as fact.

Miankina amin'ny Twitter ankehitriny ny fitantanana Amerikana mba hanova ny hevi-bahoaka manodidina ny krizy ao Okraina, kanefa [sic] mazava fa te-hampiseho ny fomba fijeriny mikasika ny zava-mitranga ao [Okraina] i Washington, ary mibaribary fa mirodana ny hetsika seraseram-bahoaka rehefa mahita izany fahadisoana [sic] sy sary efa lany andro izay aseho ho toy ny tena izy izany izao tontolo izao.

Rehefa nahavita ny lahateniny i Portnaya, namaly ny mpanolotra vaovao ao amin'ny RT: «Eny, Marina, tsy ho voafitaka intsony izao tontolo izao.” Eny tokoa, sarona ny tetika maloton'i Amerika hamitahana izao tontolo izao.

Na dia izany, tena misy ireo fanazaran-tena ara-miaramila Rapid Trident, ary telo andro taty aoriana: mbola tsy tapitra izany. Raha ny marina, mbola misy herinandro mahery anaovana diabe, fitifirana sy fitondrana fiara manodidina. Tsy isalasalana fa fahadisoana feno hadalàna ireo siokan'i Pyatt, masoivoho Amerikana. Milaza ny sasany fa niditra mili-pikarohana sary voamarika hoe “USAREUR” sy “Okraina” fotsiny ireo mpiasan'ny masoivoho mitantana ny kaonty Twitter-ny, ary mandefa izay hita fa manaitaitra fotsiny. (Samy tsy namaly ny fiangavian'ny RuNet Echo haneho ny heviny na ny ambasadera Pyatt, na ny Departemantam-panjakana Amerikana). Agamba mahamenatra kokoa, mbola hita ao amin'ny Twitter ireo sioka hita mazava fa tsy marina! (Tsy nisy olona tao amin'ny biraon'i Pyatt mba namafa izany!)

Midika angamba fa ny mpiasa birao, raha faritana, dia mety manao fahadisoana maro. Ary tsy araka ny heverin'ny propagandy Amerikana mikasika an'i Okraina hoe tonga lafatra mandra-pisian'ity hadalana ity. Matetika feno hadisoana ny fanentanana media sosialy Amerikana mikasika ny krizin'i Okraina, raha tsy hoe mahatohitra ny fahavalo izay matetika manafina ny propagandiny  antseraserany ho tahaka ny fikatrohana eny “ifotony” i Uncle Sam [Etazonia].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.