
Maryam Al Khawaja miaraka amin'ny mpisolo-vavany Mohammed Al Jishi taorian'ny famotsorana azy tany am-ponja.. Sary: @Mohamed_AlJishi
Taorian'ny fanerena iraisam-pirenena, navotsotr'i Bahrain ilay mpikatroka zon'Olombelona Maryam Al Khawaja omaly alina. Tsy navela hiditra tao amin'ny fireneny ary nosamborina tao amin'ny seranam-piaramanidina ity Tale mpiara-mitantana ny Ivotoeran'ny Zon'Olombelona Eto Amin'ny Helodrano ity tamin'ny 30 Aogositra 2014 .
Araka ny filazan'ny fikambanana, nikasa hitsidika ny rainy, mpikatroka zon'Olombelona malaza Abdulhadi Al-Khawaja, izay any am-ponja sy miditra amin'ny andro faha-27 amin'ny fitokonany tsy hihinan-kanina i Maryam. Nogadraina ny rainy nandritra ny famoretana mahery vaika nataon'ny governemanta taorian'ireo fihetsiketsehana manohana ny demaokrasia izay nanozongozona an'i Bahrain hatramin'ny 14 Febroary 2011. Voasazy higadra mandra-pahafatiny izy. Fitokonana tsy hihinan-kanina faharoa ataony izao. Naharitra 110 andro ny fitokonana tsy hihinan-kanina nataony voalohany ary nitsahatra rehefa nofahanan'ny manampahefana an-katerena.
Nosamborina tao amin'ny seranam-piaramanidina i Maryam Al Khawaja ary nampaingana ho niherisetra tamin'ny polisy. Ampangain'ny mpikatroka anefa ny manampahefana ho manao izay hiampangana azy ireo, ho fampitahorana sy hanampenam-bava azy ireo. Na dia eo aza ny famotsorana azy, mbola tazomin'ireo manampahefana ny fiampangana azy ary hiatrika fitsarana i Maryam amin'ny 1 Oktobra, izay niharan'ny fandraràna tsy hivezivezy..
Nanazava ny zava-manjòa azy tamin'ireo mpanjohy azy 101K izy:
Despite the release, I am banned from traveling and the charges have not been dropped. First hearing will b on October 1st #Bahrain
— Maryam Alkhawaja (@MARYAMALKHAWAJA) September 18, 2014
Na dia eo aza ny famotsorana ahy, voaràra tsy mahazo mivezivezy aho ary mbola tsy nofafàna ireo fiampangana. Amin'ny 1 Oktobra ny fihainoana ahy voalohany eny amin'ny fitsarana #Bahrain
Taorian'ny famotsorana azy, niditra tao amin'ny Twitter avy hatrany i Al Khawaja mba hisaotra ireo nandray anjara tamin'ny famotsorana azy, ary nampanantena hanohy ny asany amin'ny fiarovana ny zon'olombelona izy:
Before leaving prison, I informed them that I will continue my human rights work. #Bahrain
— Maryam Alkhawaja (@MARYAMALKHAWAJA) September 18, 2014
Alohan'ny nialàna tao am-ponja, nampilaza azy ireo aho fa mbola hanohy ny asako amin'ny fiarovana ny zon'olombelona #Bahrain
Tahaka an'i Maryam sy ny rainy, olona an'arivony no nosamborina hatramin'ny niandohan'ny fihetsiketseham-panoherana ny fitondrana tao Bahrain tamin'ny 14 Febroary 2011, nisarika ny saina mikasika ny zava-manjò azy ireo i Al Khawaja:
If the international community cud secure my release tht gives me hope that we can do the same 4 d thousands of political prisoners #Bahrain
— Maryam Alkhawaja (@MARYAMALKHAWAJA) September 18, 2014
Raha afaka niantoka ny famotsorana ahy ny fikambanana iraisam-pirenena dia manome fanantenana ho ahy fa afaka manao toy izany ho an'ireo gadra politika an'arivony ihany koa isika #Bahrain
Nampatsiahy ireo mpanjohy azy mikasika ireo mpikatroka hafa an'arivony manerana ny tontolo Arabo izay nogadraina noho ny fijoroan'izy ireo amin'ny fanoherana ny fampijaliana ao amin'ny firenen'izy ireo hatramin'ny niandohan'ilay antsoina hoe Lohataona Arabo ihany koa izy:
Happy to hear @Alaa was released, waiting for news on Yara Sallam, Sanaa Seif, Mahienour and Razan Zeitounah #Egypt #Syria
— Maryam Alkhawaja (@MARYAMALKHAWAJA) September 18, 2014
Faly nandre fa navotsotra i @Alaa, miandry vaovao mikasika an'i Yara Sallam, Sanaa Seif, Mahienour ary Razan Zeitounah #Egypt #Syria
Vao avy navotsotra tany am-ponja noho ny fandòavana onitra ilay mpikatroka sady bilaogera Alaa Abd El Fattah; samy nogadraina ao Ejypta kosa ireo mpikatroka tahaka an'i Yara Sallam, ny anabavin'i Abd El Fattah antsoina hoe Sanaa Seif, Mahienour Al Masry; ary migadra ao Syria ilay mpiaro ny zon'olombelona Razan Zeitounah.
Nizara vaovao momba ny famotsorana an'i Al Khawaja ireo mpikatroka manerantany.
Nisioka mikasika izay hafatra toa ho an'ny governemantan'i Bahrain i Jonathan Moremi:
Bottom line of #Bahrain arresting, harrassing, threatening and releasing @MARYAMALKHAWAJA is they make an utter fool of themselves. Shameful
— Jonathan Moremi (@jonamorem) September 18, 2014
Ny fisamborana, ny herisetra sy ny fandrahonana ary ny famotsorana an'i @MARYAMALKHAWAJA no mapiesho ny hadalany. Mahamenatra
Faly ilay Maraokanina Samia Errazzouki:
The sound of hearing the voice of friends who’ve been unjustly silenced in prison <3 So glad you’re out @MARYAMALKHAWAJA
— Samia Errazzouki (@charquaouia) September 18, 2014
Ny feon'ny fandrenesana ny feon'ireo namana izay nampanginina tsy ara-drariny tany am-ponja <3 Faly aho fa tafavoaka ianao @MARYAMALKHAWAJA
Manahy izay mety hiandry an'i Al Khawaja i Mohammed Jamjoom avy ao amin'ny CNN:
Great news that brave activist @MARYAMALKHAWAJA is out of jail, but terrible she's banned from travel & facing trial #FreeMaryam #Bahrain
— Mohammed Jamjoom (@MIJamjoom) September 18, 2014
Vaovao lehibe fa noafahana tao am-ponja ilay mpikatroka mahery fo @MARYAMALKHAWAJA, saingy mampatahotra fa voaràra tsy hivezivezy sy mbola hiatrika fitsarana izy #FreeMaryam #Bahrain